Zava-tsarotra Azo Resena ny Fitoriana Amin’ny Lehilahy
1. Inona no ilaina maika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana?
1 Mitombo foana ny asan’ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao. Ilaina maika àry ny lehilahy mahafeno an’ireo fepetra takin’ny Baiboly, mba hiantsoroka andraikitra. (Mar. 4:30-32; Asa. 20:28; 1 Tim. 3:1-13) Vitsy noho ny vehivavy anefa ny lehilahy mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana, any amin’ny faritra sasany. Ankinin’ny lehilahy amin’ny vadiny kosa ny fampianarana ny ankizy momba ny fivavahana, any amin’ny kolontsaina sasany. Inona àry no azontsika atao mba ho maro kokoa ny lehilahy hahatsapa fa mila an’Andriamanitra ka hiandany amin’ny fivavahana marina?
2. Inona no vokatra tsara azon’i Paoly sy Petera rehefa niezaka nitory tamin’ny lehilahy izy ireo?
2 Ataovy izay hitoriana amin’ny lehilahy: Raha manaiky ny fahamarinana ny loham-pianakaviana, dia matetika no voataonany hanaraka ny fivavahana madio ny ankohonany. Nitory tamin’ny mpiambina fonja, ohatra, i Paoly sy Silasy rehefa nigadra noho ny fitoriana. Natao batisa ilay lehilahy sy ny ankohonany manontolo. (Asa. 16:25-34) ‘Nanjary nino ny Tompo [koa] i Krispo mpitantana synagoga, mbamin’ny ankohonany manontolo’, rehefa nitory tany Korinto i Paoly. (Asa. 18:8) Nampiasain’i Jehovah hitory tamin’i Kornelio i Petera. “Mpivavaka be” io manamboninahitra io, “sady natahotra an’Andriamanitra.” Natao batisa i Kornelio, mbamin’ny havany sy ny namany akaiky.—Asa. 10:1-48.
3. Iza avy ny olona “mitana toerana ambony” azonao itoriana, raha te hanahaka an’i Filipo ianao?
3 Vao mainka ahitam-bokatra ny fitoriana amin’ny lehilahy “mitana toerana ambony.” (1 Tim. 2:1, 2) Nilaza tamin’i Filipo, ohatra, ny anjelin’i Jehovah mba hiresaka tamin’ny lehilahy iray. “Olona ambony” niadidy ny harena rehetran’ny mpanjakavavin’i Etiopia izy io. Ren’i Filipo “namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany” io lehilahy io, ka nohazavainy taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Lasa mpianatr’i Jesosy io Etiopianina io, ary azo inoana fa nitory ny vaovao tsara izy teny an-dalana nody. Nitory tamin’ny mpanjakavavy sy ny tandapa koa angamba izy. Tsy dia nisy hirika handrenesan’izy ireo ny vaovao tsara, raha tsy izany.—Asa. 8:26-39.
4. Inona no azontsika atao mba ho maro kokoa ny lehilahy ho afaka handre ny vaovao tsara?
4 Ataovy izay hitoriana amin’ny lehilahy maro kokoa: Saika any am-piasana foana ny lehilahy mandritra ny andro. Azonao amboarina àry ve ny fotoananao mba hanompoana bebe kokoa rehefa takariva, na faran’ny herinandro, na andro fety? Vao mainka ho afaka hitory amin’ny lehilahy tsy dia hita an-trano ianao, raha mitory tsy tapaka eny amin’ny faritany be toeram-piasana. Afaka manao ezaka manokana koa ireo rahalahy mba hitoriana tsy ara-potoana amin’ireo lehilahy miara-miasa aminy. Indraindray dia afaka mangataka ny hiresaka amin’ny loham-pianakaviana ireo rahalahy rehefa mitory isan-trano, indrindra raha voasa matetika ilay faritany.
5. Ahoana no tokony hataon’ny anabavy raha lehilahy ilay olona liana?
5 Ahoana raha liana amin’ny fahamarinana ny lehilahy iray nitorian’ny anabavy? Tsy tokony handeha irery any ilay anabavy. Afaka mitondra ny vadiny na mpitory hafa izy. Raha tena liana ilay lehilahy, dia ny mamindra azy amin’ny rahalahy mahay no tsara indrindra, matetika.
6. Ahoana no azontsika anahafana ny apostoly Paoly mba ‘hahazoana olona maro araka izay azo atao’?
6 Izay mahaliana ny lehilahy no resaho: Nihevitra an’ireo olona nitoriany ny apostoly Paoly ka nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra notoriny, mba ‘hahazoany olona maro araka izay azo atao.’ (1 Kor. 9:19-23) Tokony hofantarintsika koa àry izay mety hahaliana ny lehilahy, ka efa omanintsika izay horesahina. Matetika, ohatra, no mahaliana ny lehilahy ny miresaka momba ny fiainana sarotra, ny fanjakana tsara tantana, ary ny fiarovana ny ankohonany. Mety hahaliana azy koa ireto: Velona mba haninona ny olombelona? Ho potika ve ny tany? Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Handray kokoa ny hafatra torintsika ny lehilahy, raha ataontsika an-tsaina izany rehefa mitory isika.—Ohab. 16:23.
7. Raha tsy Vavolombelona ny vadin’ny anabavy iray nefa tonga mivory, ahoana no azon’ny rehetra anampiana an’ilay rangahy?
7 Ampio handroso ireo vady tsy Vavolombelona: Ny fitondran-tenan’ireo anabavy, matetika, no tena misy heriny eo amin’ny vadiny tsy Vavolombelona. (1 Pet. 3:1-4) Misy vokany tsara eo amin’ireny lehilahy ireny koa anefa ny ataon’ny fiangonana. Ahoana raha miaraka amin’ilay anabavy any am-pivoriana ny vadiny? Tokony ho sariaka sy handray azy tsara ny fiangonana, satria fitoriana tena mahomby izany. Somary liana amin’ny fahamarinana angamba ilay rangahy matoa tonga any am-pivoriana, ary mety hanaiky hianatra Baiboly izy.
8. Inona no azon’ny rahalahy atao mba hanampiana an’ireo lehilahy tsy dia liana amin’ny fahamarinana?
8 Tsy dia liana amin’ny Baiboly kosa ny vadin’ny anabavy sasany, amin’ny voalohany. Mety ho vonona hiara-midinika ny Baiboly amin’ny rahalahy iray azoazony anefa izy, atỳ aoriana. Tsy Vavolombelona ny vadin’ny anabavy iray ka nitady fomba hiresahana tamin’ilay rangahy ireo rahalahy tao amin’ny fiangonana, rehefa nitsidika tsindraindray an’ilay fianakaviana. Zavatra fantatr’izy ireo ho nahaliana an’ilay rangahy no noresahiny. Lasa tany amin’ny Baiboly ny resaka tamin’ny farany, ary vita batisa izao ilay rangahy. Tsy Vavolombelona koa ny vadin’ny anabavy iray, ary nanampy an’io rangahy sariaka io hanamboatra ny fefin’ny tranony ny rahalahy iray. Lasa nianatra Baiboly izy io noho izany fiahiana izany. (Gal. 6:10; Fil. 2:4) Ry rahalahy, nahoana raha miezaka manampy ny iray amin’ireny lehilahy ireny, fara fahakeliny?
9. Inona no mety ho vokatry ny fampiofanana an’ireo lehilahy kristianina?
9 Ampiofano hiantsoroka andraikitra ireo lehilahy: Mety ho anisan’ireo ‘lehilahy ho fanomezana’ ny lehilahy mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana ary miezaka ny hanana andraikitra eo anivon’ny fiangonana. (Efes. 4:8; Sal. 68:18) Mampiasa ny fahaizany sy ny heriny ireny anti-panahy ireny mba hikarakarana ny vahoakan’i Jehovah. An-tsitrapo sy amim-paharisihana no iandrasan’izy ireo ny fiangonana. (1 Pet. 5:2, 3) Lasa fitahiana ho an’ny rahalahy sy anabavy rehetra izy ireny!
10. Nahoana no nahasoa olona maro ny nanampian’i Ananiasy an’i Paoly?
10 Lasa “apostoly ho an’ny hafa firenena”, ohatra, i Saoly na dia nanenjika ny Kristianina aza taloha. (Rom. 11:13) Nisalasala hitory taminy i Ananiasy tamin’ny voalohany, noho i Saoly nanenjika ny Kristianina. Nanao izay nasain’ny Tompo nataony anefa i Ananiasy ka niresaka tamin’ilay lehilahy, izay lasa apostoly Paoly. Rehefa nandeha ny fotoana, dia an’arivony no nandray soa tamin’ny fitorian’i Paoly, ary an-tapitrisany no mbola mandray soa amin’ireo taratasy nosoratany, izay anisan’ny Tenin’Andriamanitra.—Asa. 9:3-19; 2 Tim. 3:16, 17.
11. Nahoana isika no tokony hanao izay fanitsiana ilaina hatao mba hitoriana amin’ny lehilahy?
11 Enga anie àry isika hanao izay fanitsiana ilaina hatao mba hitoriana amin’ny lehilahy na dia sarotra aza ny mitory amin’izy ireo. Raha izany foana no tanjontsika, dia azo antoka fa hotahin’i Jehovah ny ezaka mafy ataontsika mba hanaovana ny sitrapony sy hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.