Mahaiza Mampiasa Baiboly
1. Nahoana no tena ilaina ny Baiboly?
1 Raha mahay mampiasa ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho afaka hanazava tsara ny fahamarinana rehefa mitory sy mampianatra. Ho afaka hampiharihary ny fahadisoan’ny fampianarana iray na ny fombafomba iray koa isika.—2 Tim. 2:15; 1 Pet. 3:15.
2. Inona no hanampy antsika hahay hitady andinin-teny?
2 Hatsarao ny fahazaranao mampiasa Baiboly: Ho hainao kokoa ny mampiasa fitaovana iray, raha zatra azy io ianao. Ho azonao an-tsaina koa ny loha hevitra ankapoben’ny Baiboly raha mamaky azy io manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ianao. Hanampy anao hitadidy andinin-teny sy hahita azy ireny mora foana izany. Rehefa mihazatra mampiasa ny Soratra Masina ianao, dia hazoto sy hatoky tena kokoa rehefa mitory tsy ara-potoana sy eny amin’ny saha.—1 Tes. 1:5.
3, 4. a) Milazà fomba sasany hanampy antsika hihazatra mampiasa Baiboly. b) Inona koa no efa nataonao mba hanatsarana ny fahazaranao mampiasa Baiboly?
3 Ataovy fahazarana ny manokatra Baiboly sy manaraka ny famakiana azy io, mandritra ny fivoriana. Jereo ireo andinin-teny ary saintsaino ny fomba hampiharana azy, rehefa mianatra samirery ianao na manomana fivoriana. Maro no mahita hoe aleo vakina ao amin’ny Baiboly mihitsy ilay andinin-teny, toy izay vakina amin’ny ordinatera na amin’ny taratasy natao pirinty. Ho mora kokoa amin’izay ny hahita azy ireny rehefa mitory.—Jaona 14:26.
4 Misy fianakaviana manokana fotoana hianarana mitadidy andinin-teny. Maka taratasy kely maromaro izy ireo ary manoratra andinin-teny eo. Ataony ao ambadika kosa izay voalazan’ilay andininy. Mifandimby maka amin’ireo taratasy kely izy ireo, ary milaza izay voalazan’ilay andininy hita eo, na milaza hoe aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly no misy an’ilay izy. Vao mainka koa isika hahay hampiasa Baiboly, raha manokatra azy io mihitsy rehefa mamerina fomba fitory sy fomba famaliana fanoherana na fanontaniana.
5. Tiantsika ny hahay hampiasa kokoa ny Baiboly. Nahoana?
5 Tsy misy boky azo ampitahaina amin’ny Baiboly. Ao ihany no ahitana teny ‘mampahahendry ho amin’ny famonjena.’ (2 Tim. 3:15) Tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona eny amin’ny faritanintsika ny harena sarobidy ao amin’ny Baiboly. Tena mila miezaka àry isika mba hahay hampiasa kokoa ny Baiboly, ka hampiseho amin’izy ireo an’izany harena izany.—Ohab. 2:1-5.