Ampio Hahazo Hevi-javatra Ireo Tsy Ampy Fanandraman-javatra
1 Amin’ny alalan’ny asa fanaovana mpianatra, isika dia mampianatra ny hafa ny zavatra takin’Andriamanitra aminy. (Matio 28:19, 20). Ezaka goavana mba hanao izany no ataon’ny Vavolombelona maherin’ny dimy tapitrisa maneran-tany. Tsy faritana araka ny ora lany, na ny zavatra vita an-tsoratra voapetraka, na ny fampianarana Baiboly atomboka, akory ny fahombiazany. Mahatratra ny zava-kendrentsika isika, rehefa mahazo sy mampihatra izay ianarany ny olona.
2 Ny fanampiana ny hafa eo amin’ny ara-panahy dia ‘mahatonga ireo tsy ampy fanandraman-javatra hahazo hevi-javatra’. (Sal. 119:130, NW ). Tsy voatohina ny fon’ireo olona ary tsy voatosika hanao zavatra izy ireo raha tsy rehefa ‘mahatakatra ny hevitr’izany’. (Matio 15:10, NW ). Arakaraka ny itaran’ny asantsika sy itomboany hery, dia mihatakatsika hatrany fa ilaina ny miteny sy mampianatra amin’ny fomba tsotra. Izany no antony nanontan’ny Fikambanana ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Mirakitra fandaharam-pianarana feno izay mahafaoka ireo fampianarana fototry ny Baiboly, izy io. Fohy ireo lesona, tsy sarotra ny fomba fiteny, ary mora azo ilay fampianarana, ka mahatonga ilay bokikely hanintona karazan’olona maro.
3 Io bokikely io, sy ireo gazety, no hatolotra amin’ny volana Aprily sy May. Toroana hevitra ianareo, rehefa manao fandaharana ny amin’ny asa fanompoanareo isan-kerinandro, mba handamina ny hanolotra ireo gazety ny asabotsy, fa hanolotra kosa ilay bokikely eny amin’ny fanompoana, mandritra ireo andro hafa amin’ny herinandro. Itondray ilay bokikely ireo olona nanaiky handray zavatra vita an-tsoratra taloha. Tadidio fa afaka manampy indrindra indrindra izy io, rehefa mampianatra ankizy sy olona miteny vahiny ary ireo izay tsy mahay mamaky teny tsara, isika.
4 Mampiasà tari-dresaka tsotra: Rehefa mampiseho ny bokikely Takina ianao, dia asehoy ny pejy faha-2, izay manazava fa ‘io bokikely io dia natao mba ho fandaharam-pianarana ny Baiboly’. Sariho ny sain’ilay olona ho amin’ny fehintsoratra faha-3 eo amin’ny pejy faha-3, mba hampisehoana hoe nahoana izy no mila mianatra ny Baiboly. Tairo ny fahalianany amin’ny famakiana ny lohatenin’ny lesona sasany izay mampiharihary fahamarinana ara-baiboly tsotra. Asehoy amin’ny ohatra fa io bokikely io dia mahatonga ny fianarana ho fahafinaretana, ary manolora ny hanampy azy manokana.
5 Mitariha fampianarana mandroso: Tsy ny hitarika fampianarana fotsiny akory no tanjontsika — maniry hanao mpianatra izay ho tonga mpanohana mafy ny fanompoam-pivavahana marina, isika. Azo ianarana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy ilay bokikely, ary tokony hitarika mivantana ho amin’ny fianarana ny boky Fahalalana. (Jereo ny fanamarihana eo ambanin’ny pejy 31.) Dieny eo am-panombohana, dia ampio ilay mpianatra hamantatra ny fandaminan’i Jehovah. (Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 180-181.) Antitrantero ny hasarobidin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ary hazavao fa ny fanatrehana azy ireny dia manampy azy hahazo tsara ny fomba fanarahana ny fanompoam-pivavahana marina. — Heb. 10:24, 25.
6 Ny fandraisana anjara feno amin’io asa manokana io amin’ny Aprily sy May dia azo antoka fa hanome antsika ilay fifaliana azo avy amin’ny fanampiana olona tso-po ‘hahazo hevi-javatra’ izay mitarika ho amin’ny fiainana. — Ohab. 4:5.