Mandraisa Soa avy Amin’ny Video Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra
Fantatrao tsara ve hoe inona avy ireo karazana fitsaboana tsy ampiasana ra? Fantatrao ve ny sasany amin’ireo fanafody azo atao solon’ny fampidiran-dra, sy ny fomba fiasany? Jereo ilay video, ary diniho raha voavalinao ireto fanontaniana ireto. (Fanamarihana: Tokony hahay handanjalanja ny ray aman-dreny raha hamela ny zanany kely hijery an’ilay video na tsia, satria ahitana sarina dokotera manao fandidiana izy io.)
1) Inona no tena antony andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampidiran-dra, ary aiza no ahitana izany toro lalana izany ao amin’ny Baiboly? 2) Karazana fitsaboana manao ahoana no irintsika? 3) Inona no zo lehibe indrindra ananan’ny marary? 4) Nahoana no tsy azo lazaina ho manaonao foana, na tsy mieritreritra tsara, ny olona mandà fampidiran-dra? 5) Inona ireo zava-dehibe roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana rehefa be dia be ny ra very? 6) Inona avy no loza mety hateraky ny fampidiran-dra? 7) Inona no fitaovana sasany ampiasain’ny mpandidy, mba ho kely araka izay azo atao ny ra very? 8) Inona no tokony hofantarinao momba ny fitsaboana atao solon’ny fampidiran-dra? 9) Mahavita manao fandidiana lehibe sy sarotra ve ny dokotera, nefa tsy mampiasa ra? 10) Vonona hanao inona ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitsabo mihamaro isa hatrany, ary inona no mety ho lasa fomba mahazatra hitsaboana ny marary rehetra any aoriana?
Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004, p. 22-24, 29-31; sy ny 15 Oktobra 2000, p. 30-31.