FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/00 p. 3-4
  • Mandray Soa ve ny Tenanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandray Soa ve ny Tenanao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriana ‘Mandrisika Hampiseho Fitiavana sy Hanao Asa Tsara’
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Miara-mivory ny Vahoakan’ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Mitondra Soa ho An’ny Tanora Ireo Fivoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Fivoriana Mampirisika ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara
    Ny Vavolombelon’i Jehovah—Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 8/00 p. 3-4

Mandray Soa ve ny Tenanao?

1 Olona an-tapitrisany maro amin’izao andro izao no maniry hahafantatra ny fomba handresena zava-manahirana sy hananana fiainana sambatra. Mankafy fatratra boky fampianaran-tena izy ireo, na mitodika any amin’antokon’olona sy fikambanana, mba hahazoana torohevitra ny amin’ny fomba hanatsarana ny fiainany. Angamba ny sasany afaka milaza ny soa voafetra noraisiny. Kanefa, rehefa tsaraina araka ny fiainan’ny olona amin’izao andro izao, moa ve ny olona amin’ny ankapobeny mahita fiainana milamina sy mahafa-po tanteraka, amin’ny alalan’ny fandaharam-pampianaran’olombelona? Miharihary fa tsia! — 1 Kor. 3:18-20.

2 Etsy an-danin’izany, ny Mpamorona antsika dia manome maimaim-poana ilay fampianarana mahasoa indrindra ho an’izay rehetra maniry hihaino. Irin’i Jehovah handray soa avy amin’ny fampianarany ny rehetra. Nanome tamim-pahalalahan-tanana ny Teniny ara-tsindrimandry izy, mba hitarihana ny olombelona amin’ny fahitsiana, ary nataony izay hahatonga ny vaovao tsara momba ny Fanjakany ho voatory maneran-tany. (Sal. 19:7, 8; Matio 24:14; 2 Tim. 3:16). Ny fananana fiainana tena sambatra dia mifandray mivantana amin’ny fitandremana ny didin’i Jehovah. — Isaia 48:17, 18.

3 Ny tari-dalana omen’i Jehovah dia ambony lavitra noho izay boky fampianaran-tena na fomba fanatsaran-tena rehetra, atolotr’izao tontolo izao. Afaka mahazo tena fanampiana sy soa maharitra isika, raha manararaotra amin’ny fomba feno ny fandaharan’i Jehovah voasoritra ao amin’ny Teniny sy ampianarin’ny fandaminany. — 1 Pet. 3:10-12.

4 Mandraisa soa any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona: Amin’izao andro izao, dia mampiseho fahalianana amim-pahatsorana ny hampianatra antsika ny lalany i Jehovah, ary mandray soa isika amin’ny fihainoana tsara ny fampianarany. Ireo fivoriantsika dimy isan-kerinandro dia porofon’ny fiahian’i Jehovah amim-pitiavana. Mitombo ny fahalalantsika an’Andriamanitra, rehefa manatrika ny fivorian’ny kongregasiona isika. Mianatra ny fomba hiarovan-tena amin’ny ratsy isika, amin’ny fanatonana akaiky an’i Jehovah. Amin’izany fomba izany, dia mahazo fankaherezana ny saintsika sy ny fontsika.

5 Tsy izay ihany anefa. Afaka ‘mihamalalaka’ isika any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. (2 Kor. 6:13). Voafaoka amin’izany ny fiezahana hahafantatra ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Mandray soa avy amin’ny fifampaherezana isika, toy ilay nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. (Rom. 1:11, 12). Rehefa nanoratra ho an’ireo Hebreo izy, dia nananatra mafy an’ireo izay nety ho nanjary zatra namoy ny fifaneraserana kristianina. — Heb. 10:24, 25.

6 Ny fahafaham-po mahafaly eo amin’ny fiainana dia mifandray mivantana amin’ny fahalianana amin’izay hahasoa ny hafa. Ampirisihina isika hitady fomba hanomezana fahasambarana ny hafa. Ny fivoriantsika kristianina àry dia tena mahasoa ny tenantsika sy ireo namana tsara ifaneraserantsika any. Ny takina amintsika dia ny handraisantsika anjara amim-pahatsorana.

