Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana
1 Ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1994, pejy faha-22, dia mampahatsiahy antsika fa ireo gazetintsika dia mamoaka “lahatsoratra amin’ny ilana azy indrindra izay nivaofy ireo zavatra tena nilain’ny olona”. Tiantsika ny hizara be dia be amin’ireo gazety ireo. Mandritra ny volana Aprily sy May, dia ny famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! no zavatra atolotra hasongadina, ary koa rehefa mety ho bokikely, afa-tsy ny bokikely Sekoly.
2 Ny asa fitoriana isan-trano dia manome ho antsika ny fahafahana tsara indrindra hametrahana ireo gazety ireo. Ny fanambarana tsy ara-potoana sy ny fiverenana mitsidika mandaitra koa dia miafara amin’ny fametrahana gazety tsy tapaka. Ny fitsidihana ireo toerana fandraharahana ao amin’ny faritaninao koa dia fomba iray ahitana vokatra toy izany mba hampitomboana ny fizarana gazety.
3 Foto-kevitra horesahina: Ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily, dia mandinika ny foto-kevitra hoe “Tontolo Iray Tsara Kokoa — Nofy Fotsiny Ve?” sy ny hoe “Tontolo Iray Tsara Kokoa — Efa Antomotra!” Izy io dia tena mifanaraka tokoa amin’ny zava-kendren’ilay gazety, dia ny hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra. Ilay lahatsoratra faharoa dia mifarana amin’ny fampisehoana ny fomba hahatongavan’ny paradisa mandrakizay iray ho zavatra tena hisy eo ambany fanapahan’i Kristy Jesosy. — Lioka 23:43, NW.
4 “Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?” no fanontaniana resahina ao amin’ny nomeraon’ny 15 Aprily. Ireo nomerao amin’ny May dia hivaofy bebe kokoa an’io foto-kevitra io, ao amin’ireo lahatsoratra hoe “Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilainao ve ny Fivavahana?” sy ny hoe “Nahoana no Mamaky ny Baiboly?” Isika dia tokony ho afaka hanombo-dresaka mora foana amin’ny olona mahatsapa fa tsy misy heviny sy tsy misy zava-kendrena ny fiainany.
5 Fampitomboana ny isan’ny gazety apetraka: Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary dia nanome fanipazan-kevitra efatra mba hampitomboana ny isan’ny gazety apetraka. Nampirisihina isika 1) hahatsiaro foana ireo gazety. Rehefa mamaky azy ireny isika, dia tokony hieritreritra izay lahatsoratra mety hanaitra indrindra ny olona ao amin’ny faritanintsika. Ankoatra izany, raha mitondra gazety maromaro tsy tapaka isika, dia mety ho afaka hametraka azy ireny amin’ny mpiara-miasa, mpifanila trano, mpampianatra, mpiara-mianatra, na mpivarotra.
6 Nampahatsiahivina isika mba 2) hitana ny fanolorantsika ho tsotra. Mifidiana votoatin-kevitra mahaliana iray, ary lazao amin’ny teny vitsivitsy izany. Raha afaka mandresy lahatra ilay tompon-trano handray gazety ianao, dia izy io no hanao ny “resaka” amin’ilay olona hitanao na ny hafa ao amin’ilay tokantrano.
7 Zavatra ilaina hafa iray koa ny 3) hahay hampifanara-javatra. Tsara ny fananana ao an-tsaina lahatsoratra samy hafa horesahina — iray ho an’ny tanora, iray hafa ho an’ny lehilahy, ary zavatra hafa ho an’ny vehivavy.
8 Farany, dia ilaintsika ny 4) mametra tanjona ho an’ny tena manokana mba hametrahana gazety. Na dia tsy afaka mametra isa aza ny kongregasiona, dia afaka mametra tanjona ho an’ny tenantsika isam-batan’olona isika. Izany dia hanampy tosika antsika kokoa hafana fo eo amin’ny fanolorana ireo gazety. Raha manao fanafarana gazety tsy tapaka isika, dia mety ho voatosika hanolotra betsaka kokoa.
9 Tiantsika ny hahafantaran’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Aoka isika hanararaotra amin’ny fomba feno ny fanampiana tsara dia tsara omen’ireo gazety eo amin’ny fampielezana ny hafatr’ilay Fanjakana. — Matio 10:7.