FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 176
  • Ny ao ambadiky ny taratasy fanasana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny ao ambadiky ny taratasy fanasana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampiasa Taratasy Fanasana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Ireo Taratasy Fanasana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ezaka Manokana Eran-tany Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Ezaka Manokana Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 176

Ny ao ambadiky ny taratasy fanasana

Ny zavatra niseho tany am-pitorian-teny manaraka izao dia notantarain’ny vehivavy iray, vavolombelon’i Jehovah, nandritry ny fivoriambe isam-paritany tany Illinois: ‘’Teraka tao amin’ny fianakaviana katolika aho ary niangona tamin’ny eglizy maro hatramin’ny andro izay nanapahako hevitra tamin’ny farany mba tsy handehanako intsony na dia amin’ny iray amin’ireo eglizy ireo aza satria misy zavatra tsy ampy ao aminy. Taona maro lasa izay, raha avy niasa aho dia nahita taratasy manasa hanatrika lahateny ho an’ny be sy ny maro hataon’ny vavolombelon’i Jehovah. Na ny lohatenin’ilay lahateny na ny anarana hoe vavolombelon’i Jehovah dia tsy nahataitra ahy satria hatramin’izay dia tsy mbola nandre ny momba azy ireo aho; ny tena marina dia tsy fantatro akory na iza na iza i Jehovah! Fa ny fanambarana voasoratra tao ambadik’ilay taratasy fanasana dia nametraka ny fanontaniana hoe: “Moa fantatrao tsara ve ny Baibolinao?’’ izay nanome fieritreretana lalina ho ahy.

“Hatramin’ny ela, dia tiako ny hahalala ny Baiboly; alohan’ny hikarakarako ny sakafo hariva ary dia nanao taratasim-bola hahazoako ny New World Translation aho ka nandefa azy tany amin’ny paositra niaraka tamin’izay. Dia nahazo ny Baiboly aho; ary indray sabotsy maraina, dia nisy Vavolombelona iray tonga tao amiko. Hitako, tamin’ny firesany, fa manana fahalalàna tsara ny Baiboly izy. Nilaza ny faniriako ny hahafantatra ny Tenin’Andriamanitra aho ary dia nanomboka ny fianarana azy teo no eo izahay. Nony lasa izy dia nanangana ny tanany ny vadiko sady nilelalela hoe: “Aza mba terena hifanerasera amin’ireny olona ireny aho”! Tsy nahalala na inona na inona ny momba ireny “olona ireny” aho ka dia namaky ny boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina’’. Saika voavakiko tanteraka iny alina iny io boky io. Nony maraina, dia nolazaiko tamin’ny vadiko fa io irery no boky momba ny fivavahana izay misy fifanarahan-kevitra marina. Tsy ela akory izy dia niaraka tamiko tamin’ny fianarana ny Baiboly.

“Tamin’izany fotoana izany koa dia maty ny reniko. Dia tonga tao amiko ny rahavaviko: “Aza mianatra miaraka amin’ireny olona ireny intsony, hoy izy tamiko; very ny hevitrao noho ny fahafatesan’i neny ary ny fianaranao ny Baiboly. Tonga aho mba hampiverina anao amin’ny fahendrena sy hampionana anao.’’ Tamin’io hariva io dia nomeko azy ny boky “Aoka Andriamanitra no ho fantatra fa marina!” ary ny herinandro nanaraka dia nanomboka fianarana taminy aho. Izany dia nitohy hatramin’ny andro izay nanoloranay tena ho an’i Jehovah ary dia niara-natao batisa izahay roa. Ny vadiko izay tsy tia ny mifampiraharaha amin’ireny olona ireny dia natao batisa dimy ambin’ny folo volana tatỳ aoriana. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny namelàny olona hametraka taratasy fanasana iray tao an-tranonay tamin’ny andro izay tsy naha-tao anay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara