Fandraisana Soa Feno avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
1 Nahazoam-bokatra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika tamin’ny fampiofanana antsika ho amin’ny “fahaiza-mampianatra”, hany ka afaka mampita amin’ny hafa amin’ny fomba mandaitra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika. (2 Tim. 4:2, DIEM). Isan-kerinandro isika dia mandray hevi-dalina sarobidy ao amin’ireo foto-kevitra maro samy hafa ao amin’ny Baiboly. Ahoana no ahazoantsika antoka fa mandray soa feno avy amin’ny fampianarana tena lehibe omen’io sekoly io isika?
2 Henoy amim-pitandremana ny teny fanokafana ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly rehefa manasongadina ny sasany amin’ireo hevitra mahaliana azonao ianarana mandritra ilay fivoriana izy. Eritrereto izay fanontaniana rehetra mety hapoitrany sy ny fomba ahafahanao mampihatra ny valiny eo amin’ny fanompoanao.
3 Ny lahateny fampianarana dia tsy famerenana fotsiny ny fanazavana natao pirinty. Izy io dia mifantoka amin’ny maha-azo ampiharina ilay fanazavana sy ny fomba azonao andraisan-tsoa manokana avy amin’izany. Hanampy anao hifantoka tsara kokoa amin’ireo hevi-dehibe sy handray anjara amin’ny famerenana am-bava manaraka izany, ny fanomanana mialoha.
4 Ny fanaovana tsy tapaka ny famakiana Baiboly isan-kerinandro dia hahatonga ho lalina kokoa ny fankasitrahanao ny Tenin’Andriamanitra. Hampiseho aminao ireo tsipiriany mahaliana maro sady vaovao, izay hanatsara ny fahazoanao ny hevitry ny fahamarinana, ny fikarohana fanampiny. Tsy famerenana fotsiny ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, ny fampisehoana ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly. Aorian’ny famerenana ankapobeny fohy, dia hanasongadina ireo hevitra miavaka ao amin’ilay fizarana asaina vakina ilay mpandahateny ary hampiseho ny fomba ifandraisan’izany amin’ny fiainantsika sy ny fanompoam-pivavahantsika. Mihainoa tsara mba hahafahanao hianatra ny fomba hampiharana tsara kokoa ny fampianaran’ny Baiboly. — Sal. 119:105.
5 Raha asaina manao ny anjaran’ny mpianatra ianao, dia mariho ny hevitra tokony hiezahanao amin’izao fotoana izao. Vakio ireo fanoloran-kevitra omena ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly mikasika io toetra ilaina amin’ny fandaharan-teny io, ary miezaha mampihatra izany. Rehefa mifantina ny fanazavana ampiasainao amin’ny lahateninao ianao, dia antitrantero ireo hevitra azo ampiharina eny amin’ny asa fanompoana. — sgMG p. 96-99.
6 Raha toa ianao anabavy ka asaina manao ny Anjara Faha-3 na ny Anjara Faha-4, dia miezaha mampiseho ny fanazavana ao anatin’ny faritra mijery ny zavatra tena izy. Mety hitovy hevitra na tsy hitovy hevitra amin’izay rehetra lazainao ilay tompon-trano; asehoy ny fomba tianao hanampiana ilay olona hanjohy hevitra miorina amin’ireo fotopoto-pitsipika fototra ao amin’ny Baiboly. (sgMG p. 153-158). Manampy ny mpanatrika izany hahita ny fomba iatrehana ireo fanoherana mitovy amin’izany sendra hita eny amin’ny asa fanompoana. Miomàna ela be mialoha, ary manaova famerenana miaraka amin’ilay hanao ny tompon-trano, alohan’ny fotoana. Tsy tokony hilaina ny hanaovana famerenana rehefa nanomboka ilay fivoriana.
7 Ireo mpianatra manana anjara dia ampirisihina hipetraka eny aloha ao amin’ny efitrano. Mitsitsy fotoana izany sady mahatonga ny mpiandraikitra ny sekoly ho afaka hanome ny fanazavany amin’ny fomba manokana kokoa. Afaka mandray soa avy amin’ny fanoloran-kevitra voafaritra ataony amin-katsaram-panahy miorina amin’ny Boky ho An’ny Sekoly ny rehetra. Mety tsy hanaraka araka ny filaharany ireo toetra ilaina ho amin’ny fandaharan-teny eo amin’ny taratasy misy Torohevitra ho Amin’ny Lahateny izy; hifantina toetra iray miorina amin’izay ilainao amin’izao fotoana izao izy mba handrosoanao tsara indrindra.
8 Antony tsara avokoa izany rehetra izany mba hiomanantsika sy hanatrehantsika isan-kerinandro ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Ny fampianarana raisintsika dia afaka manampy antsika ho tonga hendry sy hahay eo amin’ny fanompoantsika. — Ohab. 1:5, NW.