Tokony Hojerenao Ilay Video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra
Mahalala tsara an’ireo fomba fitsaboana tsy ampiasana ra azonao isafidianana ve ianao? Fantatrao ve ny sasany amin’ireo fomba fitsaboana azo asolo ny fampidiran-dra, sy ny fiasan’izy ireny? Jereo ilay video, ary tsapao amin’ireto fanontaniana ireto ny fahalalanao: (Fanamarihana: Tokony hahay handanjalanja ny ray aman-dreny raha miara-mijery an’io video io amin’ny zanany kely, satria misy sarina dokotera eo am-panaovana fandidiana izy io, indraindray.)
1) Inona no antony lehibe indrindra tsy haneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hampidiran-dra, ary aiza ao amin’ny Baiboly no ahitana izany toro lalana izany? 2) Inona no fitsaboana tianao? 3) Inona no zo ananan’ny marary? 4) Nahoana no tsara sy mahasoa ny mandà fampidiran-dra? 5) Inona avy ireo zavatra roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana, rehefa misy fahaverezan-dra be? 6) Inona no loza ho an’ny fahasalamana ateraky ny fampidiran-dra? 7) Inona no sasany amin’ireo fitaovana ananan’ny dokotera mpandidy, mba hampihenana ny ra very mandritra ny fandidiana? 8) Inona ireo fanazavana tokony ho fantatrao momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra? 9) Afaka manao fandidiana lehibe sy sarotra, nefa tsy ampiasana ra ve ny dokotera? 10) Vonona hanao inona ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny dokotera maro be, ary inona amin’ny farany no ho fenitra harahina amin’ny marary rehetra?
Tsy isalasalana fa tena hahasoa ny hijerena ny video Tsy Mampiasa Ra, miaraka amin’ny olona ampianarina Baiboly, ny vady tsy Vavolombelona na havana, ny mpiara-miasa, ny mpampianatra, ary ny mpiara-mianatra, izay mety ho nametraka fanontaniana mahakasika ny toerana tanantsika momba ny ra. Ny tsirairay no hanapa-kevitra rehefa avy nandinika tsara, raha hanaiky ny iray amin’ireo fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy, na tsia.—Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona sy 15 Oktobra 2000.