Mpitory Ilay Fanjakana Tsy Tapaka ve Ianao?
1 Faly isika rehetra, rehefa nahafantatra fa nahatratra tampon’isa ambony indrindra tamin’ny mpitory 10 505 i Madagasikara, tamin’ny Novambra 1999. Tena ezaka niaraha-nanao tamim-pahatapahan-kevitra tokoa izany! Tamin’ny volana nanaraka an’io, tamin’ny Desambra 1999, dia toa sarotra tamin’ny sasany tamin’ireo ny ho mpitory ilay Fanjakana tsy tapaka, satria 10 451 monja no namerina tatitra tamin’io volana io. Milaza izany fa mpitory maherin’ny 50 no tsy nandray anjara tamin’ny fanompoana, tamin’ny Desambra. Mino izahay fa afaka manampy mba hanitsiana io tarehin-javatra io izao fampirisihana manaraka izao.
2 Ankasitraho ilay tombontsoa ary aoka ianao ho tonga mpitory ilay Fanjakana tsy tapaka: Tokony ho lalina ny fankasitrahantsika ny tombontsoantsika hizara ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana amin’ny hafa. Mampifaly ny fon’i Jehovah io asa io, no sady manampy ny olona tso-po hahafantatra ny lalana mankany amin’ny fiainana. (Ohab. 27:11; 1 Tim. 4:16). Ny fitoriana tsy tapaka dia mampitombo tsikelikely ny fahaizantsika eo amin’ny fanompoana, ka miteraka fifaliana sy fahatsapana ho nahavita zavatra.
3 Mamerena tatitra momba ny fanompoana nataonao: Misy mandray anjara amin’ny fanompoana, nefa manao tsirambina ny famerenany tatitra ara-potoana. Na oviana na oviana isika dia tsy tokony hieritreritra fa tsy mendrika ny hamerenana tatitra ny ezaka nataontsika. (Ampitahao amin’ny Marka 12:41-44.) Na ahoana na ahoana, dia tokony hamerina tatitra momba izay nataontsika isika! Ny fanarahana fomba iray any an-trano, toy ny fampiasana kalandrie mba handraisana an-tsoratra ny ora lany teny amin’ny fanompoana, dia ho fampahatsiahivana tsy tapaka ho antsika, mba hamerina tatitra araka ny marina avy hatrany, isaky ny faran’ny volana.
4 Manomeza ny fanampiana ilaina: Mety ho tsy maintsy hatsaraina ny fandaharana eo an-toerana mba hanampiana an’ireo izay mila fanampiana mba handraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Tokony hanao fandaharana ny mpitan-tsoratra sy ny mpitarika ny fianarana ny boky, mba hitondran’ny mpitory za-draharaha fanampiana. Raha manan-janaka na mpianatra Baiboly hafa, izay mbola tsy vita batisa, ianao, dia ampiofany izy ireo mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoany isam-bolana.
5 Tsarovy ilay tantaram-piainana hoe: “Velom-pankasitrahana fa Ela Velona ao Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1997. Tonga mpitory ny vaovao tsara ny Anabavy Ottilie Mydland, avy any Norvezy, talohan’ny batisany tamin’ny 1921. Enina amby fitopolo taona tatỳ aoriana, fony izy 99 taona, dia hoy izy: “Faly aho fa mbola afaka mitory tsy tapaka ihany.” Izany ka fihetsika mahafinaritra mba hotahafin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra!