Mandray Fitahiana Ireo Manao ny Asan’ny Mpisava Lalana
1 Hoy ny mpisava lalana iray: “Fantatro fa tsy ho nisy mihitsy asa hafa hahafa-po ahy mihoatra noho ny hoe manambara ny fahamarinana amin’ny olona.” Hoy koa ny mpisava lalana iray hafa: “Mamy ny torimasoko, ary diboky ny hafaliana ny foko isaky ny mifarana ny andro iray.” Misolo tena an’ireo rahalahy sy anabavy maneran-tany, izay manao an’io asa io ireo mpisava lalana roa ireo, miresaka ny fitahiana raisina amin’ilay asa.—Ohab. 10:22.
2 Tena mahafa-po ny manampy olona handray fahalalana mamonjy aina, izay hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Asa. 20:35; 1 Tes. 2:19, 20) Hoy ny nosoratan’ny rahalahy iray, mpisava lalana hatramin’ny ela: “Mahafinaritra sy manatanjaka ny finoana ny mahita ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, izay manosika ny olona hanova ny fomba fiainany.” Eny, mandray fitahiana toy izany ny mpisava lalana, satria izy vonona hanampy ny olona, ka mampianatra azy ireo ny Baiboly.
3 Miantehera amin’i Jehovah: Miantehitra isan’andro amin’ny fanahin’Andriamanitra ny mpisava lalana, eo amin’ny fanompoany. Sady manampy azy ireo hamboly ny “vokatry ny fanahy” mantsy izany no miaro azy ireo koa. (Gal. 5:16, 22, 23) Zatra mampiasa ny Tenin’Andriamanitra koa ny mpisava lalana, ka hainy erỳ matetika ny mampiasa azy io hiarovana ny fahamarinana sy hanatanjahana ny olona. (2 Tim. 2:15) Hoy ny rahalahy iray, efa mpisava lalana hatramin’ny am-polo taona: “Nanampy ahy hahazo fahalalana lalina momba ny Baiboly ny asan’ny mpisava lalana, ary nampiasaiko izany hanampiana olona maro hahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany.” Izany ka fahafaham-po!
4 Mila miantehitra amin’i Jehovah amin’ny lafin-javatra maro koa ny mpisava lalana maharitra. Manatanjaka ny finoan’izy ireo ny mahita fa tahin’i Jehovah ny ezaka ataony hahazoana izay zavatra ilainy. Hoy ny rahalahy iray 72 taona, mpisava lalana maharitra nandritra ny 55 taona: “Mbola tsy nandiso fanantenana ahy mihitsy i Jehovah.” Voaro amin’ny fanahiana maro koa ny mpisava lalana satria manatsotra ny fiainany. Tsy manintona anao ve izany?—Matio 6:22; Heb. 13:5, 6.
5 Manatòna an’Andriamanitra: Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no zava-tsarobidy indrindra ananantsika. (Sal. 63:3) Mihamafy io fifandraisana io, rehefa atosiky ny fitiavana azy isika ka manao izay azontsika atao eo amin’ny fanompoana. (Jak. 4:8) Hoy ny rahalahy iray, mpisava lalana nandritra ny 18 taona mahery: “Afaka manandrana sy mahita ny hatsaran’i Jehovah isika raha manao ny asan’ny mpisava lalana, ka mihamatanjaka isan’andro ny fifandraisantsika amin’ilay Mpamorona antsika.”—Sal. 34:8.
6 Ilain’ireo manao ny asan’ny mpisava lalana aloha ny manana fahafahana hanao an’io asa io. Tokony hanana finoana matanjaka sy fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona koa anefa izy ireo, ary ho vonona hanao sorona. (Matio 16:24; 17:20; 22:37-39) Miramirana foana ireo mpisava lalana eran-tany, ka mampiseho izany fa betsaka ny fitahiana raisiny, raha oharina amin’ny sorona ataony. (Mal. 3:10) Tsy ireo mpisava lalana ihany no mandray izany fitahiana izany. Tena mandray soa betsaka amin’ny toe-tsaina tsara asehon’izy ireo koa ny fianakaviany sy ny fiangonana.—Fil. 4:23.
[Fanontaniana]
1, 2. Inona avy ireo fitahiana entin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana, ary nahoana?
3, 4. Nahoana ny asan’ny mpisava lalana no mampianatra antsika hiantehitra amin’i Jehovah, ary nahoana izany no hanampy antsika handroso ara-panahy?
5. Nahoana no manampy antsika hanatona an’i Jehovah ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana?
6. Inona no tokony hananan’ny mpisava lalana, ary iza koa no mandray soa ankoatra azy ireo?