Fandaharam-pivoriana Vaovao
1, 2. Inona avy no hiova amin’ny fivoriana, manomboka amin’ny Janoary 2009?
1 Nisy vaovao mahafaly nampandrenesina ny fiangonana maneran-tany, tamin’ny herinandron’ny 21 Aprily 2008. “Manomboka ny 1 Janoary 2009, dia hampiarahina ny Fianarana Boky sy ny Sekolin’ny Fanompoana ary ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hovana ny anaran’ny Fianarana Boky, ka hatao hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana.”
2 Fandaharam-pivoriana: Haharitra adiny roa latsaka fahefany ilay fivoriana amin’ny fitambarany, ka tafiditra amin’izany ny hira sy vavaka. Hanomboka amin’ny hira sy vavaka (5 min.) ny fivoriana. Hanaraka izany ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana (25 min.). Hatao aorian’izay avy hatrany ny Sekolin’ny Fanompoana (30 min.). Hisy hira (5 min.), avy eo, hampiditra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana (35 min.). Hofaranana amin’ny hira sy vavaka (5 min.) ilay fivoriana. Hivoaka isam-bolana ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny fandaharana ho an’ny Fianarana Baiboly sy ny Sekolin’ny Fanompoana ary ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hanampy anareo amin’ny fanomanana izany.
3. Ahoana no fomba hitarihana ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana?
3 Fianarana Baiboly: Toy ny fomba itarihana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana no hitarihana azy io. Tsy ilaina ny manao famerenana ny fianarana teo aloha. Tokony ho tena fohy ny teny fampidirana ataon’ny mpitarika. Samy ho afaka hanome valin-teny fohy avy ny mpanatrika rehetra amin’izay. Hiova isan-kerinandro ny anti-panahy hitarika azy io, ary ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha no hanendry azy ireo.
4. Inona no hiova amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana?
4 Fivoriana Momba ny Fanompoana: Ho toy ny taloha ihany ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, saingy ho fohy kokoa ireo anjara. Haharitra dimy minitra ny fampandrenesana. Tokony ho ampy izany hiresahana ny zavatra tena mila ampandrenesina, sy hamakiana ny taratasy sasany avy any amin’ny sampana. Tsy hovakina avy eny amin’ny lampihazo ireo fampandrenesana mahazatra, toy ny fandaharam-panompoana, fanadiovana, ary ny tatitra momba ny kaonty. Hapetaka eo amin’ny tabilao misy ny filazana kosa ireo. Tokony hanomana tsara sy hanaja fotoana, ary hanaraka tsara an’ireo toromarika ny rahalahy manana anjara.
5. Hanao ahoana ny fandaharam-pivoriana, amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra?
5 Fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra: Tsy hiova ny fandaharana amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Hatao ny talata ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Hisy hira aorian’izay, ary hanao lahateny mandritra ny 30 minitra ny mpiandraikitra ny faritra, avy eo. Toy ny mahazatra, dia hisy andro hafa hanaovana ny Fianarana Baiboly sy ny lahateny momba ny fanompoana hataon’ny mpiandraikitra ny faritra. Hisy hira toy ny mahazatra ihany. Hofaranana amin’ny vavaka ny fivoriana.
6. Inona no andraikitry ny mpiandraikitra ny mpitory?
6 Fivoriana alohan’ny fanompoana: Hisy anti-panahy hotendrena ho mpiandraikitra ny mpitory, ary ny anti-panahy rehetra no hanendry azy ireo. Hiandraikitra andia-mpitory izy ireny, sady hikarakara izay ilain’ny mpitory tsirairay ao amin’ilay andiany iandraiketany. Raha mpanampy amin’ny fanompoana no manao an’io andraikitra io, dia hantsoina hoe “mpikarakara ny mpitory” izy.
7. Inona no soa raisintsika avy amin’io fandaharam-pivoriana vaovao io?
7 Hita amin’izany àry fa tena hahazo fampianarana tsara sy mampahery tokoa isika amin’ireo fivoriana ireo. Hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izany, sady hanampy antsika ho mpitory sy mpampianatra mahay, ka hahita vokatra kokoa.—Efes. 4:13, 14; 2 Tim. 3:17.
8. Inona no soa horaisintsika sy ny hafa raha manomana mialoha isika?
8 Hanampy antsika hifantoka amin’ireo hevi-dehibe hasongadina mandritra ny fivoriana, ny fandinihana mialoha ny zavatra hianarana any. Ho afaka hanome valin-teny isika rehetra amin’izay, ka ho afaka hifampahery. (Rom. 1:11, 12; Heb. 10:24) Ny ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’ no tanjontsika, mba ‘hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoantsika.’—1 Tim. 4:15; 2 Tim. 2:15.
9. Tapa-kevitra ny hanao inona isika, ary nahoana?
9 Tena faly isika noho izao fiovana lehibe amin’ny fivoriana izao. Enga anie isika rehetra hanaraka hatrany ny tari-dalana omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sady hitoetra ho akaikin’ilay Mpiandry Lehibe, izay manomana antsika ho amin’ilay “fahoriana” lehibe efa antomotra.—Matio 24:21, 45; Heb. 13:20, 21; Apok. 7:14.