FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/02 p. 3-6
  • Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanombohan-dresaka
  • Fomba Azo Anolorana ny Bokikely Takina
  • Fomba Azo Anolorana ny Boky Fahalalana
  • Boky sy bokikely
  • Tari-dresaka mivantana
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Miantehera Amin’i Jehovah mba Hampitomboany ny Voa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Manahafa An’i Jehovah Amin’ny Fiahiana Marina ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 1/02 p. 3-6

Tahirizo

Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina

Fomba Fampiasa An’ity Takelaka Fanampiny Ity

Efa niseho tato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana teo aloha ny ankamaroan’ireo fomba fampiseho omena eto. Manandrama betsaka araka izay tianao amin’izy ireo rehefa mitory ianao, ary jereo izay vokatra azonao. Tahirizo ity takelaka fanampiny ity, ary jereo rehefa miomana hitory ianao.

Mety hanjary hahaliana an’ilay olona ny Tenin’Andriamanitra, raha tsotra ny hafatra entinao. Mametraha fanontaniana voafaritra tsara, ary mamakia valiny fohy araka ny Soratra Masina mba hamaliana azy. Afaka manandrana an’ireto soso-kevitra ireto ianao:

“Misy zavatra antenainao sa manahy ianao, rehefa mieritreritra ny hoavy? [Avelao izy hamaly.] Efa nilaza ireo fisehoan-javatra mampikorontan-tsaina hitantsika amin’izao andro izao sy ny ho fiafarany ny Baiboly.”—2 Tim. 3:1, 2, 5; Ohab. 2:21, 22.

“Misy fanahiana be momba ny fahasalamana ankehitriny. Fantatrao ve fa mampanantena ny hamaha amin’ny fomba maharitra ny olana ara-pahasalamana rehetra Andriamanitra?”—Isaia 33:24; Apok. 21:3, 4.

“Fantatrao ve fa efa nilaza ny Baiboly hoe hisy fanjakana iray hitondra ny tany manontolo atsy ho atsy?”—Dan. 2:44; Matio 6:9, 10.

“Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny toe-piainana raha i Jesosy Kristy no mpanjakan’ny tany?”—Sal. 72:7, 8.

“Maro no avakavahana noho izy lahy na vavy, na noho ny fivavahany, na noho ny volon-kodiny. Araka ny hevitrao, inona no tsapan’Andriamanitra ny amin’ny fanavakavahana toy izany?”—Asa. 10:34, 35.

“Fantatsika fa nanao fahagagana maro i Jesosy Kristy tamin’ny androny. Raha afaka mangataka aminy hanao fahagagana hafa iray ianao, inona no hangatahinao?”—Sal. 72:12-14, 16.

“Leon’ny mandre zava-manahirana ny ankamaroan’ny olona. Maniry handre vahaolana izy ireo. Aiza anefa isika no afaka mahita ny tena vahaolana amin’ireo zava-manahirana antsika?”—2 Tim. 3:16, 17.

“Fantatrao ve ilay Fanjakana angatahinao ho tonga, rehefa manao ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo ianao?”—Apok. 11:15.

Fanombohan-dresaka

Nalaina avy tao amin’ny boky Fanjohian-kevitra ireo fanontaniana omena eto. Hita eo akaikin’ny fanontaniana tsirairay ny pejy ahitana ny valiny.

Nahoana isika no mihantitra sy maty? (105)

Manao ahoana ny maty? (106)

Manana antony tsara tokony hinoana an’Andriamanitra ve isika? (37)

Mieritreritra izay manjo ny olombelona ve Andriamanitra? (38)

Tena misy ve Andriamanitra? (39)

Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy? (322)

Tsy maintsy mankany an-danitra ve mba hahitana ny tena fahasambarana? (322)

Nahoana no zava-dehibe ny hahalalana sy hampiasana ny anaran’Andriamanitra? (293)

Andriamanitra ve i Jesosy Kristy? (298)

Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra? (194)

Inona no zava-kendren’ny fiainan’olombelona? (209)

Inona no azon’ny mpivady atao mba hahatonga ny fanambadian’izy ireo ho sambatra kokoa? (164)

Eken’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra? (263)

Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina? (268)

Moa ve Satana mampihatra fahefana lehibe eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? (376)

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? (229)

Nahoana no misy faharatsiana be dia be toy izao eto an-tany? (111)

Iza no mitarika izao tontolo izao ankehitriny: Andriamanitra sa Satana? (285)

Fomba Azo Anolorana ny Bokikely Takina

“Azo antoka fa ekenao hoe mino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Samy manaiky ireo mino an’Andriamanitra fa misy zavatra takiny amintsika. Ny hevitra tsy itovian’izy ireo anefa dia hoe: Inona no takin’Andriamanitra amintsika?” Asehoy ny bokikely Takina, ka sokafy eo amin’ny lesona voalohany, ary miaraha midinika an’ilay izy.

“Maro be ny zava-manahirana hitan’ny fianakaviana ankehitriny, ka efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana?” Rehefa avy namaly izy, dia hazavao fa asehon’Andriamanitra mazava ao amin’ny Baiboly ny tena tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana. Vakio ny Isaia 48:17. Sokafy ny lesona faha-8 amin’ny bokikely Takina, ary asehoy ny sasany amin’ireo andinin-teny manome tari-dalana azo ianteherana ho an’ny mpianakavy tsirairay. Vakio ireo fanontaniana eo am-piandohan’ilay lesona. Anontanio raha ho tian’ilay olona ny hamaky ny valin’izy ireo.

“Ity bokikely ity dia mirakitra fandaharam-pianarana feno tsara, misy ireo fampianarana fototry ny Baiboly. Ho hitanao isaky ny pejy ny valin’ny fanontaniana nanahiran-tsaina ny olona nandritra ny taonjato maro. Ohatra: Inona moa no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany?” Sokafy ny lesona faha-5, ary vakio ireo fanontaniana eo am-piandohany. Asao hifidy fanontaniana mahaliana azy ilay olona, ary avy eo dia vakio ny (ireo) fehintsoratra mifanandrify aminy, sy ny andinin-teny mety tsara. Hazavao fa mora hita toy izany koa ny valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana hafa. Lazao fa hiverina indray ianao mba hiresaka fanontaniana hafa sy ny valin’izany.

“Nahoana, araka ny hevitrao, no betsaka ny herisetra any an-tsekoly? Tsy mampiofana ny zanany ve ny ray aman-dreny? Sa misy antony hafa, toy ny asan’ny Devoly, ohatra?” Avelao izy hamaly. Raha milaza izy hoe: “Asan’ny Devoly”, dia vakio ny Apokalypsy 12:9, 12. Asongadino fa ny Devoly no mahatonga ny fisafotofotoana be eo amin’izao tontolo izao. Sokafy eo amin’ny lesona faha-4 ny bokikely Takina, ary anontanio ilay olona raha efa mba nanontany tena hoe avy aiza ny Devoly. Vakio ary velabelaro ny fehintsoratra roa voalohany. Raha nilaza kosa ilay olona hoe “tsy mampiofana ny zanany ny ray aman-dreny” ka izany no mahatonga herisetra any an-tsekoly, dia vakio ny 2 Timoty 3:1-3, ary asongadino ireo lafin-toetra miharihary fa mahatonga an’io zava-manahirana io. Sokafy ny lesona faha-8 amin’ny bokikely Takina, ka vakio ny fehintsoratra faha-5, ary tohizo ilay resaka.

“Heverinao ve fa mety ny manampo hoe hanome antsika fahalalana ilaintsika mba hanorenana fiainam-pianakaviana vanona ny Mpamorona?” Rehefa avy namaly ilay olona, dia asehoy ny bokikely Takina. Sokafy ny lesona faha-8, ary hazavao fa misy toro lalana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny mpianakavy tsirairay, ao amin’izy io. Anontanio izy raha azonao atao ny mampiseho ny fomba fampiasa ilay bokikely miaraka amin’ny Baiboly, mba handraisan-tsoa be indrindra avy aminy.

“Maro ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehintsika eo amin’ny fiainana, ka heverinao ve fa tena afaka manampy antsika ny vavaka? [Avelao izy hamaly.] Maro no milaza fa manome hery azy ny vavaka. [Vakio ny Filipiana 4:6, 7.] Misy koa anefa mety hihevitra fa tsy mahazo valim-bavaka. [Sokafy eo amin’ny lesona faha-7 ny bokikely Takina.] Miresaka ity bokikely ity hoe afaka manampy antsika be dia be ny vavaka.”

“Miresaka amin’ny mpiara-belona aminay izahay hoe nahoana no misy fivavahana samy hafa be dia be toy izao, nefa tsy misy afa-tsy Baiboly iray monja. Inona re no mahatonga izany, araka ny hevitrao e? [Avelao izy hamaly. Sokafy eo amin’ny lesona faha-13 ny bokikely Takina, ary vakio ireo fanontaniana.] Hahazo valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ianao rehefa mamaky an’ity lesona ity.”

Rehefa avy nametraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ianao, dia anontanio ilay olona raha afaka mamaky fehintsoratra fohy aminy ianao. Raha manaiky izy, dia sokafy eo amin’ny lesona faha-5 ny bokikely Takina. Vakio ireo fanontaniana eo am-piandohan’ilay lesona, ary asao ilay olona hihaino mba hahitany ny valin’ny fanontaniana voalohany rehefa mamaky ny fehintsoratra voalohany ianao. Apetraho ilay fanontaniana rehefa voavaky ilay fehintsoratra ary avelao izy hamaly. Atolory azy ilay bokikely, ary raha ekeny ny handray ilay izy, dia mangataha ny hiverina any aminy, mba hamaliana an’ireo fanontaniana roa manaraka.

Fomba Azo Anolorana ny Boky Fahalalana

Ataovy eny an-tanana ny Baiboly, ary milazà hoe: “Misy andinin-teny asehonay ny olona rehetra etỳ amin’ny faritra misy anao androany. Izao no lazainy...” Vakio ny Jaona 17:3, ary manontania hoe: “Voamarikao ve ilay zavatra ho azontsika raha manana an’ilay fahalalana tena izy isika? [Avelao izy hamaly.] Aiza no hahitan’ny olona an’io fahalalana io?” Rehefa avy namaly izy, dia asehoy ny boky Fahalalana, ary milazà hoe: “Miresaka an’ilay fahalalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ity boky ity. Valiany ato, noho izany, ireo fanontaniana tena fametraky ny olona momba ny Baiboly.” Asehoy azy ny fanondroam-pejy, ary anontanio izy raha misy efa noeritreretiny tamin’ireo loha hevitra.

“Efa nanontany tena ve ianao raha tena mahita ny tsy rariny sy ny fijaliana manodidina antsika na iainantsika mihitsy aza, Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Manome toky antsika ny Baiboly fa tia antsika Andriamanitra ka hanampy antsika raha ao anatin’ny fahoriana isika.” Mamakia tapany amin’ny Salamo 72:12-17. Sokafy eo amin’ny toko faha-8 ny boky Fahalalana, ary lazao fa mamaly fanontaniana iray efa napetraky ny olona maro be io boky io. Izany dia ilay hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Raha mety, dia iaraho midinika aminy avy hatrany, na rehefa miverina mitsidika azy, ny hevitra araka ny Soratra Masina eo amin’ny fehintsoratra faha-3 ka hatramin’ny faha-5.

“Efa nanana havan-tiana nodimandry ny ankamaroantsika. Efa nanontany tena ve ianao raha hahita azy ireny indray? [Avelao izy hamaly.] Noporofoin’i Jesosy fa azo avotana avy amin’ny fahafatesana ireny havan-tiantsika ireny. [Vakio ny Jaona 11:11, 25, 44.] Efa taonjato maro lasa no nanaovany izany, nefa mampiseho ny fampanantenan’Andriamanitra ho antsika izany.” Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 85 amin’ny Fahalalana, ary vakio ilay soratra kely eo. Asehoy indray ilay sary eo amin’ny pejy 86 ka hazavao. Mametraha fanontaniana toy izao mba hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka: “Tianao ho fantatra ve ny antony mahatonga ny olona hihantitra sy maty?” Miverena mba hiara-midinika ny toko faha-6.

“Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny olombelona no maniry ho ela velona?” Rehefa avy namaly izy, dia sokafy ao amin’ny toko faha-6 ny boky Fahalalana, ary vakio ny fehintsoratra faha-3. Hazavao amin’ny alalan’ireo andinin-teny voatonona ny hevi-dehibe. Anontanio ilay olona raha tiany ho fantatra ny valin’ireo fanontaniana roa eo amin’ny faran’ilay fehintsoratra. Raha maniry izany izy, dia tohizo ny fiaraha-midinika an’ireo fehintsoratra vitsivitsy manaraka.

“Manontany ny olona izahay raha mino ity voalaza ity izy...” Vakio ny Genesisy 1:1, ary manontania hoe: “Ekenao ve, io voalaza eo io?” Raha manaiky ilay olona, dia milazà hoe: “Mitovy hevitra aminao koa aho. Andriamanitra koa ve anefa no nahatonga ny faharatsiana, satria izy no namorona ny zavatra rehetra?” Vakio ny Mpitoriteny 7:29, rehefa avy nisaotra ilay olona noho ny valin-teniny ianao. Sokafy ao amin’ny toko faha-8 ny boky Fahalalana, ary vakio ny fehintsoratra faha-2. Raha tsy manaiky izay voalazan’ny Genesisy 1:1 ilay olona, dia ampirisiho handinika ny porofo fa tena misy ny Mpamorona.—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 131-133.

“Miova haingana ny fitsipi-pitondran-tena ankehitriny, koa tsy ekenao ve fa mila tari-dalana azo ianteherana isika eo amin’ny fiainana? [Avelao izy hamaly.] Misy torohevitra mahasoa amin’ny fiainana ankehitriny sy mba hahasambatra ny fianakaviana ao amin’ny Baiboly, na dia boky tranainy indrindra aza izy io.” Sokafy ny toko faha-2 amin’ny boky Fahalalana, ary vakio ny fehintsoratra faha-10 sy ny fehezanteny voalohany amin’ny fehintsoratra faha-11, anisan’izany ny 2 Timoty 3:16, 17.

Ho tianao ve ny hahafantatra ny hoavintsika sy ny tany? [Avelao izy hamaly.] Ny teny hoe Paradisa no iantsoan’ny Baiboly ny hoavy! Paradisa no nametrahan’Andriamanitra ny mpivady olombelona voalohany noforoniny. Mariho ange ny filazalazana ny mombamomba an’io Paradisa io e!” Sokafy eo amin’ny pejy 8 ny boky Fahalalana, ary vakio ny fehintsoratra faha-9, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Fiainana ao amin’ny Paradisa.” Avy eo dia resaho ny hevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-10, ary vakio ny Isaia 55:10, 11, voatonona eo. Anontanio ilay olona raha azo tohizina ny fiaraha-midinika momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny, eo amin’ny fehintsoratra faha-11 ka hatramin’ny faha-16.

Rehefa miverina mitsidika an’ireo nametrahanao Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ianao, dia afaka miteny toy izao:

“Faly aho tamin’ny farany nametraka gazety Ny Tilikambo Fiambenana taminao. Voamarikao angamba ny lohatenin’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Tiako hohazavaina aminao anio ny momba an’io Fanjakana io, sy izay hataony ho anao sy ny fianakavianao.” Sokafy eo amin’ny lesona faha-6 ny bokikely Takina, ka vakio sy iaraho midinika arakaraka ny fotoana ananan’ilay tompon-trano.

“Vao haingana aho no nitsidika anao ary nanome gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mampirisika ny olona hanaja ny Baiboly sy ny tari-dalana ara-pitondran-tena raketiny ireny gazety ireny. Heveriko fa tena ilain’ny rehetra ny mahazo izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ka izany no iverenako atỳ aminao, mba hampisehoana aminao ny zavatra hanampy anao hanao izany.” Asehoy ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana, ary asao izy hiara-mianatra Baiboly aminao.

Afaka manandrana an’ity fomba fampiseho ity ianao, rehefa manolotra boky:

“Amin’izao andro izao dia antitranterina be dia be ny amin’ny ilana fianarana tsara. Araka ny hevitrao, inona no karazana fianarana tokony hokatsahin’ny olona iray mba hahazoana antoka fa tena ho sambatra sy hahomby izy eo amin’ny fiainana? [Avelao izy hamaly ary vakio ny Ohabolana 9:10, 11.] Miorina amin’ny Baiboly ity boky ity [asehoy ny lohatenin’ilay boky atolotrao]. Manondro ilay hany loharanom-pahalalana afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ity.” Mampisehoa ohatra voafaritra avy ao amin’ilay boky, ary ampirisiho ilay olona hamaky azy io.

Boky sy bokikely

Misy fomba fampiseho boky na bokikely hafa ao amin’ny Indeksan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo ambanin’ny hoe:

Fomba fampiseho

Lisitra araka ny zavatra vita an-tsoratra

Tari-dresaka mivantana

Manandrama iray amin’ireto tari-dresaka mivantana ireto, mba hanombohana fampianarana Baiboly:

“Fantatrao ve fa afaka mahazo ny valin’ny fanontaniana ara-baiboly lehibe iray ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja ianao? Ohatra:...” Avy eo, dia mametraha fanontaniana hita eo am-piandohan’ny iray amin’ireo lesona ao amin’ny bokikely Takina, heverinao fa hahaliana an’ilay olona.

“Mitsidika anao aho mba hampiseho aminao ny fampianarana Baiboly maimaim-poana ataonay. Haharitra dimy minitra eo ho eo ilay izy. Manana dimy minitra ve ianao?” Raha manaiky ilay olona dia ampiasao ny lesona voalohany amin’ny bokikely Takina mba hampisehoana an’ilay fianarana, ka mifantena andinin-teny iray na roa hovakina. Anontanio izy avy eo hoe: “Rahoviana no manana fahefatr’adiny eo ho eo ianao mba hanaovantsika ny lesona manaraka?”

“Betsaka ny olona manana Baiboly, nefa tsy fantany fa ao no misy ny valin’ireo fanontaniana lehibe apetratsika momba ny hoavy. Afaka mahafantatra ireo hevitra fototra ao amin’ny Baiboly, ao anatin’ny volana vitsivitsy monja ianao, raha mampiasa ity boky fianarana ity [Takina na Fahalalana] mandritra ny adiny iray eo ho eo isan-kerinandro. Ho faly aho hampiseho aminao ny fomba fanaovana ilay fianarana.”

“Mitsidika anao aho mba hanolotra ho anao fampianarana Baiboly maimaim-poana atỳ an-tranonao. Haka minitra vitsivitsy monja aho raha mety, mba hanazavana ny fomba fianarana Baiboly ataon’ny olona any amin’ny tany 200 mahery. Azontsika iarahana midinika daholo ireto foto-kevitra ireto. [Asehoy ireo loha hevitra ao amin’ny pejy faha-3 amin’ny boky Fahalalana.] Iza amin’ireo no tena mahaliana anao?” Andraso ilay olona hifidy. Avadiho ao amin’ilay toko nofidiny ilay boky, ary atombohy eo amin’ny fehintsoratra voalohany ilay fianarana.

“Mampianatra Baiboly maimaim-poana aho ary mbola misy fotoana azoko ampianarana olona hafa. Ity fitaovana fianarana Baiboly ity no hampiasaintsika. [Asehoy ny boky Fahalalana.] Volana vitsivitsy monja no anaovana ilay fianarana ary mamaly fanontaniana toy ny hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Nahoana isika no mihantitra sy maty? Inona no manjo an’ireo havan-tiantsika nody mandry? Ary ahoana no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra? Azoko atao ve ny mampiseho lesona iray aminao?”

Ampiasao foana izay fomba fampiseho hitanao fa nety, ka nahaliana ny olona! Ampifanaraho amin’ny zavatra atolotra amin’ny volana fotsiny ilay izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara