TAHIRIZO
Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Natambatra ato ny hevi-dehibe tao amin’ireo lahatsoratra mifampitohy momba ny fitarihana fampianarana Baiboly mandroso, tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampirisihina ny rehetra hitahiry sy hijery azy ity, rehefa mampianatra Baiboly. Azo resahina amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana ny hevitra sasany. Afaka mampiasa azy ity hanaovana lahateny koa ny mpiandraikitra ny fanompoana, rehefa mitsidika fianarana boky.
Fizarana 1: Inona no Atao hoe Fampianarana Baiboly?
Raha manao dinidinika ara-baiboly tsy tapaka miaraka amin’olona ianao, ka mampiasa Baiboly sy boky natao hianarana azy io, dia azo lazaina fa mitarika fampianarana ianao, na fohy aza ilay dinidinika. Azo anaovana tatitra ilay fampianarana, raha efa nianatra indroa ilay olona taorian’ny nampisehoana taminy ny fomba fianarana, ary mino ianao fa hanohy hianatra izy.—km 7/04 p. 1.
Boky azo ampiasaina
◼ Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
◼ Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
◼ Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
◼ Raha tsy nahita fianarana firy ilay olona na tsy mahay mamaky teny tsara, dia azo ampiasaina ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
Fizarana 2: Fanomanana ny Fampianarana
Ilaina ny manohina ny fon’ilay mpianatra, amin’ny alalan’ilay fanazavana. Mila manomana tsara àry isika sady mieritreritra an’ilay mpianatra.—km 8/04 p. 1.
Fomba fanomanana
◼ Jereo ny lohateny sy ny lohatenikely ary ny sary ao amin’ilay toko na lesona.
◼ Tadiavo ny valin’ny fanontaniana, ka ny teny milaza ny hevi-dehibe ihany tsipihina.
◼ Fidio izay andinin-teny hovakina mandritra ny fianarana. Soraty kely eo amin’ny sisin’ny boky ny hevitra ao amin’ilay andininy.
◼ Manomàna famerenana fohy an’ireo hevi-dehibe.
Ampifanaraho amin’izay ilain’ilay mpianatra ilay lesona
◼ Mivavaha momba ilay mpianatra sy izay ilainy.
◼ Eritrereto mialoha izay zavatra mety tsy ho azony na tsy hekeny.
◼ Manontania tena hoe: Inona no mbola tsy azony na mila iezahany, mba hahafahany handroso? Ahoana no ahafahako manohina ny fony?
◼ Raha ilaina, dia manomàna fanoharana, na fanazavana, na fanontaniana mifampitohy, mba hanampiana azy hahazo hevitra na andininy iray.
Fizarana 3: Mahaiza Mampiasa ny Soratra Masina
Tiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy ny olona ampianarintsika Baiboly. Ampiantsika àry izy mba hahazo ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky sy hampihatra izany. (Matio 28:19, 20; 1 Tes. 2:13) Noho izany, dia tokony hifototra amin’ny Soratra Masina ilay fianarana.—km 11/04 p. 8.
Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra
◼ Atoroy an’ilay mpianatra ny fomba itadiavana andinin-teny ao amin’ny Baiboly.
◼ Vakio sy iaraho midinika ny andinin-teny iorenan’ny zavatra inoantsika.
◼ Mametraha fanontaniana. Aza hazavaina amin’ilay mpianatra ny andinin-teny, fa izy no asaivo manazava azy.
◼ Ataovy tsotra ny fanazavana. Aza hazavaina daholo ny hevitra rehetra ao amin’ny andinin-teny iray. Izay ilaina hanaporofoana ny hevitra dinihina ihany resahina.
◼ Hazavao ny fampiharana ilay andinin-teny. Ampio ilay mpianatra hahatakatra ny fomba azony ampiharana an’ilay izy.
Fizarana 4: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra
Mandroso haingana ny mpianatra, rehefa mamaky mialoha ny fianarana sy manipika ny valiny, ary mieritreritra ny fomba hamaliany izany amin’ny fiteniny manokana. Miaraha àry manomana lesona amin’ny mpianatra iray, rehefa hitanao fa vonona hianatra tsy tapaka izy. Amin’ny ankapobeny, dia tsara raha toko na lesona iray manontolo no hiaraha-manomana aminy.—km 12/04 p. 1.
Manipika sy manamarika
◼ Hazavao ny fomba hahitana ny tena valin’ny fanontaniana ao amin’ilay boky.
◼ Asehoy an’ilay mpianatra ny bokinao misy teny na fitambaran-teny voatsipika.
◼ Ampio izy hahita fa manamafy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra ny andinin-teny tsirairay. Asehoy azy ny fanaovana fanamarihana eo amin’ny sisim-pejin’ny bokiny.
Manao topy maso sy mamerina
◼ Asaivo dinihin’ilay mpianatra ny lohatenin’ilay toko na lesona, sy ny lohatenikely ary ny sary, alohan’ny hanomanany azy io amin’ny an-tsipiriany.
