Mampandroso Ireo Asa Mifandray Amin’ny Fampianarana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona
1 Ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia manana anjara asa tena lehibe eo amin’ny fandaharam-pampianaran’ny fandaminan’i Jehovah. Miparitaka ao amin’ny faritany ireo antokon’ny fianarana ny boky, ka mahatonga azy io ho mora atrehin’ny rehetra. Mety hanaiky mora kokoa ny fanasana hanatrika izany ireo olona liana rehefa eo amin’ny toerana manodidina azy no misy ny fianarana.
2 Misy ezaka atao mba hihazonana ho kely ny antokon’olona tsirairay avy. Mamela ilay mpitarika hanome fanampiana manokana ho an’ny tsirairay avy izany. Tsy mitovy ny fahamailahan’ny rehetra miana-javatra. Raha misy manana fahasahiranana amin’ny fahazoana hevitra iray na dia rehefa avy nianatra mialoha ilay lesona aza, dia azon’ilay mpitarika atao ny mbola miresaka izany aorian’ny fianarana. Ambonin’izany, dia misy fahafahana maro kokoa hanomezana valin-teny sy handraisana anjara amin’ny famakiana ireo andinin-teny rehefa kely ny antokon’olona. Mandray anjara amin’ilay dinidinika ve ianao amin’ny fanomezana valin-teny tsy tapaka? Miezaka mamaly amin’ny fomba fiteninao manokana ve ianao? Hahasoa anao sy ny hafa ny fahavononanao handray anjara. Rehefa miomana ianao, dia ampiasao ny fahaizanao mahazo hevitra mba hahatakarana ny fomba azonao ampiharana manokana ireo hevitra sasany ao amin’ilay lesona. — Heb. 5:14, NW.
3 Amin’ny fandinihantsika ny fomba fampianatr’ilay mpitarika fianarana ny boky, dia afaka mianatra ny fomba fitarihana fampianarana Baiboly mahaliana sy ahitana fianarana kokoa any an-tokantrano isika. Aorian’ny famakian’ny rahalahy mahay iray ny fehintsoratra dia dinihina ny fanontaniana. Mampirisika ny rehetra mba hiteny mafy ilay mpitarika ny fianarana. Arakaraka ny amelan’ny fotoana izany, dia manao izay hivoahan’ny valin-teny miorina amin’ireo andinin-teny voasoratra izy mba hanampiana antsika hahatakatra ny fomba fampiharana izany. (Ampitahao amin’ny Nehemia 8:8.) Mety hanampy fanazavana manokana fohy izy indraindray na hampiasa fanontaniana fanampiny mba hampahazava ny hevitra fototra iray. Hanampy antsika hahita ny fomba ifandraisan’ilay fanazavana amin’ny fiainantsika ny ohatra na ny fanoharana iray.
4 Azo lazaina ho vitsy ny mpanatrika fivoriana any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sasany. Manatrika tsy tapaka izany ve ianao? Mamoy fandaharana lehibe iray ianao raha tsy manao izany. Iray amin’ireo fomba ampisehoan’i Jehovah ny fiahiany antsika ny fandaharana momba ny fianarana ny boky. (1 Pet. 5:7). Maniry ny handrosoantsika eo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena izy mba hahatonga antsika ho matanjaka ara-panahy. Etsy an-kilany, dia irin’i Satana ny hampiadana ny fitomboantsika ara-panahy sy ny hahosa antsika mba hahatonga antsika tsy dia hilain’i Jehovah sy ny fandaminany. Aza avela hitranga izany! Aoka ny rivo-piainana mafana sy feno fitiavana ao amin’io antokon’olona mifankahazo am-po io hanohina ny fonao ka hanosika anao hidera hatrany an’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Salamo 111:1, NW.
5 Misy fivoriana ho amin’ny asa fanompoana mety amin’ny mpitory alamina any amin’ny ankamaroan’ireo toerana anaovana fianarana ny boky. Mety ho amin’ny anelanelan’andro na amin’ny faran’ny herinandro no hanaovana azy ireny na hatao ho amin’ny fanambarana amin’ny takariva. Ataon’ny mpitarika ny fianarana ny boky izay hahazoana antoka fa ampy ny faritany azo iasana ary hisy olona ao hitarika eny amin’ny asa fanompoana. Tsy tokony haharitra mihoatra ny 10–15 minitra ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana. Angamba handinika fohy ny teny natao hovakina isan’andro ilay mpitarika raha mifandray amin’ny asa fitoriantsika izy io ary mety hanome fanoloran-kevitra voafaritra tsara iray na roa ho amin’ny asa fanompoana izy na hanao fampisehoana fohy momba ny zavatra hatolotra amin’io fotoana io.
6 Araka ny fandehan’ny fotoana dia miezaka hiara-miasa manokana amin’ny antokon’olona misy azy ilay mpitarika, ka hanome fampirisihana sy fampiofanana mety. — Ampitahao amin’ny Marka 3:14; Lioka 8:1.