Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Zavatra vita an-tsoratra inona avy no tokony hatao ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika?
Tondraka ireo zavatra vita an-tsoratra ara-panahy nomena mba hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra. Koa satria mpitory maro no tsy manana azy rehetra ireo, ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ao amin’ny Efitrano Fanjakana dia manome fahafahana hanao fikarohana ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra izay mety tsy ho hitan’izy ireo raha tsy misy azy io. Noho izany, dia tokony ho feno tsara izy io, ka hisy fandikan-tenin’ny Baiboly isan-karazany, ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana farany, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, volumes reliés amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! ary Index des publications de la Société Watch Tower. Fanampin’izany, dia tokony hasiana diksionera maoderina tsara iray koa ao. Raha misy, dia manampy koa ny encyclopédies, ny bokin-tsarintany, na ny boky momba ny fitsipi-pitenenana sy ny tantara. Kanefa, ny zavatra tokony hahintsika voalohany indrindra dia ireo zavatra vita an-tsoratra nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45, NW.
Tany amin’ny toerana sasany, dia voalaza fa nisy boky nampiahiahy nampidirina tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Tsy hety ny hampidirana tantara noforonina, boky mivaofy ny Baiboly nefa misy fitsikerana ambony, na boky momba ny filozofia na ny spiritisma. Ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia tokony tsy hisy afa-tsy zavatra izay hanampy an’ireo izay mampiasa azy hanohy hanao fandrosoana ara-panahy. — 1 Tim. 4:15.
Ny mpiandraikitra ny sekoly no tompon’andraikitra amin’ilay fitahirizam-boky, na dia misy rahalahy iray hafa azo tendrena hanampy azy hikarakara ilay izy aza. Tokony hataony azo antoka fa vaovao hatrany izy io, ka ampidirana ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao, raha vantany vao mivoaka izy ireo. Tokony homarihina eo amin’ny fonony anatin’ny boky tsirairay ny anaran’ny kongregasiona tompony. Isan-taona, dia tokony hojerena raha misy boky mila fanamboarana na fanoloana.
Afaka miara-miasa ny rehetra mba hitandremana ilay fitahirizam-boky. Tokony hanehoana fitandremana ny fandraisana sy ny fampiasana ireo boky. Tsy tokony havela hilalao azy ireo ny ankizy, ary na iza na iza dia tsy tokony hanisy soratra na hanipika azy ireo. Azo atao ny mametraka soratra tsotra mampahatsiahy fa tsy azo entina hiala ny Efitrano Fanjakana ireo boky.
Koa satria misy kongregasiona vaovao miforona foana, dia azo inoana fa voafetra ny isan’ireo zavatra ao anatin’ny fitahirizam-boky maro. Ny mpitory sasany izay manana ireo zavatra vita an-tsoratsika tranainy kokoa dia mety hihevitra ny hanome azy ireo ho an’ny kongregasiona. Ireo loholona dia mety haniry hanafatra volumes reliés amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! atỳ amin’ny biraon’ny sampana. Amin’ireo fomba ireo, ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia tena hanampy ny rehetra hahita ireo harena afenina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay manome fahalalana sy fahendrena ary fahazoan-kevitra. — Ohab. 2:4-6.