Ezaka Manokana Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
Ampirisihina Hizara Taratasy Fanasana ny Mpitory any Amin’ny Fiangonana Rehetra
1 Misy ezaka manokana atao maneran-tany, mba hizarana taratasy fanasana manokana, hampahafantarana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, izay hatao any amin’ny tany 155 eo ho eo. Efa nanomboka tamin’ny volana Mey 2006 izany tany amin’ny tany sasany. Hitohy io ezaka manokana io mandra-pahavitan’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra eran-tany, anisan’izany ireo fivoriambe manokana hatao any Alemaina sy Repoblika Tseky ary Polonina, amin’ny volana Jolay sy Aogositra 2006.
2 Efa hifarana izao ny andro farany. Tokony hahaliana ny olona manana toe-po tsara àry io fivoriamben’ny vondrom-paritra io, satria hanasongadina ny fampanantenan’Andriamanitra fanafahana. Tokony handrisika ny olona hieritreritra momba ny zavatra hitranga amin’ny hoavy izany. Irintsika ny handrenesan’ny olona an-tapitrisany an’ilay hafatra mitondra fampiononana sy fanantenana. Ampirisihina àry ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fiangonana maherin’ny 98 000 eran-tany, mba hazoto handray anjara amin’io ezaka manokana io.
3 Handefasana taratasy fanasana ampy tsara ny fiangonana, mba ho afaka hahazo hatramin’ny 50 amin’izy io ny mpitory rehetra. Azon’ny mpisava lalana alaina ny ambiny, raha misy. Telo herinandro alohan’ny fivoriambeny no hanombohan’ny fiangonana tsirairay hizara an’ilay taratasy fanasana. Hanam-potoana ampy tsara amin’izay ny fiangonana mba hizarana azy io amin’ny ankamaroan’ny faritaniny na ny faritaniny rehetra mihitsy.
4 Tsara kokoa raha omena ny olona mivantana ilay taratasy fanasana. Azo apetraka eo am-baravarana anefa ilay izy raha misy tsy tratra an-trano. Tokony ho malina ny mpitory rehefa manao izany. Tokony hatao izay hizarana ny taratasy fanasana rehetra, ao anatin’ny telo herinandro.
5 Matoky izahay fa ho betsaka tokoa ny fitoriana vita, noho io ezaka manokana atao eran-tany, hampahafantarana ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!”, io. Mivavaka izahay mba hitahy be dia be ny ezaka hataonareo tsirairay i Jehovah.