FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/09 p. 2
  • Manomàna Tsara Rehefa Hampianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manomàna Tsara Rehefa Hampianatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tohino ny Fon’ny Olona Miara-Mianatra Baiboly Aminao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fitarihana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 6/09 p. 2

Manomàna Tsara Rehefa Hampianatra

1. Nahoana no tokony hampiantsika hankasitraka ny fahamarinana ilay mpianatra?

1 Tsy maintsy manomana tsara isika rehefa hitarika fampianarana Baiboly, raha tiantsika ny handrisika an’ilay mpianatra hanompo an’i Jehovah. Hahita vokatra isika raha ampiantsika hankasitraka ny fahamarinana izy. Handrisika azy hanao zavatra izany, avy eo. (Deot. 6:5; Ohab. 4:23; 1 Kor. 9:26) Ahoana no azontsika anaovana izany?

2. Nahoana ny olona manomana tsara no mivavaka?

2 Mivavaha rehefa manomana: I Jehovah no mampitombo ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ny mpianatra, ka tokony hatombotsika amin’ny vavaka ny fanomanana ny fianarany. Tokony hivavaka momba azy sy ny fanampiana ilainy isika. (1 Kor. 3:6; Jak. 1:5) Rehefa mivavaka isika, dia mety ho tsapantsika koa izay fanampiana mbola azontsika omena azy, mba ho feno “fahalalana marina tsara” ny sitrapon’i Jehovah ny fony.—Kol. 1:9, 10.

3. Inona avy no tokony hoeritreretina momba ny mpianatra rehefa manomana?

3 Eritrereto ilay mpianatra: Fantatr’i Jesosy fa mieritreritra momba ny mpianatra ny mpampianatra mahomby. Indroa, fara fahakeliny, i Jesosy no nisy nanontany hoe: “Inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?” Mitovy ny fanontaniana, nefa samy hafa ny fomba namaliany azy. (Lioka 10:25-28; 18:18-20) Tokony hieritreritra momba ilay mpianatra isika eo am-panomanana. Inona avy no andinin-teny hovakina? Firy ny fehintsoratra hianarana? Mety hisy hevitra sarotra amin’ilay mpianatra ve, na tsy mora ekeny? Inona avy izany? Raha azontsika an-tsaina ny fanontaniana sasany mety hapetrak’ilay mpianatra, dia ho haintsika kokoa ny hamaly izany.

4. Inona no dikan’ny hoe manomana tsara?

4 Avereno dinihina ilay lahatsoratra: Na efa imbetsaka aza isika no nianatra an’ilay lahatsoratra, dia vao sambany isika no hiara-mianatra azy io amin’ilay mpianatra. Tena ilaintsika ny manomana tsara isaky ny hianatra ilay olona, raha te hanohina ny fony isika. Midika izany fa isika mihitsy aloha no manao izay asaintsika ataony. Eritrereto ilay mpianatra, ka avereno dinihina ilay lahatsoratra, anisan’izany ireo andinin-teny. Ho tianao angamba ny hanipika ny hevi-dehibe.—Rom. 2:21, 22.

5. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah?

5 Tena mahaliana an’i Jehovah ny fandrosoan’ny mpianatra tsirairay. (2 Pet. 3:9) Miahy sy be fitiavana toa an’i Jehovah isika, raha manokana fotoana hanomanana isaky ny hampianatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara