Manàna Tanjona Ara-panahy
1 Tena ho voninahitra tokoa ny hidera an’i Jehovah mandrakizay! Mba hahatongavantsika amin’io tanjona io, dia azontsika atao dieny izao ny manana tanjona ara-panahy sy miezaka manatratra azy ireny. Manampy antsika hahay hampiasa ny herintsika izany. (1 Kor. 9:26) Inona avy no tanjona azonao tratrarina?
2 Fianarana Baiboly: Manomana ny fivoriana tsirairay ve ianao? Raha eny, manokana fotoana hanaovana fikarohana sy hisaintsainana ve ianao amin’izany? Ohatra, manipika ny valiny fotsiny ve ianao rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana na ny Fianarana Boky isan-kerinandro, sa jerenao koa ireo andinin-teny voatonona sady saintsaininao ny antony nanomezana ireo fanazavana? Nahoana raha manao ho tanjona ny hikaroka hevi-dehibe sasany avy amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro atao mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana? Mitaky fotoana sy ezaka izany fikarohana izany, nefa hitondra valisoa ara-panahy be dia be.—Ohab. 2:4, 5.
3 Fivorian’ny fiangonana: Tanjona iray koa ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana dimy. Manjary matanjaka sy miray saina ny fiangonana rehefa tonga aloha kokoa isika mba hifanerasera amin’ny mpiray finoana amintsika sy handray anjara amin’ny hira sy ny vavaka. Afaka miezaka manome valin-teny koa isika amin’ny fivoriana tsirairay, ary hanao izay hanatsarana izany. Azonao aseho angamba hoe inona no ifandraisan’ilay andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra sy ny hevitra miaraka aminy. Azonao asongadina koa ny fomba azo ampiharana ilay hevitra eo amin’ny fiainana andavanandro.—Heb. 10:24, 25.
4 Fanompoana eny amin’ny saha: Tena hihatsara ny fanompoantsika raha manana tanjona isika. Efa misy ora eritreretinao hatokana amin’ny fanompoana ve isam-bolana? Nanampy ny mpitory sasany izany. Sa afaka manatsara ny lafiny sasany amin’ny fanompoanao ianao? Ohatra, mampiasa Baiboly rehefa mitory isan-trano, manomana tsara kokoa alohan’ny hanaovana fiverenana mitsidika, miezaka manomboka fampianarana Baiboly, na manao izay hahatonga ny fampianarana hisy vokany kokoa.
5 Ry ray aman-dreny, mampirisika ny zanakareo hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve ianareo? Ampio izy ireo hahita fa ny fahatongavana ho mpisava lalana, misionera na anisan’ny fianakavian’ny Betela no fomba tsara indrindra hampisehoany fa tena mankasitraka an’i Jehovah izy.—Mpit. 12:1.
6 Ho faly kokoa isika amin’ny fanompoantsika sady hampahery ny hafa, raha mandinika ny zavatra ataontsika, ka miezaka manana tanjona ara-panahy ary manao izay hahatratrarana azy ireny.—Rom. 1:12.