FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/08 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Valin’ireo fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Nahoana no Zava-dehibe ny Fiakanjontsika sy ny Paozintsika?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 3/08 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Tokony hanao ahoana ny fitafiana sy ny taovolontsika, rehefa mitsidika Betela isika, na Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe?

Natokana hanaovana fanompoana ho an’i Jehovah ireny trano ireny, na aiza na aiza misy azy. Tsotra izy ireny, madio, ary voakojakoja tsara, ka tena mendri-kaja. Mifanohitra be amin’izany ny zavatra fahita eo amin’ny tontolon’i Satana. Tokony hiharihary àry hoe mpanompon’i Jehovah sady olona manao ny sitrapony, ireo mitsidika an’ireny toerana ireny.

Kristianina isika ka ‘mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra’ amin’ny zava-drehetra. Anisan’izany ny fitafiana sy ny taovolo mendrika. (2 Kor. 6:3, 4) Mila mahalala fomba koa isika. Tokony ho mendrika ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ny fitafiana sy ny taovolontsika amin’ny fotoana rehetra, indrindra rehefa mitsidika ny foibe any New York, na ny biraon’ny sampana hafa isika.

Resahin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, fa zava-dehibe ny fitafiana sy taovolo mendrika. Resahiny fa tokony hadio ny vatantsika, ary tokony ho maotina sy hilamina ny fitafiana sy taovolontsika, rehefa manao fanompoana na manatrika fivoriana. Izao koa no voalaza ao amin’ny pejy 138, fehintsoratra faha-3: “Tadidio fa midika hoe ‘Tranon’Andriamanitra’ ny hoe Betela. Tokony ho toy ny rehefa manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana àry ny fitafiana sy taovolo ary fihetsitsika any.” Mila manaraka an’io fitsipika tena tsara io ireo mpitory mitsidika Betela, na avy lavitra izy na akaiky. Asehon’izy ireo amin’izany fa manaja sy mankasitraka an’ilay toerana izy ireo.—Sal. 29:2.

Aoka ho fitafiana mendrika ny olona “milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra” no hanaovantsika. (1 Tim. 2:10) Hanaja ny fivavahana marina ny olona, rehefa hitany fa mendrika ny fitafiana sy ny taovolontsika. Voamarika anefa tato ho ato, fa misy rahalahy sy anabavy manao akanjo fitena, na misaritaka, na mampihanjahanja, rehefa mitsidika Betela, na Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe. Tsy tokony hanao fitafiana baranahiny mihitsy ny Kristianina, amin’ny fotoana rehetra. Irintsika ny hanaraka foana an’ireo fitsipika tena tsara, izay mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ity tontolo ity. Hampihatra izany isika na eo amin’ny resaka fitafiana sy taovolo, na amin-javatra hafa. Tiantsika mantsy ny hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra.—Rom. 12:2; 1 Kor. 10:31.

Ireto àry ny fanontaniana tsara hoeritreretina, rehefa hitsidika ny tranon’ny sampana eto amintsika, na any New York, na any an-tany hafa ianao: ‘Maotina ve ny fitafiana sy ny taovoloko, ka mifanentana amin’ilay toerana madio sy mendrika hotsidihiko? Manome voninahitra an’ilay Andriamanitra ivavahako ve ny fitafiana sy ny taovoloko? Misarika ny sain’ny olona na manafintohina ve ilay izy?’ Tokony hametraka an’ireo fanontaniana ireo isika, na hitsidika an’ireo trano ireo no anton-diantsika, na hanao vakansy ao amin’ilay tanàna fotsiny. “Hampamirapiratra ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra” isika amin’izay!—Tit. 2:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara