FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/09 p. 1
  • Vonona ny Hitory Tsy Ara-potoana ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona ny Hitory Tsy Ara-potoana ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho Vitanao ny Hitory Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Aoka isika hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aoka Isika Hazoto Hitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Miderà An’i Jehovah Amin’ny Fitoriana Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 10/09 p. 1

Vonona ny Hitory Tsy Ara-potoana ve Ianao?

1. Inona no mampiseho fa mety hahitana vokatra tsara ny fitoriana tsy ara-potoana?

1 Mety hahitana vokatra tsara ny fitoriana tsy ara-potoana. Maro ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mampiseho izany. (Jaona 4:7-15) Inona no fiomanana azontsika atao mba hitoriana tsy ara-potoana?

2. Nahoana no manampy antsika hitory ny fitafiana sy taovolontsika?

2 Fitafiana sy taovolo: Tsy ho menatra ny hitory mihitsy isika, raha mety tsara foana ny fitafiana sy taovolontsika. (1 Tim. 2:9, 10) Raha tsy mendrika kosa izany, dia tsy ho sahy hitory isika. Mety ho liana ho azy anefa ny hafa rehefa mahita fa madio sy milamina ny fitafiana sy taovolontsika. Nisy mpivady Vavolombelona nanao dia lavitra, ohatra, ary nipetraka teo akaikin’ny lehilahy miozolimanina iray. Voamarik’ilay lehilahy fa nanao fitafiana mendrika izy mivady, ka nanontaniany raha Kristianina. Niara-nidinika ny Baiboly nandritra ny adiny telo izy ireo, noho izany.

3. Toy ny nataon’i Jesosy, inona no nataonao mba hanombohan-dresaka?

3 Fanombohan-dresaka: Nangataka rano tamin’ilay vehivavy samaritanina teo amin’ny fantsakan’i Jakoba i Jesosy, mba hanombohan-dresaka. Azontsika atao koa ny milaza zavatra fohy na mametraka fanontaniana tsotra, mba hanombohan-dresaka. Mety hisalasala isika indraindray. Ho afaka ‘hisikina herim-po’ mba hanombohan-dresaka anefa isika, raha miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah.—1 Tes. 2:2.

4. Inona no hanampy antsika ho vonona hitory tsy ara-potoana?

4 Mitadiava fomba hitoriana: Nahita fomba samihafa hitoriana tsy ara-potoana ny mpitory maro. Diniho indray ny zavatra fanaonao, ary eritrereto ny olona mety ho hitanao isan’andro. Mitondrà Baiboly sy boky na gazety mety hahaliana azy ireo. Aoka ianao hahay handinika sy hiahy ny olona manodidina anao. Ho vonona ny hitory ianao raha mieritreritra mialoha izay fomba mety ho azonao itoriana mandritra ny andro.—Fil. 1:12-14; 1 Pet. 3:15.

5. Nahoana isika no mila miomana ny hitory tsy ara-potoana foana?

5 Misy antony roa tokony hanararaotantsika hitory tsy ara-potoana: Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-belona. (Mat. 22:37-39) Asa maika ny fitoriana, ka mila miomana ny hitory tsy ara-potoana foana isika. Tokony hanararaotra hitory tsy ara-potoana momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isika, isaky ny afaka manao izany, dieny mbola misy fotoana.—Rom. 10:13, 14; 2 Tim. 4:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara