Mampiasa ny Bokikely Takina ve Ianao mba Hanombohana Fampianarana?
1 Fantatrao ve fa efa mitarika fampianarana Baiboly ianao raha manao dinika ara-baiboly tsy tapaka sy mirindra tsara amin’ny olona liana, ka mampiasa ny bokintsika natao hampianarana? Fampianarana Baiboly izany, na fohy aza, ary na eo am-baravarana aza no atao. Nahoana raha miezaka manokana, amin’ny volana Mey sy Jona, mba hanomboka fampianarana amin’ny bokikely Takina?
2 Miomàna mba hahomby: Ataovy mazava tsara ao an-tsaina izay tianao horesahina rehefa manolotra ny bokikely Takina ianao. Raha hanao fiverenana mitsidika ianao, dia eritrereto izay noresahinao tamin’ny voalohany. Manontania tena hoe: ‘Inona no fehintsoratra hasongadiko mba hanohizana ilay dinidinika, ka ho lasa fampianarana Baiboly?’ Raha hitory isan-trano ianao, dia eritrereto izay foto-kevitra hahaliana ny tanora, antitra, lehilahy, na vehivavy. Avereno jerena ireo foto-kevitra ao amin’ilay bokikely, ary mifidiana iray mahaliana. Mifidiana tari-dresaka iray ka averimbereno. Fomba iray hahombiazana izany.
3 Misy “Fomba Azo Anolorana ny Bokikely Takina” miisa valo ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002. Mampiseho ny fomba fampiasa ilay bokikely mba hanombohana fampianarana ilay faritra voafefy hoe “Tari-dresaka Mivantana.” Azonao amboarina toy izao ny fanoloran-kevitra voalohany:
◼ “Fantatrao ve fa afaka mahazo ny valin’ny fanontaniana ara-baiboly lehibe iray ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja ianao? Ohatra: Nahoana no misy fivavahana be dia be milaza fa Kristianina? Efa nanontany tena momba izany ve ianao?” Rehefa avy mamaly ilay olona, dia asehoy ny lesona faha-13 ary resaho ny fehintsoratra roa voalohany. Raha ampy ny fotoana, dia mamakia andinin-teny iray na roa ary iaraho midinika. Vakio avy eo ny fanontaniana farany ao amin’ilay lesona, ary milazà hoe: “Miresaka fomba dimy ahafantarana ny fivavahana marina ny fehintsoratra sisa. Ho faly aho hiverina ary hiara-midinika azy ireo aminao.”
4 Mahareta: Ataovy foana izay hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny bokikely Takina, isaky ny mety. Mangataha ny fitahian’i Jehovah. (Matio 21:22) Mety ho faly hanampy olona handray ny vaovao tsara ianao, raha miezaka hatrany!