FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/07 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Faly Izahay Manasa Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Toromarika Mahakasika ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana
    Toromarika Mahakasika ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana
  • Aoka hatomboka sy hofaranana ara-potoana ireo fivoriantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fandaharam-pivoriana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 5/07 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Ahoana no tokony hanolorana ny hira fanokafana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, Fivoriana Momba ny Fanompoana, Fivoriana ho An’ny Besinimaro, ary Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana? Ary iza no tokony hanao izany?

Hita ao amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ny hira fanokafana ny Sekolin’ny Fanompoana. Avoaka miaraka amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Oktobra io fandaharana io matetika. Ao amin’ny pejy faha-2 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana kosa no misy ny hira fanokafana sy ny hira famaranana ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Ny hira amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana indray, dia ao amin’ny pejy faha-2 amin’ilay gazety ianarana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pivoriana iray ny hira miaraka aminy. Ilay rahalahy mitarika azy io àry no tokony hanolotra ilay hira, fa tsy ilay nitarika ny fandaharana teo aloha.

Izao, ohatra, no hatao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana: Hiarahaba tonga soa ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny sekoly, hanolotra ny hira fanokafana, ary hitarika ilay sekoly. Rehefa vita ny sekoly, dia hasainy ho eny amin’ny lampihazo ny rahalahy hanao ny anjara voalohany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Io rahalahy io no hanolotra ny hira fanokafana ny Fivoriana Momba ny Fanompoana.

Toy izany koa no hatao amin’ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Hanolotra ny fandaharana ny rahalahy iray. Hiarahaba tonga soa ny mpanatrika izy, ary hanasa azy ireo hiara-miredona ny hira fanokafana, izay efa nofidin’ny mpandahateny. Aorian’izay, dia hanao ny vavaka fanokafana izy (na rahalahy hafa mahafeno fepetra, notendrena mialoha). Holazainy avy eo ny anaran’ny mpandahateny sy ny lohatenin’ny lahateny, ary hasainy ho eny amin’ny lampihazo ilay mpandahateny. Rehefa vita ilay lahateny, dia tsy hamintina izany ilay rahalahy mpanolotra. Hilaza teny fohy ho fankasitrahana an’ilay lahateny fotsiny izy. Holazainy ny lohatenin’ny lahateny hatao amin’ny herinandro manaraka, ary hampirisika ny mpanatrika hijanona hatramin’ny faran’ny fianarana Tilikambo izy. Hanasa ny mpitarika ny fianarana Tilikambo ho eny amin’ny lampihazo izy, aorian’izay. Raha mpandahateny mpitsidika no nanao ilay lahateny, dia tsy voatery hampitondra firarian-tsoa ho an’ny fiangonany ilay rahalahy mpanolotra.

Ny mpitarika ny fianarana Tilikambo no hanolotra ny hira fanokafana an’ilay fianarana. Hanaraka ny toromarika nomen’ny fandaminana izy rehefa mitarika ilay fianarana. Izy ihany amin’ny farany no hanolotra ny hira famaranana, sy hanasa ny rahalahy hanao ny vavaka famaranana, mba ho eny amin’ny lampihazo. Ilay rahalahy nanao lahateny mazàna no manao io vavaka io.

Hitovy daholo ny fomba itarihana ny fivoriana maneran-tany, raha manaraka ireo toromarika ireo isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara