Fampiasana Bokikely Amin’ny Fomba Mandaitra Amin’ny Volana Jolay
1 Mba hanafainganana ny asa fanaovana mpianatra, dia nanome zavatra vita an-tsoratra samy hafa maro tamim-pahalalahan-tanana ny fandaminana. Anisan’izany ireo bokikely izay miresaka momba ny foto-kevitra voafaritra tsara, toy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany, ny Trinite, ny anaran’Andriamanitra, ny fitondran’ilay Fanjakana ary ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo bokikely amin’ny fomba mandaitra mba hanampiana ireo olona any amin’ny faritanintsika?
2 Ny bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? dia manazava araka ny fandrindran-kevitra fa efa akaiky ny tontolo vaovao iray tsy hisy fijaliana. Ahoana no azontsika ampidirana azy io? Misy fanipazan-kevitra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra eo ambanin’ny lohateny lehibe hoe “Fijaliana”, manomboka eo amin’ny pejy faha-228. Na mety ho tianao kokoa ilay fampidiran-dresaka eo amin’ny pejy faha-14, eo ambanin’ilay lohateny hoe “Tsy Rariny/Fijaliana”.
3 Ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: ‘Moa ve Andriamanitra tena miahy ny olombelona iharan’ny tsy rariny sy ny fijaliana?’” Avelao ilay olona hamaly. Vakio ny Salamo 72:12-14. Avy eo dia sokafy eo amin’ny pejy faha-22 ny bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ary miresaha momba ireo lohateny amin’ny sora-matavy ao amin’ny fizarana faha-10, ary koa momba ny hevitr’ilay sary eo amin’ny pejy faha-23. Raha lavin’ilay olona ilay bokikely, nahoana raha manolotra taratasy mivalona iray, toy ilay hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao?
4 Foto-dresaka mahaliana ny olona amin’izao andro izao ny momba ny fitondram-panjakana tsara. Maro no manontany tena raha toa ka hampiray izao tontolo izao ny fanapahan’olombelona. Misy fanazavana mahasoa eo ambanin’ny hoe “Fitondram-panjakana”, manomboka eo amin’ny pejy faha-252 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
5 Azonao atao ny manontany hoe:
◼ “Moa ve ny olombelona afaka manorina fitondram-panjakana iray izay tena hitondra fahasambarana maharitra?” Avelao ilay olona hamaly, avy eo dia manontania hoe: “Inona no asehon’ny tantaran’ny olombelona?” Sokafy ny Jeremia 10:23, na sokafy eo amin’ny pejy faha-252 ny boky Fanjohian-kevitra ary mamakia andinin-teny sy fanazavana mifanentana sasany. Aorian’izay, dia sokafy eo amin’ny pejy faha-24 sy faha-25 ny bokikely Fitondram-panjakana ary diniho ireo sary sy andinin-teny. Hazavao fa hampiray ny olona maneran-tany ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Raha tsy mandray ilay bokikely ilay tompon-trano, dia ho azonao atao ny hanolotra ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?
6 Raha matahotra ny heloka bevava ny olona eo amin’ny manodidina anao, dia mety hanintona azy ny fampidiran-dresaka manaraka.
7 Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Olona maro no manontany tena hoe: ‘Raha fitiavana Andriamanitra, nahoana izy no mamela ny faharatsiana hisy?’ Efa mba nanontany tena momba izany koa ve ianao?” Avelao ilay olona hiteny, avy eo dia manaova hoe: “Mariho fa ny Ohabolana 19:3 dia mampitandrina antsika mba tsy hanome tsiny an’Andriamanitra noho ireo zava-dratsy ataon’ny olona.” Rehefa avy namaky ilay andinin-teny ianao, dia sariho ho amin’ny pejy faha-14 amin’ny bokikely “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra” ny sain’ilay olona ary vakio ny fehintsoratra faha-27. Izany dia mety hitarika ho amin’ny fandinihana ireo fehintsoratra manaraka.
8 Ny fampiasana ireo bokikely mba hampianarana olona toy ny ondry momba ny vaovao tsara dia zavatra azontsika rehetra atao. Afaka manampy ny olona avy amin’ny fari-piainana rehetra mba hifanerasera amin’ny fandaminan’Andriamanitra isika. Tombontsoantsika ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ny fampiasantsika amin’ny fomba mandaitra ireo bokikelintsika tonga amin’ny fotoana ilana azy.