Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hatao rehefa tsy tonga ara-potoana amin’ny fivoriana ny mpandahateny ampahibemaso voatendry iray?
Indraindray, dia misy toe-javatra tsy azo anoharana izay hanakana ny rahalahy iray tsy ho tonga ara-potoana mba hanao ny lahateniny ao amin’ny fandaharana. Raha misy antony inoana fa ho tonga tsy ho ela izy, dia mety hanapa-kevitra ny hanomboka ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ireo loholona; afaka manaraka aorian’izany ny Fivoriana Ampahibemaso. Ahoana raha manjary miharihary fa tsy ho tonga ilay mpandahateny? Angamba ny iray amin’ireo mpandahateny eo an-toerana ho afaka hanao lahateny iray izay efa nomaniny.
Misoroka io zava-manahirana io mazàna ny fandaharana natao tamim-pitandremana mialoha. Ny mpandrindra ireo lahateny ampahibemaso dia tokony hifandray amin’ny mpandahateny tsirairay, fara fahakeliny herinandro mialoha, mba hampahatsiahivana azy ny amin’ny anjarany. Ilay fampahatsiahivana dia tokony hahafaoka ny oran’ny fivoriana, ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana ary ny fanoroana lalana mazava hahitana ilay efitrano. Tsy maintsy mandray an-tsoratra amim-pitandremana an’ireny tsipiriany ireny ilay mpandahateny. Tokony hihevitra ny anjarany ho zava-dehibe izy, ka hanao izay fanitsiana ilaina rehetra eo amin’ny raharahany manokana mba hahafahany hiantsoroka ny andraikiny. Raha misy zavatra tsy azo anoharana mipoitra izay hanakana azy tsy hanao izany, dia tokony hifandray amin’ny mpandrindra ireo lahateny ampahibemaso avy hatrany izy mba handaminana ny hisian’ny mpisolo azy. Tokony hatao ny ezaka rehetra mba hanalavirana ny fanafoanana amin’ny minitra farany.
Ny fankasitrahana ny anjara lahateny ampahibemaso, ny fanaovana fandaharana sy fampahatsiahivana tsara mialoha ary ny fiandraiketana amim-pitandremana dia hanome antoka fa ho afaka hankafy lahateny ampahibemaso andraisan-tsoa isan-kerinandro ny kongregasiona.