Ny Baiboly — Mpitari-dalana avy Amin’Andriamanitra ho An’ny Olona Rehetra
1 Notombanana ho efatra arivo tapitrisa ny Baiboly natao pirinty tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra mihoatra ny 2 100, ka mahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho azon’ny 90 isan-jaton’ny mponina amin’ny tany ampiasaina. Kanefa, misy hanoanana ny “handre ny tenin’i Jehovah” eo amin’izao tontolo izao. (Amosa 8:11). Olona maro manana Baiboly no tsy mamaky azy io na tsy mahazo izay raketiny. Ahoana no azontsika ampirisihana azy ireny mba hampiasa ny Baiboly ho toy ny mpitari-dalana mandaitra eo amin’ny fiainany?
2 Amin’ny Desambra dia hanolotra ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? isika. Manampy antsika amin’ny fanampiana ny hafa mba hanaiky ny Baiboly ho mpitari-dalana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra, io zavatra vita an-tsoratra io.
3 Azonao atao ny manomboka fomba fampiseho iray amin’ny fampiasana ilay taratasy mivalona hoe “Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly”. Mety hiteny toy izao ianao:
◼ “Na dia azon’ny olona maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eto an-tany ampiasaina aza ny Baiboly, dia vitsy no mamaky azy io tsy tapaka. Inona no heverinao ho anton’izany?” Vakio ny fehintsoratra roa voalohany amin’ilay taratasy mivalona, sy ny 2 Timoty 3:16. Atolory ny boky Tenin’Andriamanitra. Raha lavin’ilay tompon-trano ilay boky, dia asao izy hamaky ny sisa amin’ilay taratasy mivalona. Asongadino ilay lohatenikely farany hoe “Milaza mialoha ny ho avy”.
4 Rehefa miverina any amin’ny olona nametrahana ilay taratasy mivalona hoe “Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly”, dia azonao atao ny manandrana toy izao:
◼ Aorian’ny nampahafantaranao indray ny tenanao, dia vakio ireo fehintsoratra roa farany amin’ilay taratasy mivalona. Anontanio ilay tompon-trano raha efa nieritreritra ny amin’ny fahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany izy. Aorian’ny valin-teniny, dia lazao hoe: “Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah antoka fa ho tanteraka ireo faminaniana rehetra hita ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ireo milaza mialoha ny amin’ny hoavy mahatalanjona iray ho an’ny olona rehetra mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra.” Asehoy ny sary eo amin’ny pejy faha-13 amin’ny bokikely Takina, miverena eo amin’ny lesona faha-5, ary manolora ny hiarahana handinika ny valin’ireo fanontaniana atao lisitra eo, ka amin’izany dia hanomboka fampianarana iray.
5 Any amin’ny faritany be olona tia fivavahana, dia azonao atao ny manandrana itỳ tari-dresaka voalohany itỳ:
◼ “Mampirisika ny hananana fanajana bebe kokoa ny Baiboly izahay. Maro ny fianakaviana manana Baiboly, nefa zara raha mijery azy io rehefa manan-java-manahirana lehibe izy ireo. Voamarikao ve izany? [Avelao izy hamaly.] Angamba mihevitra izy ireo fa lany andro ny Baiboly. Itỳ boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? itỳ dia manome porofo mampiaiky fa marina ara-tsiansa ny Baiboly ary manome vahaolana mandaitra ho an’ireo zava-manahirana manery amin’izao andro izao izy io.” Asongadino ny hevi-dehibe vitsivitsy avy amin’ny toko faha-8 na ny toko faha-12, ary avy eo dia atolory ilay boky.
6 Afaka milaza toy izao ianao rehefa miverina any amin’izay nametrahana ny boky “Tenin’Andriamanitra”:
◼ “Fony aho nitsidika anao farany dia noresahintsika ny fomba anampian’ny Baiboly amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana sarotra amin’izao andro izao. Ireo izay manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra dia nampiana koa mba hanana fiainana sambatra kokoa sy mahafa-po kokoa. Tiako ny hampiseho aminao iray amin’ireo foto-pitsipiky ny Baiboly azo ampiharina izay hazavain’ilay boky napetrako taminao.” Resaho ny iray amin’ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina hita ao amin’ny toko faha-12, fehintsoratra faha-3-6, ka farano amin’ny famakiana ny fehintsoratra faha-7. Raha misy fahalianana hita, dia manolora fampianarana, na amin’ny boky Fahalalana na amin’ny bokikely Takina.
7 Mety hahaliana ny olona be taona itỳ fomba fampiseho itỳ:
◼ “Nisy fotoana taloha namakiana ny Baiboly tao amin’ny ankamaroan’ny tokantrano ary niaina nifanaraka tamin’ireo foto-pitsipiny ireo fianakaviana. Nanao toy izany ve ny fianakavianao? [Avelao izy hamaly.] Ankehitriny dia toa variana loatra ny olona maro ka tsy afaka manokana fotoana hamakiana ny Baiboly, na mihevitra izy ireo fa lany andro ireo foto-pitsipiny ara-pitondran-tena. Ny toko faha-13 amin’itỳ boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? itỳ dia mampiseho tantaram-piainana tena nisy an’olona telo izay nanana fiainana niova ho tsara rehefa avy nianatra ny Baiboly izy ireo. Raha tianao ny hamaky ny fomba nanampian’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra azy ireo, dia ho faly aho hametraka itỳ boky itỳ aminao.”
8 Amin’ny fiverenana mitsidika, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Fony isika niresaka farany dia nanaiky fa tsy heverin’ny fiaraha-monina ankehitriny ireo foto-pitsipika ara-pitondran-tenan’ny Baiboly. Tokony hampanahy antsika ve izany? [Avelao izy hamaly.] Nihevitra ho zava-dehibe ny fandraisana fahalalana avy ao amin’ny Baiboly i Jesosy Kristy.” Vakio ny Jaona 17:3. Avy eo dia resaho ny fehintsoratra faha-5 amin’ny toko voalohany amin’ny boky Fahalalana. Hazavao ny fandaharantsika fampianarana Baiboly maimaim-poana ary manolora ny hampiseho izany.
9 Mivavaha mba hitahian’i Jehovah ny ezaka rehetra ataonao mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ny Baiboly — ilay mpitari-dalana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra.