Kolokoloy ny Fahalianan’ireo Nametrahana Gazety sy Bokikely
1 Nampirisika ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hiasa amin’ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19). Izany dia milaza mihoatra noho ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra fotsiny; tiantsika ny hanampy ny olona handroso ara-panahy. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy miverina isika mba hanome fanampiana bebe kokoa ho an’ireo izany maneho fahalianana.
2 Raha nanasongadina lahatsoratra iray tao amin’ny iray amin’ireo gazety ianao tamin’ny fitsidihanao voalohany, dia ho tsara ny hiaraha-mandinika io foto-kevitra io ihany rehefa miverina ianao:
◼ “Fony aho nitsidika anao teo aloha, dia nanintona ny sainao aho ho amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (na Mifohaza!), izay nanampy antsika hahatakatra tsara ny ilana hamakafakana ny Baiboly. Ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny hoavy iray tsara kokoa ho an’ny olombelona dia miompana indrindra amin’ny fitondram-panjakany. Ny Mika 4:3, 4 dia mirakitra ilay fampanantenany fa hamarana ny ady rehetra io Fanjakany io.” Rehefa avy mamaky ilay andinin-teny, dia ampidiro ny bokikely “Indro”, ary asehoy ny sary eo amin’ny fonony. Diniho ny fehintsoratra voalohany sy ireo andinin-teny voatonona ho an’io fehintsoratra io, ka mariho fa anisan’ireo ny Mika 4:3, 4. Mandamìna ny hisian’ny fiverenana mitsidika mba hanohizana ilay fiaraha-midinika amin’ny fehintsoratra faha-2.
3 Raha tsy manam-potoana hiresahana ilay tompon-trano, dia mety hanapa-kevitra ny hanampy ny anarany ao amin’ny lalana fizaranao gazety fotsiny ianao:
◼ “Koa satria ianao naneho fahalianana tamin’ireo gazety napetrako taminao teo aloha, dia heveriko fa ho tianao ny hahazo ireo nomerao farany indrindra. Inoako fa hahaliana anao indrindra itỳ lahatsoratra itỳ.” Asehoy azy ny lahatsoratra iray izay hitanao fa hanintona ny sainy. Manolora ny hiverina miaraka amin’ny nomerao manaraka.
4 Manolora famandrihana amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” na ny “Réveillez-vous!” isaky ny mety ny hanaovana izany:
◼ “Azoko antoka fa ho tianao ny hamaky Ny Tilikambo Fiambenana. Raha tianao, dia azoko atao ny mandamina ny handefasana azy io tsy tapaka atỳ aminao amin’ny alalan’ny paositra, mba hahazoanao antoka ny fahazoana ny nomerao tsirairay aminy.” Atolory ny famandrihana amin’ny sarany 5 000 FMG ny herintaona, ary 2 500 FMG ny enim-bolana.
5 Raha nametraka bokikely ianao nefa tsy nanana fahafahana hampiseho ny fomba fanaovana ny fianarana, dia miomàna hanao izany amin’ny fiverenana mitsidika.
Ohatra, raha nametraka ny bokikely “Fitondram-panjakana” ianao, dia asaivo maka ny azy ilay tompon-trano, ary milazà hoe:
◼ “Mariho izay lazain’ny pejy faha-3 amintsika momba ny foto-kevitry ny hafatra notorin’i Jesosy, fony izy tetỳ an-tany.” Avy eo dia diniho fohy ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-3. Anontanio an’ilay tompon-trano izay heveriny fa ilainy hatao mba hahafantarana bebe kokoa. Avy eo dia milazà hoe: “Zava-dehibe ny hahatakarantsika tsara ny antony ilana aoka izany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho tiako ny hiverina sy hiresaka ny amin’ny antony tsy maintsy ianteherantsika amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenantsika.”
6 Manana bokikely isan-karazany isika. Mitadiava hevitra mahaliana ao amin’izay iray kasainao hampiasaina. Izany dia hanampy anao hampirisika ireo olona tso-po hianatra bebe kokoa momba ireo zavatra nandidian’i Jesosy. — Matio 28:20.