Fomba Fitoriana any Amin’ny Faritany be Fandraharahana
1 Te hitory any amin’ny faritany tia mandray olona sy ahitana olona matetika ve ianao? Mety ho afaka hanao izany ianao, na dia ao amin’ny faritanin’ny fiangonanareo aza. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa mitsidika ireo toerana be fandraharahana. Matetika ny mpitory no mahita vokatra tsara rehefa mitory eny amin’ireo magazay.
2 Misy faritra be fandraharahana ny faritanin’ny fiangonana sasany. Mety hanomana sarintany manokana ho an’ireny faritra ireny ilay rahalahy miandraikitra ny faritany. Tokony ho voamarika ao amin’ny Sarin’ny Faritany fa tsy itoriana miaraka amin’ireo trano fonenana ny toeram-pandraharahana. Azo itoriana amin’ny fotoana iray ihany anefa ny faritany be fandraharahana sy ny trano fonenana, any amin’ny faritra sasany. Raha mbola tsy nitory tany amin’ny toerana be fandraharahana mihitsy ianao, dia manomboha amin’ny magazay kelikely sasantsasany.
3 Mampiasà tari-dresaka tsotra: Ilaina ny miakanjo toy ny rehefa handeha hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa mitory eny amin’ny magazay. Tsara koa raha amin’ny fotoana tsy mahabetsaka ny olona, na rehefa tsy misy mpividy mihitsy isika vao miditra. Mangataha hiresaka amin’izay lehibe na tompon’andraikitra ao. Ataovy fohy sy voafaritra tsara ny resakao. Inona no azonao lazaina?
4 Afaka milaza toy izao ianao, rehefa miresaka amin’ny mpandraharaha: “Fantatray, tompoko, fa tena be atao ny mpandraharaha tahaka anao, ka matetika no tsy tratra an-trano. Izany no antony itsidihanay anao atỳ am-piasana. Miresaka momba ny zava-miseho ankehitriny eran-tany ny gazetinay.” Avy eo dia asongadino ny hevitra iray ao amin’ilay gazety.
5 Azonao atao koa ny manandrana ity tari-dresaka tsotra ity: “Betsaka ny olona te hahafantatra tsara ny Baiboly, nefa tsy manam-potoana firy. Hazavain’ity taratasy mivalona ity fa azonao atao ny mianatra Baiboly maimaim-poana, mba hahitanao ny valin’ny fanontanianao momba ny Baiboly.” Avy eo izy dia sariho ho eo amin’ny pejy 4-5 amin’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?
6 Mety hanolotra taratasy mivalona fotsiny ianao, raha hitanao fa sahirana ilay olona, ary hilaza hoe: “Handalo indray aho amin’ny manaraka, rehefa tsy sahirana loatra ianao. Tiako ho fantatra mantsy ny hevitrao momba ity taratasy mivalona ity.”
7 Kolokoloy ny fahalianana: Angamba ho afaka hitarika fampianarana Baiboly any amin’ny faritany be fandraharahana mihitsy ianao. Nisy mpisava lalana manokana nanatitra gazety tsy tapaka tany amin’ny mpandraharaha iray. Rehefa nankasitraka izay novakiny ilay lehilahy, dia nasehon’ilay mpisava lalana taminy ny fomba ianarana Baiboly, tamin’ny fampiasana ny bokikely Takina. Natomboka tao amin’ny toeram-piasan’ilay lehilahy mihitsy ilay fampianarana. Nahay nandanjalanja anefa ilay mpisava lalana, ka tsy nandany afa-tsy 10 na 15 minitra ry zareo, isaky ny mianatra. Enga anie isika koa, hanohy hitady ireo olona mendrika, ka hitory any amin’ny faritany be fandraharahana.
[Fanontaniana]
1. Inona no maha tsara ny fitoriana any amin’ny toerana be fandraharahana?
2. Ahoana no azo andaminana ny fitoriana any amin’ny toerana be fandraharahana?
3. Inona no hanampy antsika hahomby rehefa mitory any amin’ny faritany be fandraharahana?
4-6. Inona no azontsika lazaina rehefa miresaka amin’ny mpandraharaha?
7. Ahoana no azontsika anolokoloana ny fahalianan’ny olona hitantsika eny amin’ny faritany be fandraharahana?