◼ Ampirisiho izy hamerina ny hevi-dehibe, rehefa vita ny fanomanany.
Fizarana 5: Fehintsoratra Firy no Tokony Hianarana?
Miankina amin’ny fahaizana sy ny toe-javatra misy an’ilay mpampianatra sy ilay mpianatra, ny isan’ny fehintsoratra tokony hianarana.—km 1/05 p. 1.
Ataovy izay hananany finoana matanjaka
◼ Izay hahatakarany tsara ny Tenin’Andriamanitra no tokony ho zava-dehibe kokoa, fa tsy izay hahavitana fehintsoratra betsaka ao anatin’ny fotoana fohy.
◼ Ataovy izay hahatakarany sy hanekeny izay ianarany, na dia mety hitaky fotoana aza izany.
◼ Manokàna fotoana ampy handinihana ny andinin-teny fototra.
Aza tapatapahina ny fianarana
◼ Raha tia miresaka momba ny fiainany ilay mpianatra, dia azonao ilazana izy mba hanao izany aorian’ny fianarana.
◼ Aza miresaka be mandritra ny fianarana. Aza atao be loatra ny hevitra fanampiny na ny fitantarana. Hanjary ho ela mantsy vao hitombo ny fahalalany ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.
Fizarana 6: Fomba Famaliana ny Fanontanian’ny Mpianatra
Rehefa mianatra Baiboly tsy tapaka ny olona iray, dia tsara raha asesy ireo foto-kevitra ao amin’ilay boky, fa tsy singantsinganina fotsiny. Hanana fahalalana fototra hiaingana izy amin’izay, ary handroso tsara.—km 2/05 p. 6.
Mahaiza mandanjalanja
◼ Azo valiana avy hatrany mazàna ny fanontaniana mifandray amin’ilay fianarana.
◼ Aleo dinihina amin’ny manaraka izay fanontaniana tsy mifandray amin’ilay fianarana, na ilana fikarohana. Tsara raha soratana ilay izy.
◼ Raha sarotra amin’ilay mpianatra ny manaiky ny fampianarana sasany, dia mijere boky hafa manome fanazavana feno momba an’ilay izy.
◼ Raha mbola tsy resy lahatra ilay mpianatra, dia avelao ho amin’ny manaraka indray ilay izy, fa tohizo aloha ny fianarana.
Manetre tena
◼ Aza maika hilaza ny hevitrao, raha tsy hainao ny valin’ny fanontaniana iray.
◼ Atoroy miandalana an’ilay mpianatra ny fomba fanaovana fikarohana.
Fizarana 7: Tena Ilaina ny Vavaka
Tena ilaina ny fitahian’i Jehovah, raha tiana handroso ny mpianatra Baiboly. Tsara àry raha atomboka sy faranana amin’ny vavaka ny fianarana.—km 3/05 p. 4.
Fomba hampidirana ny vavaka
◼ Efa azo atao ny mivavaka amin’ny fianarana voalohany, raha tia fivavahana ilay mpianatra.
◼ Tokony hofantarintsika kosa ny fotoana tsara hanombohana izany, amin’ny olona sasany.
◼ Azo vakina ny Salamo 25:4, 5 sy ny 1 Jaona 5:14, mba hanazavana ny antony hivavahana.
◼ Azo vakina ny Jaona 15:16, mba hampisehoana fa tokony hivavaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy isika.
Zavatra horesahina ao amin’ny vavaka
◼ Tsara ny midera an’i Jehovah satria izy no Mpampianatra.
◼ Lazao fa tena te hanampy an’ilay mpianatra ianao.
◼ Lazao fa mankasitraka ny fandaminana ampiasain’i Jehovah ianao.
◼ Iangavio i Jehovah hitahy ny fiezahan’ilay mpianatra hampihatra izay ianarany.
Fizarana 8: Ampio Hiditra ao Amin’ny Fandaminana ny Mpianatra
Tsy ny hampianatra foto-pinoana fotsiny no tanjontsika rehefa mampianatra Baiboly, fa ny hanampy ilay olona ho anisan’ny fiangonana kristianina koa. Manokàna minitra vitsivitsy mandritra ny fianaranareo isan-kerinandro, mba hampianarana azy lafin-javatra iray momba ny fandaminan’i Jehovah.—km 4/05 p. 8.
Fivorian’ny fiangonana
◼ Hazavao aminy ny fivoriana tsirairay. Vao manomboka mianatra mihitsy izy, dia asao hivory.
◼ Resaho ny hevi-dehibe tamin’ny fivoriana.
◼ Ataovy izay hahatonga azy haniry hanatrika ny Fahatsiarovana sy ny fivoriambe ary ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra.
◼ Mampisehoa sary avy ao amin’ny boky sy gazetintsika, mba hahafantarany izay atao any.
◼ Ampirisiho izy hamaky ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?
◼ Mba hahatonga azy hankasitraka ny fandaminana, dia ampirisiho izy hijery ilay video Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana.
Fizarana 9: Ampiofano Hitory Tsy Ara-potoana ny Mpianatra
Voatosika hiresaka momba ny zavatra ianarany ny mpianatra Baiboly, rehefa manomboka mino izay ianarany.—km 5/05 p. 1.
Ampirisiho izy hitory
◼ Misy namany na fianakaviany ve azony asaina hiara-mianatra aminy?
◼ Misy mpiara-miasa aminy, na mpiara-mianatra, na olom-pantany ve te handre ny vaovao tsara?
Ampiofano izy hiresaka ny zavatra inoany
◼ Mifidiana hevi-dehibe mandritra ny fianarana, ary anontanio izy hoe: “Inona no andinin-teny azonao ampiasaina, mba hanazavana an’io fahamarinana io amin’ny fianakavianao?”
◼ Ampio izy hahatakatra fa ilaina ny manaja ny hafa sy ho tsara fanahy, rehefa miresaka momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.
◼ Azon’ilay mpianatra ampiasaina ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, mba hanampiany ny havana aman-tsakaizany, hahazo ny zavatra inoantsika avy ao amin’ny Baiboly sy ny asa kristianina ataontsika.
Fizarana 10: Ampiofano Hitory Isan-trano ny Mpianatra
Afaka manomboka mitory miaraka amin’ny fiangonana ny mpianatra Baiboly, rehefa hitan’ny anti-panahy fa mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa izy.—km 6/05 p. 1.
Miaraha manomana
◼ Atoroy an’ilay mpitory vaovao hoe aiza no misy fomba fampiseho azo ampiasaina.
◼ Ampio izy hifidy fomba fampiseho tsotra sy mety amin’ny faritaninareo.
◼ Ampirisiho izy hampiasa Baiboly foana.
◼ Miaraha manao fanazaran-tena. Asehoy azy ny fomba hahaizany handanjalanja, rehefa mamaly izay zavatra lazain’ny olona matetika.
Miaraha mitory
◼ Asaivo jeren’ilay mpianatra ny fomba ampiharanao ilay fomba fampiseho niarahanareo nanomana.
◼ Asio fiheverana ny toetrany sy ny fahaizany. Mety ho tsara kokoa indraindray ny mampandray anjara kely azy fotsiny.
◼ Ampio ilay mpitory vaovao mba hanana fandaharam-potoana tsara hitoriana tsy tapaka.
Fizarana 11: Ampio Ilay Mpianatra Hanao Fiverenana Mitsidika
Eo am-pitoriana no manomboka ny fanomanana ny fiverenana mitsidika. Ampirisiho ilay mpianatra hamantatra izay mahaliana ny olona iresahany. Ampiofano tsikelikely izy hanasa ilay olona haneho ny heviny. Ampianaro koa izy hihaino tsara an’ilay olona sy hamantatra izay mampanahy azy.—km 7/05 p. 1.
Miaraha manomana
◼ Fintino aloha ilay resaka natao tamin’ny voalohany, ary ampio ilay mpianatra hifidy loha hevitra mety hahaliana an’ilay olona.
◼ Manomàna fomba fampiseho fohy, misy andinin-teny iray sy fehintsoratra iray avy ao amin’ny boky fianarana iray.
◼ Manomàna fanontaniana hapetraka amin’ny faran’ilay dinidinika.
Ampirisiho izy hazoto hiverina
◼ Ampirisiho ilay mpianatra hiverina haingana any amin’izay rehetra liana.
◼ Ampio izy hahatsapa fa ilaina ny miezaka miverimberina any amin’ireo tsy mety tratra an-trano.
◼ Atoroy azy ny fomba ifanaovana fotoana amin’ilay olona. Ampio koa izy hahatakatra fa ilaina ny mitana ny teny natao, rehefa nampanantena ny hiverina.
Fizarana 12: Ampio ny Mpianatra Hanomboka sy Hitarika Fampianarana Baiboly
Tena mila manahaka an’i Jesosy ianao, ka ho modely eo amin’ny fanompoana ataonao. Rehefa mandinika izay ataonao ilay mpianatra, dia ho hitany fa ny hanomboka fampianarana Baiboly no tanjona, rehefa manao fiverenana mitsidika.—km 8/05 p. 1.
Fanasana olona hianatra
◼ Hazavao amin’ilay mpianatra fa tsy voatery haseho amin’ny an-tsipiriany ny fizotran’ny fampianarana.
◼ Izao matetika no tsara indrindra mba hampisehoana ilay fianarana: Mampiasa fehintsoratra iray na roa avy ao amin’ny boky fianarana iray.
◼ Avereno sy anaovy fanazaran-tena ny iray amin’ireo fomba azo anombohana fampianarana Baiboly.—km 8/05 p. 8; km 1/02 p. 6.
Ampiofano ho lasa mpampianatra ny mpianatra
◼ Ampirisiho ny mpianatra hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
◼ Asao izy hiaraka aminao any amin’ny fampianarana Baiboly hafa. Mety ho afaka handray anjara kely amin’ilay fampianarana izy amin’izay.