Ampiasao ny Boky Mivavaha mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
Natao hanampiana ny vaovao mba handroso amin’ny fahamarinana sy hampitombo ny fankasitrahany an’i Jehovah sy ny fandaminany, ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Azo ampiasaina ho toy ny boky fianarana voalohany izy io, rehefa nahavita ny bokikely Takina sy ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay ny olona ampianarina Baiboly. Hoy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2000, pejy 4: ‘Raha miharihary ny fandrosoana ataon’ny olona iray, na dia miadana aza, ary mankasitraka izay ianarany izy, dia tohizo ilay fampianarana Baiboly, amin’ny alalan’ny boky faharoa iray, rehefa vita ny boky Fahalalana. . . . Amin’ny toe-javatra rehetra, dia ny bokikely Takina no hianarana voalohany. Tokony hisaina sy hanaovana tatitra ilay fampianarana Baiboly sy ny fiverenana mitsidika ary ny fotoana lany hanohizana ilay fampianarana, na dia efa vita batisa alohan’ny hahavitan’ilay boky faharoa aza ilay mpianatra.’
Iza koa no afaka mandray soa avy amin’ny fianarana Baiboly amin’ny boky Mivavaha? Hoy ihany io lahatsoratra io: “Raha toa ianao ka mahalala olona nianatra ny boky Fahalalana tamin’ny lasa, nefa tsy nandroso hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, dia azonao atao ny manapa-kevitra samirery ny hijery raha tiany ny hanohy indray ny fianarany Baiboly.” Aoka àry isika hiezaka hanomboka fampianarana amin’ny boky Mivavaha amin’ny olona toy izany, mandritra ny Martsa sy Aprily.