7 Nilaza hevitra mitovy amin’izany ny apostoly Paoly, tao amin’ny toroheviny ho an’i Timoty, rehefa nanoratra izy hoe: “Mampiofàna tena amin’ny fanaovana ny fifikirana amin’Andriamanitra ho zava-kendrenao.” (1 Tim. 4:7, NW ). Afaka manontany tena toy izao isika: ‘Mampiofana ny tenako ve aho? Mianatra ny handray soa avy amin’izay reko any amin’ny fivorian’ny kongregasiona ve aho?’ Ho ‘eny’ ny valin-tenintsika, raha mitandrina izay rentsika any amin’ireo fivoriana isika, ka miezaka mafy hampihatra izay nianarantsika. Amin’ny mason’ny finoana, dia tsy maintsy ho afaka ny hijery any ambadik’ireo rahalahy manao ilay fampianarana isika, ka hahita an’i Jehovah ho ilay Mpampianatra Lehibe ny vahoakany. — Isaia 30:20.

8 Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy Fivoriana Momba ny Fanompoana: Ireo fivoriana roa ireo dia natao hanampiana antsika mba hahita vokatra eo amin’ny fanompoana kristianina. Tena izany indrindra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika — sekoly misy mpianatra izay mandray toromarika sy torohevitra tsy tapaka. Manana fahafahana hampiseho ny fandrosoanao, amin’ny maha mpandahateny ampahibemaso sy mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra anao, ianao. Mba hanovozana soa be indrindra avy amin’ilay sekoly anefa, dia tsy maintsy misoratra anarana ianao, manatrika, mandray anjara tsy tapaka, ary manao ny anjaranao amin’ny fo. Hanampy anao hanao fandrosoana ny fanekenao sy ny fampiharanao ny torohevitra nomena.

9 Ny Fivoriana Momba ny Fanompoana dia mampianatra antsika ny maha zava-dehibe ny fanompoana kristianina, no sady mampiseho amintsika ny fomba ahafahana mandray anjara amin’ilay asa fanaovana mpianatra. Moa ve ianao sy ny fianakavianao mandray soa feno avy amin’izay aseho any amin’ireo fivoriana roa ireo? Nanamarika toy izao ny mpivady kristianina iray: “Tany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana iray, dia renay fa tokony hiara-mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro ny fianakaviana. Tsy nanao izany izahay taloha, nefa ankehitriny dia efa manao.” Inona no soa azon’izy ireo? Niaiky izy ireo hoe: “Hitanay fa mahafinaritra kokoa ny resaka ifanaovanay eo am-pisakafoana. Tsy misy fifandirana intsony amin’ny fotoam-pisakafoana.” Mandray soa avy amin’ireo fivoriana ve na dia ny ankizy kely aza? Eny. Hoy ilay reny: “Miharihary fa nisy vokany lalina teo amin’ny zanakay ireo fivoriana. Tamin’ny herinandro iray, dia tratranay nandainga ny zanakay lahy enin-taona. Tamin’io herinandro io, tany am-pivoriana, anefa, dia niresaka momba ny lainga ny lahateny fampianarana. Hita teo amin’ny endriky ny zanakay lahy fa nahatsiaro tena ho meloka indrindra izy, ary nijery tany amin’ny rainy no sady nitady hiafinafina teo ambonin’ny sezany. Takany ilay hevitra, ary tsy nanan-java-manahirana momba izany intsony izahay taorian’izany.”

10 Nilaza ny anabavy mpisava lalana iray fa faly izy noho ireo fanoloran-kevitra mba hanatsarana ny fanompoantsika, omena any amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nahoana? Nanazava toy izao izy: “Nentim-pahazarana fotsiny aho. Indraindray dia mihevitra aho fa tsy handaitra ny fanipazan-kevitra ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Any amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana anefa, rehefa reko fa tokony hanandrana azy io isika, dia arehitry ny hafanam-po hampihatra ireo fanoloran-kevitra aho. Mahatonga ny fanompoana hampientam-po izany!” Herinandro maromaro taorian’ny nampiharany ilay fanoloran-kevitra mba hanandramana hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny fitsidihina voalohany, dia nanomboka fampianarana tamin’ny zazavavy iray, izay nivavaka mba hahazoany fanampiana, izy, tamin’ny fitsidihany azy io voalohany.

11 Rehefa mandre lahateny iray misy torohevitra ara-baiboly momba ny safidy ataon’ny tenanao ianao, moa ve tsapanao fa miresaka aminao mivantana i Jehovah? Nahatsapa izany ny rahalahy iray. Hoy izy: “Vao haingana izay, tany amin’ny fivoriana iray, dia nisy lahateny iray izay niresahan’ny rahalahy iray momba ny karazam-pialam-boly mety sy tsy mety ho an’ny Kristianina. Tia nijery ady totohondry tamin’ny televiziona aho. Taorian’io fivoriana io anefa, dia tsy nisalasala aho fa anisan’ny karazam-pialam-boly izay tsy hety ho an’ny Kristianina io fanatanjahan-tena io. Koa tsy mijery azy io intsony aho.” Eny, na dia nanjary tia zavatra misy herisetra aza io rahalahy io, dia nanaiky tamim-panetren-tena ny fitarihan’i Jehovah. — Sal. 11:5.

12 Ny Fivoriana Ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ary ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona: Mamelabelatra foto-kevitra ara-baiboly maro samihafa ny lahateny ampahibemaso rentsika isan-kerinandro. Inona no tovozinao avy amin’ireny lahateny ireny? Niresaka ny amin’ireo soa azony toy izao ny lehilahy kristianina iray manambady: “Nanasongadina ny vokatry ny fanahy rehetra ny lahateny ampahibemaso iray. Nanisy firesahana ny amin’ny tenany ilay mpandahateny hoe mba hambolena ireo vokatra ireo, dia nifidy toetra iray izy, ary niezaka ny hamboly azy io tao anatin’ny herinandro. Tamin’ny faran’ilay herinandro, dia nisaintsaina momba ny fandrosoany teo amin’ny fanehoana izany vokatra izany teo amin’ny zavatra nataony isan’andro, izy. Avy eo, dia niezaka namboly toetra iray hafa indray izy, nandritra ny herinandro nanaraka. Tiako ilay hevitra, ka nanomboka nanao toy izany koa aho.” Izany ka fampiharana tsara dia tsara izay nianarana!

13 Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia mampianatra antsika hampihatra ny foto-pitsipika ara-baiboly, eo amin’ny toe-javatra maro samihafa eo amin’ny fiainana. Izany dia manampy antsika hihazona saina sy fo tony, na dia eo aza ny fanahiana eo amin’ny fiainana. Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia mahatonga antsika koa haharaka hatrany ny fandroson’ny fahamarinana. Ohatra, tsy nandray soa ve isika tamin’ny fianarana ny lahatsoratra tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1999, izay nitondra ny lohateny hoe: “Tsy Maintsy ho Tonga Izany”, sy hoe “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”, ary hoe “Aoka Ianao ho Mailo sy Hazoto!” Inona no vokatr’ireo fianarana ireo teo amin’ny tenanao manokana? Asehonao amin’ny zavatra ataonao ve fa mandray am-po ny fampitandreman’i Jesosy ny amin’ny hoavy ianao? Miomana ho amin’ireo fitsapana ho avy ve ianao, rehefa hahita “ilay zavatra maharikoriko izay mahatonga faharavana (...) mitsangana eo amin’ny toerana masina” isika? (Matio 24:15-22, NW ). Moa ve ny zava-kendrenao sy ny fomba fiainanao mampiseho fa tsy ny fanangonana fananana ara-nofo no zava-dehibe indrindra aminao, fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah? Amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, moa ve isika tsy mianatra ny handray soa dieny izao?

14 Eritrereto ireo zavatra betsaka ianarantsika any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona isan-kerinandro. Amin’izao fotoana izao isika dia mianatra ny bokin’i Daniela, ao amin’ny Baiboly. Tao anatin’izay efa-bolana nianarantsika an’io boky io izay, moa ve isika tsy nahita fa nitombo ny finoantsika, isan-kerinandro? Sahala amin’i Daniela, ilay mpaminany malalan’i Jehovah, dia manatanjaka ny finoantsika isika mba hiaretantsika.

15 Mampianatra antsika mba hanana fiainana falifaly i Jehovah: Miaro tena amin’ny alahelo be isika, rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia mahafantatra izany hoe fiainana falifaly izany isika. Rehefa manaraka ny fitarihan’i Jehovah isika, dia manjary mpandray anjara amin’ny asany, fa tsy mpitazana fotsiny. Ary ireo izay manao ny asan’Andriamanitra dia olona sambatra. — 1 Kor. 3:9; Jak. 1:25.

16 Eritrereto ny fomba hampiharanao ny zavatra renao any amin’ireo fivoriana kristianina. (Jaona 13:17). Manompoa an’Andriamanitra amin-kafanam-po, sy amin’ny fonao rehetra. Ho diboky ny hafaliana ianao. Hanjary ho ampoky ny soa sy hisy heviny kokoa ny fiainanao. Eny, handray soa ny tenanao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara