Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Teny Hodinihina Isan’andro
1 Miezaka mafy ny ray aman-dreny be fitiavana, mba hanome sakafo mahavelona ho an-janany isan’andro. Vao mainka aza zava-dehibe kokoa noho izany, ny fanomezana azy ireo sakafo ara-panahy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 4:4) Hanjary hazoto homana ara-panahy sy ‘hitombo ho amin’ny famonjena’ ny zanakao, raha maka fotoana ianareo mianakavy isan’andro, mba hiarahana mandinika ny andinin-teny sy ny fanazavana ho an’ny andro. (1 Pet. 2:2) Aiza ho aiza ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fianakavianao no azonao ampidirana an’izany?
2 Mandritra ny sakafo: Ho afaka hahatsiaro an’i Jehovah mandritra ny andro manontolo ny fianakavianao, raha atombokareo amin’ny fandinihana ilay andinin-teny ny andronareo. (Sal. 16:8) Namaky sy nandinika tsy tapaka ny andinin-teny sy ny fanazavana ho an’ny andro niaraka tamin’ny zanany lahy ny vehivavy iray, isaky ny nisakafo maraina. Nivavaka foana koa izy mianaka talohan’ny handehanan’ilay zanany hianatra. Nanampy ny zanany izany mba tsy hanaiky lembenana tamin’ny fanindrahindram-pirenena, mba hanohitra ny fitaomana hanao ratsy, ary hanana herim-po hitory tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Izy irery no Vavolombelona tao amin’ilay sekoly, nefa tsy nahatsapa tena ho irery mihitsy izy.
3 Ahoana raha tsy afaka miara-mandinika ilay andinin-teny ianareo ny maraina? Azo atao amin’ny hariva izany, angamba mandritra ny fiaraha-misakafo. Mitantara zava-nitranga teny amin’ny fanompoana, na hevitra nahafinaritra azy tamin’ny famakiany Baiboly koa ny mpianakavy sasany amin’izay. Tsaroan’ny maro ho anisan’ny fotoana tena nahafaly indrindra niarahany tamin’ny fianakaviany ireny fiaraha-misakafo ireny.
4 Amin’ny alina: Ho an’ny fianakaviana sasany indray, dia amin’ny alina alohan’ny hatoriana, no fotoana mety indrindra handinihana ny andinin-teny ho an’ny andro. Azo hararaotina tsara mba hiarahana mivavaka koa izany. Ho tsapan’ny zanakao fa tena misy i Jehovah sady azony ifandraisana, raha mandre anao miresaka momba an’i Jehovah sy mivavaka aminy isan’andro izy.
5 Enga anie hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonareo, mba hampianarana ny fahamarinana ny zanakareo amin’ny alalan’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro.