FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/01 p. 1
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’ mba Hahazo Voninahitra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mampisava ny Haizina ny Fahazavana avy Amin’Andriamanitra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Araho Ilay Fahazavan’izao Tontolo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 1/01 p. 1

‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

1 Ao anatin’ny haizina ara-pitondran-tena sy ara-panahy ny tontolo manodidina antsika. Mampiharihary ny ‘asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa’ ny fahazavan’ny fahamarinana, hany ka azo atao ny miala an’ireny vato mahatafintohina sy mahafaty ireny. Noho izany, dia nampirisika ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly: “Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava”. — Efes. 5:8, 11.

2 Mifanipaka tanteraka amin’ny haizin’izao tontolo izao ny “vokatry ny mazava”. (Efes. 5:9). Mba hamokarantsika azy io, dia takina ny ahatongavantsika ho ohatra miavaka ny amin’ny fiainana kristianina, ho ilay karazan’olona ankasitrahan’i Jesosy. Tsy maintsy asehontsika koa ny toe-tsaina, toy ny fanaovan-javatra amin’ny fo manontolo, sy ny fahatsoram-po ary ny hafanam-po ho an’ny fahamarinana. Mila asehontsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy eo amin’ny fanompoantsika io vokatra io.

3 Aoka ianao hamirapiratra isaky ny misy fahafahana: Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aoka [hamirapiratra, NW ] eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo”. (Matio 5:16). Ho fanahafana an’i Jesosy, dia manome taratry ny fahazavan’i Jehovah isika, rehefa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fikasany. Mamirapiratra toy ny mpanazava isika rehefa mitsidika ny tranon’olona sy rehefa mampiely ny fahamarinana any am-piasana, na any am-pianarana, na amin’ireo mpiara-monina amintsika, na aiza na aiza ananantsika fahafahana. — Fil. 2:15.

4 Nilaza i Jesosy fa hisy hankahala ny mazava. (Jaona 3:20). Noho izany, dia tsy kivy isika raha tsy manaiky hamirapiratan’ny “fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy” ny ankamaroan’ny olona. (2 Kor. 4:4). Mamaky ny fon’ny olombelona i Jehovah, ary tsy tiany hisy olona mpanao ny tsy marina eo anivon’ny vahoakany.

5 Rehefa manaraka ny lalan’i Jehovah sy manana fahazavana ara-panahy isika, dia afaka manome taratr’izy io amin’ny hafa. Raha hitan’izy ireo eo amin’ny fitondran-tenantsika fa ‘manana ny fahazavan’aina’ isika, dia ho voatosika koa izy ireo hanao ny fiovana ilaina mba ho tonga mpitondra fahazavana. — Jaona 8:12.

6 Rehefa mampamirapiratra ny fahazavantsika isika, dia manome voninahitra an’ilay Mpamorona antsika, sady manampy olona tso-po hahafantatra azy sy hanana fanantenana fiainana mandrakizay. (1 Pet. 2:12). Koa satria manana ny fahazavana isika, dia aoka isika hampiasa azy io mba hanampiana ny hafa hahita ny lalana mivoaka avy ao amin’ny haizina ara-panahy, ka hanao ny asan’ny mazava.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara