Aoka Ianao Ho “Mazoto Indrindra Amin’ny Asa Tsara” Mandritra ny Aprily!
1 Tamin’ny Aprily sy May lasa, dia nisy fanambarana mbola tsy nisy toy izany natao, rehefa nozaraina naneran-tany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34 an-tapitrisany maro. Ireo mpitory sy mpisava lalana tao amin’ny kongregasiona dia samy nandray anjara tamin-jotom-po tamin’io asa nampientana io. Anisan’izy ireo ve ianao? Raha eny, dia tsy isalasalana fa nankafizinao tanteraka ny nanana anjara tamin’iny ezaka manokana niavaka iny. Ankehitriny dia mety hanontany tena ianao hoe: “Asa tsara” inona no miandry antsika amin’itỳ taona itỳ? — Tit. 2:14.
2 Ny tanjontsika — Fandraisan’ny mpitory rehetra anjara: Tena hampahery marina raha mandray anjara amin’ny asa fitoriana avokoa ny mpitory rehetra eto amin’ny tanintsika mandritra ny Aprily. Koa satria mbola ao an-tsaintsika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, dia azo antoka fa haniry hampiseho ny fankasitrahantsika ny hatsaram-pon’Andriamanitra isika amin’ny fanolorana “fanati-piderana” mivantana, eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. — Heb. 13:15.
3 Tokony hisy ezaka amim-pahazotoana hatao mba hahitana ny zavatra ilain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona, mba hahafahan’ny rehetra handray anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana mandritra ny Aprily. (Rom. 15:1). Ireo mpitarika ny fianarana ny boky dia tokony hahalala tsara ny toe-javatra misy an’ireo izay ao amin’ny antokon’olona misy azy sy hanolotra fanampiana azo ampiharina rehefa ilaina izany. Misy mila ny hoentina amin’ny fiara ve? Iza no afaka manao izany? Saro-kenatra ve ny sasany sa tsy ampy fatokian-tena? Afaka miara-miasa amin’izy ireo ve ny mpitory za-draharaha kokoa? Ahoana ny amin’ireo voatana eo am-pandriana na ireo marary? Afaka manao fanambarana an-telefaonina, an-taratasy na manao asa hafa hahitam-bokatra ve izy ireo? Mpitory sasany izay nanjary tsy niasa no nahazo fampaherezana ara-panahy tsy tapaka, ary mety ho voatosika hirotsaka indray amin’ny asa fitoriana.
4 Ampiofano ireo tanora mba handraisany anjara: Zanaka Vavolombelon’i Jehovah maro no nanaraka an’ireo ray aman-dreniny isan-trano hatramin’ny taona maro, na dia mbola tsy mpitory tsy vita batisa aza. Moa ve izao no fotoana hanombohany? Moa ve izy ireo atosiky ny fony sy vonona handray anjara misy heviny amin’ny asa isan-trano? Tokony hampiasa ny fotoana mandritra ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly ny loham-pianakaviana mba hanampiany an’ireo zanany mahafeno fepetra hanomana fomba fampiseho iray ampifanarahina amin’ny taona sy ny fahaizan’ny tsirairay. Ireo zokiny kokoa dia afaka mifidy fanontaniana mampisaintsaina mba hanairana ny fahalianan’ny tompon-trano ary avy eo, dia hampiseho ny valiny ao amin’ilay gazety izay atolony. Ireo ankizy kely kokoa dia afaka manome fanambarana mandaitra amin’ny teny vitsivitsy monja. Ohatra, afaka mampirisika ny tompon-trano “hamaky gazety iray izay atolotra maneran-tany” izy ireo. Ataovy azo antoka fa hampidirina ao amin’ny fiomanana ataon’ny fianakavianao ny fanoloran-kevitra momba ny fandresena ireo fanoherana fandre. Hahita hevitra tsara maromaro ianao ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Amin’ny fotoam-pisakafoana sy amin’ny fotoana mety hafa, dia ampirisiho ny mpianakavy hitantara ny fanandraman-javatra azony teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha.
5 Nanohy ny asa nataon’i Jesosy ireo mpianatra mahafeno fepetra: Ny fampianaran’i Jesosy dia tsy noferany tamin’ny fanomezana toromarika momba ny foto-pampianarana. Niaraka tamin’ireo mpianany teo amin’ny fanompoana izy sy nampianatra azy ireo ny fomba fitory. (Lioka 8:1; 10:1-11). Manao ahoana ny tarehin-javatra amin’izao andro izao? Fampianarana Baiboly mihoatra ny 18 000 no tarihina eto Madagasikara. Tsy misy isalasalana fa, raha misy fampirisihana mety, dia maro amin’ireo mpianatra ireo no ho afaka hanao ny dingana manaraka eo amin’ny fampiofanana azy sy hahafeno fepetra mba ho tonga mpitory tsy vita batisa amin’ny Aprily.
6 Raha mitarika fampianarana Baiboly iray ianao, dia diniho ireto fanontaniana ireto: Moa ve ilay mpianatra manao fandrosoana mifanentana amin’ny taonany sy ny fahaizany? Efa nanomboka nizara ny finoany tamin’ny hafa tamin’ny fomba tsy ara-potoana ve izy? Mitafy “ny toetra vaovao” ve izy? (Kol. 3:10). Mahafeno ireo fepetra ho an’ny mpitory tsy vita batisa, voalazalaza ao amin’ny pejy 97 sy 99 amin’ny boky Voalamina, ve izy? Raha inoanao fa mahafeno fepetra izy, nahoana no tsy miresaka an’ilay raharaha aminy? Mpianatra sasany no mila fanasana mivantana kely fotsiny mba handraisana anjara amin’ilay asa. Mazava ho azy fa raha vonona ilay mpianatra, dia tena ilaina voalohany indrindra ny handaminan’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha amin’ny fomba mahazatra, fiaraha-midinika amin’ny roa amin’ireo loholona. Etsy an-danin’izany, dia mety hisy zavatra mampiahotra an’ilay mpianatra. Angamba ny iray amin’ireo loholona ho afaka hiaraka aminao any amin’ilay fampianarana Baiboly sy hanao izay hilazan’ilay mpianatra ny fihetseham-pony manoloana ny fahamarinana. Rehefa avy nihaino izay lazain’ilay mpianatra ilay loholona, dia mety ho afaka hanome fanoloran-kevitra azo ampiharina, miaraka amin’ny fanampiana araka ny Soratra Masina.
7 ‘Hararaoty ny fotoana azo’ anaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy: Isan-taona, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, ny fankasitrahana ny sorom-panavotana dia manosika mpitory an’arivony maro ‘hanararaotra’ ny fotoana mba ho mpisava lalana mpanampy. (Efes. 5:15-17). Na dia ilaina aza ny manao sorona sasany, dia lehibe ny valisoa. Mahafaly ny isan’ireo tanora manararaotra ny fiatoan’ny fianarana mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Olon-dehibe izay miasa manontolo andro no mampiasa ny takariva sy ny faran’ny herinandro mba handraisan-tsoa feno amin’io asa io ihany. Araka izany, dia fianakaviana manontolo no nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy niaraka! Tany amin’ny kongregasiona sasany, ny ankamaroan’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana ary ny vadin’izy ireo avy dia nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Nentanin’ny ohatra feno zotom-po nasehon’izy ireo ny hafa ka nanaraka ny ohatr’izy ireo koa, hany ka ny ampahany lehibe tamin’ilay kongregasiona no mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily.
8 Na afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ianao na tsia, dia mitadiava fomba hampitomboana ny fanompoanao eny amin’ny saha mandritra ny Aprily. Mamera tanjona manokana ho an’ny tenanao, tanjona izay hitaky ezaka sasany ny fahazoana azy nefa azo tratrarina. Ny fanirianao “handany sy holanina” eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anao manokana, dia hahazo fitahiana. — 2 Kor. 12:15.
9 Fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha: Azo alamina amin’ny andro tsirairay ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha mandritra ny ezaka manokana fanolorana famandrihana, amin’ny ora izay hamela hanomboka aloha eo amin’ny fanompoana. Tokony hisy fandaharana hatao koa ho amin’ny fanaovana fanambarana amin’ny takariva. Ny ankamaroan’ny mpitory dia hirotsaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny faran’ny herinandro, tokony handamina fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha koa ny kongregasiona ny asabotsy, maraina sy tolakandro.
10 Ireo izay mitarika fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha dia tokony hahazo antoka fa betsaka ny faritany eo am-pelatanana. Ny faritany izay efa ela tsy niasana no tokony hatao voalohany. Tsy tokony hihoatra ny 15 minitra io fivoriana io. Moa ve ianao mihazona faritany manokana iray na mihoatra izay ela tsy niasana? Raha mila fanampiana ianao hiasana azy ireny mandritra ilay ezaka manokana, dia mitenena amin’ny mpiandraikitra ny fanompoana na amin’ny rahalahy mikarakara ny faritany, fa ho faly izy ireo handamina ny hahazoanao fanampiana.
11 Gazety firy no hapetrakao? Ny tsirairay no tokony hamaly an’io fanontaniana io. Mba hamantarana hoe ho afaka hametraka gazety firy ianao mandritra ilay ezaka manokana, dia diniho ny karazana faritany hiasanao, ny taonanao, ny fahasalamanao ary ny fotoana azonao atokana ho an’ilay asa, sy ny anton-javatra hafa. Mariho anefa izao fampahatsiahivana, nomena tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1994 izao: “Ho fanipazan-kevitra, ny mpitory, ohatra, dia mety hanana ho tanjona, gazety 10 isam-bolana, arakaraka ny tarehin-javatra misy azy; ny mpisava lalana mety hiezaka hahatratra 90.” Ny tanjona toy io ve hifanaraka amin’ny zavatra tena misy anao?
12 Ry loholona — Ilaina ny manao fiomanana mialoha amim-pitandremana: Ataovy azo antoka fa, raha mbola azo atao koa, dia hiasana amin’ny fanolorana gazety sy famandrihana ny faritanin’ny kongregasiona rehetra. Tokony homena fiheverana amim-pitandremana ny fiasana ny faritany be fandraharahana nanendrena ny kongregasiona. Ireo izay miasa izany faritany izany dia tokony ho voaomana tsara sy hanao fitafiana madio sy milamina. Tsy ilaina ho be pitsiny ny fomba fampisehonao. Rehefa manatona mpandraharaha iray ianao, dia afaka milaza hoe tsy mahita mpandraharaha ao an-tranony ianao matetika, ka dia mitsidika azy any amin’ny toeram-piasany mba hampiseho lahatsoratra iray izay tsy isalasalana fa hahaliana azy. Avy eo dia afaka mizara vetivety hevitra iray voafaritra tsara ao anatin’ilay gazety ianao. Tokony halamina araka ny tokony ho izy koa ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona. Ny fomba mandaitra indrindra hirotsahana amin’ny fitoriana eny amin’ny arabe dia ny manao dingana voalohany sy ny manatona mpandalo, toy izay hiandry azy ireo fotsiny hanatona anao. Koa satria eny ampahibemaso ianao, dia tokony hahatsapa ny ilana hananana fisehoana ivelany mendrika. Mety hisy toerana hafa ao amin’ny faritaninao izay ho azo iasana mandritra ilay ezaka manokana, toy ny seranam-piaramanidina, ny hopitaly, ny parking, ny zaridainam-panjakana, ary ny trano fitaizana ny be antitra. Ny fitambaran-doholona no tokony hamantatra hoe fandaharana mety inona avy no azo atao mba hanaovana fanambarana any amin’ireny faritra ao amin’ny faritanin’ny kongregasionanareo ireny.
13 Mpiasa tsy mety sasatra i Jehovah. (Jaona 5:17). Namorona ny lanitra sy ny tany izy, ary koa ny zavamaniry sy ny biby; nefa nanohy niasa izy mandra-pamorony ny zava-bita fara tampony teto an-tany — dia ny olombelona. Ny hoe manana fiainana isika dia vokatra mivantan’ny fahavononan’Andriamanitra hiasa. Noho isika “mpanahaka an’Andriamanitra”, dia tokony ho voatosiky ny fitiavantsika azy isika mba ho “mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. (Efes. 5:1, NW; Tit. 2:14). Koa satria i Jehovah mendrika handray ny ezaka tena tsara avy amintsika, ary satria ny faniriana hahazo vokatra dia mampiavaka ny olona iray be zotom-po, dia tokony ho liana amin’ny fanatanterahana asa tsara eo amin’ny fanompoana isika. Mazava ho azy fa ankasitrahan’i Jehovah izay sorona rehetra ataontsika ho azy, ary ny asantsika dia tsy very maina mihitsy. (1 Kor. 15:58, NW ). Koa, amin’ny fo feno fisaorana àry, enga anie isika hilofo amin’ny asa mampiseho zotom-po mandritra ny Aprily, matoky ny fankasitrahana sy ny fitahian’i Jehovah ary ny fahombiazana tondraka!