FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/04 p. 4
  • Ampiasao Tsara ny Baibolinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara ny Baibolinao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanterahinao Amin’ny Fomba Feno ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fizarana 3—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Fahaizana Mampiditra Andininy
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 9/04 p. 4

Ampiasao Tsara ny Baibolinao

1 Na inona na inona boky na gazety kasainao hatolotra eny am-pitoriana, dia tsara ny mifidy andinin-teny mampisaintsaina, mba horesahinao amin’ireo hihaino anao. (Heb. 4:12) Ho mora ny hanolotra ilay boky na gazety, raha andinin-teny avy ao ihany no fidinao. Hitan’ny mpitory any amin’ny faritra sasany fa tsara ny mivimbina Baiboly, rehefa manatona olona na mitory isan-trano.

2 Atombohy amin’ny andinin-teny ny resaka: Misy mpitory mametraka fanontaniana tsotra miorina amin’ny andinin-teny, rehefa manombo-dresaka. Vakiny avy eo ilay andininy, ka misarika avy hatrany ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Mety handaitra ao amin’ny faritaninareo ve ny sasany amin’ireto fampidiran-dresaka ireto?

◼ “Hanala ireto zavatra ireto ve ianao, raha manana hery hanaovana izany?” Vakio ny Apokalypsy 21:4.

◼ “Nahoana isika no mandia fotoan-tsarotra toy izao?” Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.

◼ “Heverinao ve fa ho tsara kokoa ny fiaraha-monina misy antsika, raha manaraka ity torohevitra ity ny rehetra?” Vakio ny Matio 7:12.

◼ “Heverinao ve fa hahita ny toe-piainana voalaza eto ny zanakao?” Vakio ny Salamo 37:10, 11.

◼ “Heverinao ve fa ho tanteraka ireto teny ireto indray andro any?” Vakio ny Isaia 33:24.

◼ “Efa mba renao ve fa hiova araka ny voalaza eto ny fitondram-panjakana?” Vakio ny Daniela 2:44.

◼ “Efa mba naniry hametraka ity fanontaniana ity tamin’Andriamanitra ve ianao?” Vakio ny Joba 21:7.

◼ “Mbola mety ho hitantsika indray ve ireo havan-tiantsika nodimandry?” Vakio ny Jaona 5:28, 29.

◼ “Fantatry ny maty ve izay ataon’ny velona?” Vakio ny Mpitoriteny 9:5.

3 Hazavao, manomeza ohatra, ary lazao ny fomba ampiharana azy: Aza maika hamita ilay dinidinika, raha vonona hiresaka ilay olona. Makà kosa fotoana mba hanazavana, hanomezana ohatra, ary lazao ny fomba ampiharana ilay andinin-teny vakinao, mba ho azony tsara. (Neh. 8:8) Mety hanao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany mantsy ny olona, raha azony tsara sy ekeny izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra.—1 Tes. 2:13.

4 Ampiasao tsara foana ny Baibolinao rehefa manampy olona liana. Azonao ampiasaina àry ireto fomba ireto rehefa manao fiverenana mitsidika: 1) Mifidiana andinin-teny mifanentana tsara. 2) Mametraha fanontaniana mba hahalalana ny heviny momba ilay andinin-teny, ary vakio ilay izy. 3) Hazavao, manomeza ohatra, ary lazao ny fomba ampiharana an’ilay andinin-teny. Miezaha hampitombo ny fahalalan’ilay olona ny Tenin’Andriamanitra, isaky ny mitsidika azy ianao. Tsy ela aorian’izay, dia mety hanomboka fampianarana Baiboly ianao!

[Fanontaniana]

1. Inona avy no azonao atao mba hiomanana ho amin’ny fanompoana?

2. a) Ahoana no azontsika anombohan-dresaka amin’ny alalan’ny andinin-teny? b) Inona avy no foto-kevitra ara-baiboly mahaliana ny olona ao amin’ny faritanintsika?

3. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona hahazo tsara ny andinin-teny vakintsika?

4. Inona no azontsika atao mba hampiasana tsara ny Baiboly mandritra ny fiverenana mitsidika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara