Fitafiana sy Fisehoana Ankapobe Maotina
1 “Manao karavato ny lehilahy rehetra, na dia ny ankizilahy kely aza. Manao akanjo na zipo ny vehivavy rehetra, na dia ny ankizivavy kely aza. Tsy misy manao pataloa jinina sy lobaka fotsiny. Miramirana daholo ny olona eto.” Izany no nolazaina tamin’ny filazam-baovao. Iza izany vahoaka resahiny izany? Vahoaka nandritra ny fivoriana ara-politika ve, sa lalao fanatanjahan-tena sa rindran-kira rock? Tsy izany velively! Rahalahy sy anabavy maro be tao amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny taon-dasa no noresahiny.
2 Toy izao koa ny filazan’ny mpanao gazety iray, momba ireo Vavolombelona tao amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hafa, tao amin’ny tanàna iray: “Madio tsara daholo ny lehilahy ary manao kompile sy karavato. Maotina nefa mihaja ny akanjon’ny vehivavy.” Hoy koa ny lehilahy mpiambina iray, rehefa nandinika: “Vahoaka mahalala fomba ianareo sady manaja olona ary madio sy milamina. Tena mahafinaritra. Niezaka ianareo hanilika ny loto eto amin’ity tontolo voretra ity!” Teny fiderana tsara dia tsara ho antsika izany! Tsy velom-pankasitrahana ve isika rehefa mahazo fiderana toy izany ny fianakavian’ny mpirahalahy misy antsika? Azo antoka fa ny fisehoana ankapobe mendrika nananan’ny Vavolombelona tsirairay no nahatonga ireny tatitra tsara ireny.
3 Fantatry ny olona maneran-tany fa tena miavaka ny fisehoantsika ankapobe. (Mal. 3:18) Nahoana? Satria isika manaraka ny torohevitry ny Soratra Masina mba “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny [fahendrena, Fandikan-teny Katolika], . . . araka izay mahamendrika [ireo] manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.”—1 Tim. 2:9, 10.
4 Mampiseho inona momba anao ny fitafianao sy ny fisehoanao ankapobe? Ahitana tsara ny maha isika antsika ny fomba fiakanjontsika. Hita avy amin’izany ny zavatra inoantsika sy ny toetrantsika ary ny toe-tsaintsika. Fantatra amin’ny fomba fiakanjo fidintsika ny maha isika antsika sy ny foto-kevitra ijoroantsika. Tsy tokony ho isika mihitsy no hampandroso ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena maharikoriko, izay ataon’izao tontolo izao ho malaza ankehitriny. Tsy ny fomba fiakanjo tena lamaody no zava-dehibe amintsika, fa ny hoe inona no fomba fiakanjo mendrika ny mpanompon’Andriamanitra. (Rom. 12:2) Tsy tiantsika ny hifidy fisehoana ankapobe mampiseho toe-tsaina tsy tia fiankinana na fitondran-tena ratsy. Tiantsika kosa ny hampiseho fa tena ‘mankalaza an’Andriamanitra’ isika.—1 Pet. 2:12.
5 Indraindray, dia mety ho tia ny fitafiana sy fisehoana ankapobe aroson’ity tontolo ity ireo vaovao sy ireo tanora fanahy, na ireo malemy ara-panahy. Tsy ao an-tsain’izy ireo mantsy hoe ahoana no fitsaran’ny olona an’i Jehovah sy ny fandaminany, rehefa manao izany izy ireo. Mila mandini-tena isika rehetra, sao dia nisy fiantraikany teo amintsika ny toe-tsain’izao tontolo izao. Azontsika atao ny manatona rahalahy na anabavy matotra ara-panahy, ary mangataka azy hilaza amim-pahatsorana ny fahitany ny fomba fitafy sy fisehoantsika ankapobe. Diniho tsara avy eo ny soso-kevitra omeny.
6 Manaiky tsara ny olona sasany fa tokony hotandremany ny fomba fitafiny mandritra ny fivoriambe. Kanefa, mety tsy hiraharaha loatra an’izany izy ireo rehefa mirava ny fivoriambe. Manaraha foana fari-pitsipika ambony, araka izay mahamendrika ny mpanompo kristianina. (2 Kor. 6:3, 4) Na aiza na aiza ahitan’ny olona antsika, dia ny karatry ny fivoriambe miaraka amin’ny fitafiana sy fisehoana ankapobe mendrika no ahafantarana antsika ho Vavolombelon’i Jehovah. Tokony hilamina tsara sy ho maotina foana àry ny akanjontsika, mba hampisehoana fa “tsy naman’izao tontolo izao” isika.—Jaona 15:19.
7 Hiezaka isika amin’ity taona ity, mandritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”, mba hanaporofo amin’ny olona fa isika dia “firenena masina ho an’i Jehovah [Andriamanitsika].” Hanaitra ny olona izany ka vao mainka “ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra” ho an’i Jehovah.—Deot. 26:19.
[Efajoro, pejy 6]
Ahoana no Hiderana An’i Jehovah:
■ Manaova fitafiana mahamendrika ny mpanompon’Andriamanitra.
■ Aza manao ny fomba fitafy araka ny toe-tsain’izao tontolo izao.
■ Aoka ianao ho maotina satria mampiseho fahendrena izany.