Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily
“Misy mino fa efa voalahatra ny hoavintsika. Ny hafa indray mihevitra fa isika ihany no mifidy izay hiafarantsika. Ahoana no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ny Baiboly. [Vakio ny Mpitoriteny 9:11.] Resahin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba ny hoe ‘Efa voalahatra ve ny fiainantsika?’ ” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 26.
Mifohaza Aprily
“Maro ny mpivady misaraka noho ny fanitsakitsaham-bady. Mety hanampy ny mpivady ve ity andinin-teny ity, araka ny hevitrao? [Vakio ny Matio 5:28, ary avelao izy hamaly.] Misy torohevitra ara-baiboly manampy ny olona tsy hivadika amin’ny vadiny ato amin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 28.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey
“Araka ny hevitrao, inona no mety hahatonga ny olona iray tsy hino an’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ity andinin-teny ity fa ilaina ny finoana. [Vakio ny Hebreo 11:6.] Misy fomba efatra hanatanjahana finoana ato amin’ity gazety ity.”
Mifohaza! Mey
“Mihamaro ny olona za-dratsy mihinana fanafody. Inona no mety hahatonga izany? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ny Baiboly ny antony iray lehibe mahatonga ny olona hanao izany, indrindra fa ny ankizy. [Vakio ny Ohabolana 13:20.] Resahin’ity gazety ity hoe inona no azonao atao mba tsy ho voan’izany ianao sy ny fianakavianao.”