FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/10 p. 5-6
  • Ampio Hanaiky ny Fahamarinana Izy!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Hanaiky ny Fahamarinana Izy!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Sambatra Ianao na dia Tsy Manompo An’i Jehovah aza ny Mpianakavinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Rehefa mila ho tapaka ny fatoran’ny fanambadiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • ‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Aza miray zioga amin’ny tsy mino
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 11/10 p. 5-6

Ampio Hanaiky ny Fahamarinana Izy!

1. Nahoana no tiantsika rehetra hanaiky ny fahamarinana ny vady tsy Vavolombelona?

1 Tsy Vavolombelona ve ny vadin’ny mpitory sasany eo anivon’ny fiangonanareo? Azo antoka fa tian’izy ireny hanaiky ny fahamarinana ny vadiny. Maniry izany koa ny fiangonana manontolo, satria manahaka an’Andriamanitra izy ireo. Tian’i Jehovah mantsy ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Ahoana àry no hanampiantsika an’ireny olona ireny hanaiky ny fahamarinana?

2. Nahoana isika no tokony ho malina rehefa manampy ny vady tsy Vavolombelona?

2 Tokony hiezaka hahatakatra ny fomba fiheviny aloha isika. Maro aminy mantsy no tia sy miezaka mikarakara vady aman-janaka. Hafa fotsiny angamba ny zavatra inoany. Mety ho tsy mahalala firy ny Vavolombelon’i Jehovah izy, satria olona mitsara an-tendrony na tsy mahalala tsara antsika no mba nilaza taminy momba antsika. Mety ho sosotra koa izy satria ny fotoana niarahan’izy mianakavy taloha no manjary handehanan’ny vadiny mivory na mitory. Tokony ho malina na hitandrina tsara àry isika mba hanaja azy sy ho tsara fanahy ary tsy hihafahafa aminy.—Ohab. 16:20-23.

3. Inona no tena mandaitra raha tiana hanaiky ny fahamarinana ny vady tsy Vavolombelona?

3 Asehoy fa miahy azy isika: Tsy ny teny fa ny atao no tena mandaitra, amin’ny voalohany, raha tiana hanaiky ny fahamarinana ny vady tsy Vavolombelona. (1 Pet. 3:1, 2) Tena tokony hiahy azy àry isika. Raha lehilahy ilay vady tsy Vavolombelona, dia afaka minamana aminy ny rahalahy. Raha vehivavy kosa izy, dia afaka minamana aminy ny anabavy. Amin’ny fomba ahoana?

4. Ahoana no hampisehoantsika fa miahy ny tsy Vavolombelona isika?

4 Miezaha hihaona amin’ilay olona raha mbola tsy fantatrao izy. Mety hiera amin’ilay vady kristianina aloha ianao. Aza kivy raha tsy rototra ilay olona amin’ny voalohany. Mety hiova ihany ny fiheverany ny Vavolombelon’i Jehovah raha tsara fanahy sy miahy azy isika. (Rom. 12:20) Nisy Kristianina matotra nanasa an’ilay olona sy ny vady aman-janany hisakafo. Te hifankahalala kokoa aminy mantsy ilay Kristianina, sady te hampiaiky azy fa tsy araka ny niheverany azy isika. Resaka mahaliana azy no ataon’ilay Kristianina fa tsy tonga dia resaka fivavahana. Rehefa mifankazatra kokoa aminy ilay olona vao miresaka momba ny Baiboly izy. Mety hanaiky koa ilay olona raha asaina hivory, indrindra fa efa misy olom-pantany any. Hitany koa amin’izay hoe inona no ianaran’ny vadiny any. Na dia mbola tsy te hianatra ny fahamarinana aza izy, dia tokony hoderaina noho izy manohana ilay vadiny Vavolombelona.

5. Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny vady tsy Vavolombelona?

5 Ny anti-panahy no tena tokony hanampy ireo vady tsy Vavolombelona, ka ho mailaka hitory raha vao mahita hirika hiresahana. Ampaherezo amin’ny alalan’ny Baiboly izy raha sendra miditra hopitaly na marary mafy. Mety hihaino mantsy izy na dia tsy nandray aza taloha. Angamba mana-manjo na tojo olana lehibe ilay fianakaviana. Azon’ny anti-panahy asaina hanatrika eo ilay vady tsy Vavolombelona rehefa mampionona an’ilay fianakaviana izy.

6. Nahoana isika no tokony hanampy ny vady tsy Vavolombelona?

6 Tena ho faly ny Kristianina manambady tsy Vavolombelona raha manaiky ny fahamarinana ny vadiny! Ho faly be koa i Jehovah sy ny anjely ary ny fiangonana! (Lioka 15:7, 10) Na dia tsy rototra aza ireny tsy Vavolombelona ireny amin’ny voalohany, dia mbola faly foana isika. Mahafaly an’i Jehovah mantsy ny ezaka ataontsika satria “tsy tiany hisy ho ringana” ny olona, fa “mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”—2 Pet. 3:9.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Tsy ny teny fa ny atao no tena mandaitra, amin’ny voalohany, raha tiana hanaiky ny fahamarinana ny vady tsy Vavolombelona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara