FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/05 p. 4
  • Mampiasa Taratasy Fanasana ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiasa Taratasy Fanasana ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Ireo Taratasy Fanasana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ny ao ambadiky ny taratasy fanasana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Ezaka Manokana Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Ezaka Manokana Eran-tany Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 8/05 p. 4

Mampiasa Taratasy Fanasana ve Ianao?

Nahita taratasy fanasana ny zazalahy iray 11 taona, indray andro. Fanasana hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro momba ny afobe ilay izy. Hoy ilay zazalahy tatỳ aoriana: “Tena tiako ilay izy, satria toa nanao fahadisoana foana aho, ka natahotra be sao ho lasa any amin’ny afobe rehefa maty.” Nanatrika ilay lahateny izy, ary natao batisa herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa avy nianatra Baiboly kelikely. I Karl Klein io zazalahy io. Nanompo an’i Jehovah mandra-pahafatiny izy. Efa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro izy. Taratasy fanasana no nanombohan’izany rehetra izany.

Mbola fitaovana mandaitra eo amin’ny fitoriana foana ny taratasy fanasana hatramin’izao. Maro ny mpitory manome taratasy fanasana ny olona itoriany, satria hitany fa fomba tsara hampahafantarana ny tenany sy hanombohan-dresaka izy io. Azon’ny ray aman-dreny atao ny mampandray anjara ny zanany amin’ny fitoriana, ka manome azy taratasy fanasana mba hatolony isan-trano. Fitaovana mora ampiasaina koa ny taratasy fanasana, mba hampirisihana ny mpianatra sy ny olona liana hanatrika ny fivoriantsika.

Hampiasa taratasy fanasana vaovao isika manomboka izao. Hazavaina fohy eo amin’ny pejy voalohany amin’izy io ny fivoriana tsirairay. Tsy hisy adiresin’ny Efitrano Fanjakana sy ireo ora fivoriana anefa ao amin’izy io, fa anjaranao ny manome izany, rehefa manolotra azy io ianao. Efa misy faritra azonao asiana izany eo amin’ilay taratasy.

Faly izahay milaza aminareo fa handefasanay taratasy fanasana ny fiangonana tsirairay, isan-taona. Tsy ilaina intsony àry ny manafatra azy io, raha tsy hoe lany angaha ny anareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara