Atolory ny Olona Amin’ny Sokajin-taona Rehetra ny Boky Fahasambaram-pianakaviana
1 Naneho ny fankasitrahany ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ny zazalahy iray 11 taona, avy any Kalifornia. Hoy ny nosoratany: “Velom-pankasitrahana noho izy io aho, ary ampirisihiko ny fianakaviana hafa mba hamaky an’io boky io, satria tsara dia tsara izy io. Manampy ny fianakaviako hahita fiadanana sy fahasambarana ao an-tokantranonay (...) izy io.” Tokony hampirisika antsika mba hanolotra ny boky Fahasambaram-pianakaviana amin’ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra, ny zavatra hitan’io ankizy io. Indreto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy izay mety ho tianao handramana eny amin’ny fanompoanao mandritra ny Febroary.
2 Azonao atao ny milaza toy izao rehefa sendra tanora ianao:
◼ “Maro amin’ireo mitovy taona aminao no mieritreritra momba ny fanambadiana. Aiza anefa no ahafahanao mahita fanazavana azo itokisana momba io foto-kevitra io? [Avelao izy hamaly.] Matetika ny tanora no milaza fa tsy fantany raha vonona ho amin’ny fanambadiana ny tenany. Avelao aho hilaza aminao izay lazain’ity boky ity momba io foto-kevitra io.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-14 ny boky Fahasambaram-pianakaviana, ary vakio ny fehintsoratra faha-3. Avy eo, dia asehoy ny lohatenikely tsirairay ao amin’ilay toko. Atolory ilay boky, ary manaova fandaharana mba hiverina.
3 Afaka milaza toy izao ianao rehefa miresaka amin’ny ray na ny reny iray:
◼ “Mampiseho amin’ny ray aman-dreny toro lalana azo ampiharina sasany izay tena mandaitra eo amin’ny fitaizana zanaka, izahay. Nakambana ato amin’ity boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ity izy ireo.” Sokafy eo amin’ny pejy faha-55. Vakio ny fehintsoratra faha-10, sy ny Deoteronomia 6:6, 7 eo amin’ny fehintsoratra faha-11. Avy eo dia asehoy ireo fehezanteny natao sora-mandry eo amin’ny fehintsoratra faha-12 ka hatramin’ny faha-16. Tohizo toy izao ny teninao: “Nanampy ny maro mba ho ray aman-dreny mahita fahombiazana kokoa ity boky ity. Faly aho manolotra azy ity ho anao, raha tianao ny hamaky azy.”
4 Azonao atao ny milaza toy izao rehefa miresaka amin’ny be taona:
◼ “Mba lazao amiko hoe, tompoko, izay eritreritrao, rehefa avy mamaky ity fanazavana fohy ity aho.” Sokafy ho eo amin’ny pejy faha-169 ny boky Fahasambaram-pianakaviana, ary vakio ireo fehezanteny roa voalohany eo amin’ny fehintsoratra faha-17. Avy eo, dia anontanio ny heviny. Arakaraka ny valin-teniny, dia mety hamaky andalana fanampiny avy ao amin’ilay boky ianao, alohan’ny hanolorana azy.
5 Aza hadinoina ny manandrana manomboka fampianarana Baiboly rehefa manolokolo ny fahalianan’ny olona nametrahana ny boky Fahasambaram-pianakaviana. Mety ho tsara hanombohana ny fianarana ny Lesona Faha-8 amin’ny bokikely Takina na ny toko faha-15 amin’ny boky Fahalalana. Eo am-panaovana izany, dia aoka isika hiezaka mafy mba hanampy ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra hanorina fiainam-pianakaviana kristianina sambatra.