‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
1. Inona no tombontsoa sy andraikitra ananantsika?
1 Vao mangiran-dratsy dia efa midera an’i Jehovah Andriamanitra ny hazavana, mandra-pilentiky ny masoandro. Tian’i Jesosy hanana karazana hazavana hafa anefa ny mpianany, dia “ny fahazavana manome fiainana.” (Jaona 8:12) Tombontsoa ny manana azy io, nefa andraikitra lehibe koa. Hoy i Jesosy: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo.’ (Mat. 5:16) Ao anatin’ny haizina ara-panahy ny olona maro ankehitriny, ka tena mila mizara an’io hazavana io isika! Ahoana àry no hampamirapiratantsika ny fahazavantsika, toy ny nataon’i Kristy?
2. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ny mizara ny hazavana ara-panahy?
2 Amin’ny fitoriana: Nampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary izay nananany i Jesosy, mba hizarana ny fahazavan’ny fahamarinana. Nandeha tany amin’izay nisy olona izy, na tany an-trano, na teny an-tsena, na teny an-tampon-tendrombohitra aza. Fantany fa hitondra soa mandrakizay ny hazavana ara-panahy. (Jaona 12:46) Nampiofaniny mihitsy ny mpianany mba hitory amin’ny olona maro kokoa, ka ho “fahazavan’izao tontolo izao.” (Mat. 5:14) Nampamirapiratra ny fahazavany izy ireo, ka nanao soa sady nitory ny fahamarinana.
3. Ahoana no hampisehoantsika fa zava-dehibe ny fahazavan’ny fahamarinana?
3 Mitory any amin’izay ahitana olona koa isika, satria raisintsika ho adidy ny ‘mampiseho fa zanaky ny mazava’ isika. (Efes. 5:8) Azo atao, ohatra, ny mamaky Baiboly na boky aman-gazety mandritra ny fiatoana, ary atao hitan’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra. Mety ho afaka hitory isika amin’izay. Nanao izany ny anabavy kely iray, ka afaka nanomboka fampianarana Baiboly, ary nahapetraka boky 12 tamin’ny mpiara-mianatra!
4. Nahoana isika no tokony hitondra tena tsara?
4 Amin’ny asa tsara: Mampamirapiratra ny fahazavantsika koa isika rehefa mitondra tena tsara isan’andro. (Efes. 5:9) Voamariky ny olona izany any an-tsekoly, na any am-piasana, na any an-toeran-kafa, ka afaka mitory isika. (1 Pet. 2:12) Hendry be, ohatra, ny zazalahy iray dimy taona. Voamariky ny mpampianatra azy izany, ka hoy izy tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza: “Tsy voatarika hanao ratsy mihitsy ny zanakareo. Mbola tsy nahita zaza hoatr’izany mihitsy aho!” Misarika ny olona ho amin’ilay “fahazavana manome fiainana” tokoa ny fitoriana sy ny fitondran-tena tsara, sady midera an’Andriamanitra!