Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
1 Nilaza mialoha i Jesosy fa hampahorina ny mpianany. (Matio 24:9) Ahoana anefa no tokony hiheverantsika ny fisedrana? Ary inona no hanampy antsika hiaritra fahoriana? Hovaliana ireo fanontaniana ireo mandritra ny fivoriamben’ny faritra, amin’ny taom-panompoana 2004. Izao no ho foto-kevitra: “Mifalia Amin’ny Fanantenana. Miareta Fahoriana.”—Rom. 12:12.
2 Lahateny mifampitohy anankiroa: Hiresaka ny fomba hamokarantsika ilay lahateny mifampitohy voalohany, hitondra ny lohateny hoe: “Mamoaza Amin’ny Fiaretana.” Hisy fanadinadinana mpitory vitsivitsy izay mahatsapa fa asa maika ny fitoriana sy fampianarana. Ny ray aman-dreny dia asaina hihaino tsara an’ilay fizarana hoe: “Rehefa Faizin’i Jehovah.” Horesahina amin’io mantsy ny fomba hahaizan’izy ireo mampisaintsaina ny zanany. Hasongadin’ilay mpandahateny farany amin’io lahateny mifampitohy io kosa, ny tsy maintsy ataontsika mba tsy hibahan-toerana tsikelikely ao amintsika ny fanahian’izao tontolo izao, ka hisakana antsika tsy hamokatra.—Marka 4:19.
3 Ny hoe: “Mihazakazaha Amim-paharetana” kosa no lohatenin’ny lahateny mifampitohy faharoa. Haseho ao fa mitovy amin’ny hazakazaka ny fiainantsika. Nahoana isika no mila manaraka ny fitsipi-dalao? Ary ahoana no hanesorantsika tanteraka izay manavesatra sy mandreraka, amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana? Ara-potoana sy hanampy antsika rehetra hihazakazaka amim-piaretana ireo andinin-teny horesahina mandritra io lahateny io.
4 Ankasitrahan’Andriamanitra isika rehefa miaritra: Hanatanjaka ny finoan’ireo mihaino sy mampihatra torohevitra ny lahatenin’ny mpiandraikitra mpitety faritra. Iray amin’ny lahatenin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra koa ny hoe: “Mahatonga ny Fankasitrahan’Andriamanitra ny Fiaretana.” Hovaliana mandritra ny lahateny ho an’ny besinimaro kosa ireto fanontaniana ireto: Ny anaran’iza no tokony hantenain’ny firenena? Ary inona no dikan’izany? Ny lahateny famaranana kosa dia hoe: “Raha Miaritra Ianareo dia ho Voavonjy.” Haseho ao hoe ahoana no niaretan’i Jesosy tamim-pifaliana ny tsy rariny.
5 Ento ny boky Sekolin’ny Fanompoana, sy ny Tilikambo Fiambenana hianarana amin’io herinandro io. Mandraisa koa an-tsoratra satria hanampy anao hifantoka izany, ary hilainao any aoriana. Hisy famerenana ny fandaharana, any amin’ny fivorian’ny fiangonana.
6 I Jehovah mihitsy no nanomana an’io sakafo ara-panahy tondraka io. Tongava àry ka mazotoa homana! Hihoby noho ny faharavoam-po isika, raha tonga mba handray soa amin’ny fandaharana rehetra.—Isaia 65:14.