FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/09 p. 3
  • Ampiasao Tsara ny Bokintsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara ny Bokintsika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Amim-pahendrena Ireo Boky sy Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fampiasana Tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ampiasao Izy Ireny fa Aza Avela Hitoby Fotsiny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 5/09 p. 3

Ampiasao Tsara ny Bokintsika

1. Nankasitraka izay nomen’i Jehovah i Jesosy. Inona no azontsika atao mba hanahafana azy?

1 Nasain’i Jesosy nangonina ny ambiny rehefa avy nanome sakafo vahoaka be tamin’ny fomba mahagaga izy. (Mat. 14:19-21) Nasehony tamin’izany fa nankasitraka izay nomen’i Jehovah izy. Tokony hasehontsika koa àry fa “mahay mankasitraka” isika, ka hampiasa tsara izay rehetra omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana.”—Kol. 3:15; Lioka 12:42; Mat. 24:45-47.

2. Inona no tokony hatao mba tsy hiangona any amintsika ny gazety?

2 Gazety: Mora miangona ny gazety rehefa tsy apetraka. Tokony hahena ny gazety hafarantsika raha manana ambiny foana isika. Ary ireo gazety efa elaela? Mbola sarobidy foana izy ireny. Afaka manampy antsika hahita fomba mandaitra hizarana azy ireny angamba ny mpiandraikitry ny fanompoana na anti-panahy hafa, raha miangona any amintsika izy ireny.

3, 4. Inona no tokony hotadidintsika rehefa maka boky any am-pivoriana?

3 Boky na bokikely: Rehefa miova ny zavatra atolotra eny amin’ny saha, dia jereo sao efa manana azy io ianao any an-trano, alohan’ny hakana vaovao any am-pivoriana. Izay ilainao mandritra ny herinandro ihany alaina, ary afaka maka indray ianao rehefa lany izay nalainao.

4 Ary ny boky ho anao? Izay tena ilainao ihany hafarana. Asio ny anaranao sy anaran’ny fiangonanao ny bokinao, amin’izay mora ny mamerina azy aminao raha very. Raha notehirizinao ny gazetinao, dia mety tsy hila hanafatra gazety vita boky ho anao intsony ianao. Iray na roa isam-pianakaviana dia efa ampy.

5. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mametraka ny boky na gazetintsika?

5 Rehefa mametraka boky na gazety: Izay tena liana ihany no omentsika boky na gazety. Tadidio fa isika no voalohany tokony hanonitra ny lany amin’ireny fitaovana sarobidy ampiasaina eny amin’ny fanompoana ireny. Aza misalasala anefa milaza amin’ireny olona liana nomentsika boky na gazety ireny, fa afaka manohana ny asa maneran-tany izy, raha manao fanomezana.

6. Nahoana no sarobidy amintsika ny boky sy gazetintsika, ary inona no tokony hataontsika noho izany?

6 Nanome sakafo ara-bakiteny tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy. Sakafo ara-panahy anefa no tena nomeny matetika kokoa. Hoy izy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Mat. 4:4) Tena ilaina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mba hahazoana fiainana mandrakizay. Mampianatra izany fahamarinana izany ny boky sy gazetintsika. (Jaona 17:3) Sarobidy loatra izy ireny ka tokony hotandremana tsara!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara