Ho Vitanao ny Hitory Tsy Ara-potoana
1. a) Inona no atao hoe mitory tsy ara-potoana? b) Iza aminareo mpanatrika eto no nahita ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny fitoriana tsy ara-potoana?
1 Fantatrao ve hoe firy amin’ireo iray fiangonana aminao no nahita ny fahamarinana, rehefa nisy nitory tsy ara-potoana taminy? Mety ho gaga ianao fa maromaro ihany. Mitory tsy ara-potoana isika rehefa manararaotra mitory rehefa mandeha bisy na mandeha lavitra, mamangy havana na mpiara-monina, miantsena, mianatra, miasa, sy ny sisa. Nanontaniana, ohatra, ny mpitory vita batisa 200 mahery, ka efa ho ny antsasany no nilaza fa ny fitoriana tsy ara-potoana no nahalalany ny fahamarinana. Tena mandaitra àry io fomba fitory io!
2. Iza avy no resahin’ny Baiboly fa nitory tsy ara-potoana?
2 Matetika no nitory tsy ara-potoana ireo mpitory tamin’ny taonjato voalohany. Nitory tamin’ny vehivavy iray nantsaka teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, ohatra, i Jesosy rehefa nandalo an’i Samaria. (Jaona 4:6-26) I Filipo kosa niresaka tamin’ny tandapa etiopianina namaky ny bokin’i Isaia, ka nanontany azy hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” (Asa. 8:26-38) Nitory tamin’ny mpiambina fonja ny apostoly Paoly, tamin’izy nigadra tany Filipy. (Asa. 16:23-34) “Nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy” koa izy tamin’izy nambenana tao amin’ny trano iray, “ka nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo.” (Asa. 28:30, 31) Ho vitanao koa ny hitory tsy ara-potoana, na dia saro-kenatra aza ianao. Ahoana àry no hatao?
3. Inona no manampy antsika rehefa tsy sahy mitory tsy ara-potoana isika?
3 Fanombohan-dresaka: Sarotra amin’ny ankamaroantsika ny manombo-dresaka amin’olon-tsy fantatra. Mety ho sadaikatra isika na dia hitory amin’ny olom-pantatsika aza. Harisika hitory tsy ara-potoana anefa isika raha misaintsaina ny hatsaran-toetran’i Jehovah, ny fahamarinana nampahafantariny antsika mpanompony, ary ny fahorian’ny olona eto amin’ity tontolo ity. (Jona 4:11; Sal. 40:5; Mat. 13:52) Afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy antsika ‘hisikina herim-po’ koa isika. (1 Tes. 2:2) Hoy ny mpianatr’i Gileada iray: “Matetika no manampy ahy ny vavaka rehefa tsy sahy mitory aho.” Manaova vavaka fohy anakampo, raha miahotra ny hitory ianao.—Neh. 2:4.
4. Inona aloha no azontsika atao tanjona, ary nahoana?
4 Tsy voatery mampiasa fampidiran-dresaka na andinin-teny hoatran’ireny mitory isan-trano ireny isika, rehefa mitory tsy ara-potoana. Azontsika atao tanjona ny hanombo-dresaka fotsiny, fa tsy ny hitory avy hatrany. Nilaza ny mpitory maro fa sahy nitory kokoa izy ireo rehefa nanao izany. Raha tsy te hiresaka anefa ilay olona, dia aleo faranana fotsiny ny resaka ary atao veloma izy.
5. Ahoana no ataon’ny anabavy saro-kenatra iray mba hitoriana tsy ara-potoana?
5 Rehefa miantsena ny anabavy saro-kenatra iray no mitory tsy ara-potoana. Toy izao no ataony: Jereny aloha izay olona tiany hiresahana, ary itsikiany. Raha mitsiky koa ilay olona, dia iresahany kely. Sahy manohy an’ilay resaka ilay anabavy, raha hitany fa te hiresaka ilay olona. Mihaino tsara an’ilay olona izy, mba hahafantarany hoe inona no mety hahaliana azy. Nahapetraka boky sy gazety maro izy, ary afaka nanomboka fampianarana Baiboly mihitsy aza.
6. Inona no azontsika lazaina mba hanombohan-dresaka?
6 Inona no holazaina? Ahoana no nataon’i Jesosy? Nangataka rano tamin’ilay vehivavy nantsaka izy, mba hanombohan-dresaka. (Jaona 4:7) Azontsika atao àry aloha ny miarahaba an’ilay olona na manontany kely azy fotsiny. Mety ho afaka ny hitory ka hamafy ny voan’ny fahamarinana isika, rehefa mandeha eo ny resaka. (Mpito. 11:6) Misy indray milaza zavatra manaitra ny sain’ny olona ka mahatonga azy hanontany. Eo am-piandrasana dokotera, dia azo atao, ohatra, ny miteny hoe: “Ho faly be aho rehefa tsy harary intsony.”
7. Nahoana no ho afaka hitory tsy ara-potoana isika raha mandinika tsara?
7 Ilaintsika koa ny mandinika tsara. Raha mahita ankizy hendry, ohatra, ianao, dia azonao atao ny midera ny ray aman-dreniny ka manontany azy hoe: “Inona no nanampy anao hitaiza tsara ny zanakao?” Ataon’ny anabavy iray izay hitadidiana ny resaka nifanaovan’ireo mpiara-miasa aminy, ka izay mahaliana azy ireo no resahiny aminy amin’ny manaraka. Nomeny gazety Mifohaza! momba ny fanomanana mariazy, ohatra, ny vehivavy iray rehefa fantany fa hanambady izy io. Afaka niresaka hevitra hafa ara-baiboly taminy ilay anabavy tatỳ aoriana.
8. Ahoana no azontsika ampiasana ny boky aman-gazetintsika?
8 Azontsika atao koa ny mamaky boky na gazety ary atao hitan’olona tsara. Mamaky lahatsoratra mahaliana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!, ohatra, ny rahalahy iray. Raha hitany fa mijerijery an’ilay gazety ny olona eo akaikiny, dia anontaniany na iresahany kely momba ilay lahatsoratra. Matetika no mitohy ilay resaka ka afaka mitory izy. Azontsika atao fotsiny koa ny mametraka boky na gazety eo amin’izay hahitan’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika an’ilay izy, satria mety hahatonga azy ireo hanontany izany.
9, 10. a) Inona no tokony hoeritreretintsika sy hataontsika raha te hitory tsy ara-potoana foana isika? b) Inona no hevitra efa hitanao ka nahomby?
9 Mitadiava hevitra: Tena maika ny asa fitoriana, ka tsy tokony ho kisendrasendra fotsiny no itoriantsika tsy ara-potoana. Tokony hitady hevitra hanaovana izany kosa isika isan’andro. Eritrereto izay olona mety ho hitanao na hihaona aminao, sy izay fomba hanombohan-dresaka. Mitondrà Baiboly, ary aza hadinoina ny boky aman-gazety azonao omena an’izay liana.—1 Pet. 3:15.
10 Mpitory maro no mahay mitady hevitra ka afaka mitory tsy ara-potoana. Misy toeram-pilalaovana ny tokotanin’ny trano voaro mafy ipetrahan’ny anabavy iray. Nankeo àry izy ka nanambatambatra sarina toerana tsara tarehy. Nisy olona nijanona nijery an’ilay sary ka nilaza fa tsara tarehy ilay izy. Nohararaotin’ilay anabavy izany mba hiresahana momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” ampanantenain’ny Baiboly. (Apok. 21:1-4) Ary ianao, inona no hevitra hitanao?
11. Inona no azonao lazaina amin’izay olona liana? Inona no azonao atao raha tsy afaka mitsidika azy ianao?
11 Tsidiho izay liana: Miezaha hitsidika an’izay liana. Azonao atao ny milaza aminy hoe: “Tena nahafinaritra be ny niresaka taminao. Aiza no mety hahitako anao mba hitohizan’ny resatsika?” Misy indray mpitory manome ny adiresiny sy ny nomeraon-telefaoniny ka milaza hoe: “Nahafinaritra ilay resatsika teo iny. Ireto ny adiresiko sy ny nomeraon-telefaoniko raha tianao ny hahafantatra misimisy momba ilay noresahintsika teo.” Raha tsy afaka mitsidika an’ilay olona ianao, dia fenoy haingana ilay Tsidiho Azafady (S-43) ka omeo ny mpitan-tsoratry ny fiangonana, mba halefany any amin’ny fiangonana afaka mitsidika azy.
12. a) Nahoana no ampidirina ao amin’ny tatitra ny fotoana nitoriana tsy ara-potoana? b) Inona no vokatra tsara azon’ireo nitory tsy ara-potoana? (Jereo ilay efajoro hoe “Ahitam-bokatra ny Fitoriana Tsy Ara-potoana!”)
12 Tokony hampidirina ao amin’ny tatitra ny fotoana nitoriana tsy ara-potoana. Raiso an-tsoratra àry izany, na dia minitra vitsy monja aza. Raha mitory tsy ara-potoana dimy minitra isan’andro monja mantsy ny mpitory tsirairay, dia hahavita adiny 17 tapitrisa mahery isam-bolana isika rehetra.
13. Nahoana isika no mitory tsy ara-potoana?
13 Mitory tsy ara-potoana isika, satria tia an’Andriamanitra sy tia olona. (Mat. 22:37-39) Mahafinaritra antsika ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany, ka marisika hitory momba ny ‘famirapiratan’ny voninahitry ny fanjakany’ isika. (Sal. 145:7, 10-12) Tena mangoraka olona koa isika ka manararaotra mitory isaky ny afaka manao izany, dieny mbola misy ny fotoana. (Rom. 10:13, 14) Ho vitantsika rehetra àry ny hitory tsy ara-potoana, raha miomana sy mitady hevitra kely fotsiny isika. Mety hahita olona tso-po isika ka ho faly hanampy azy hahalala ny fahamarinana.
[Teny notsongaina, pejy 4]
Azonao atao tanjona ny hanombo-dresaka amin’izay olona hitanao
[Teny notsongaina, pejy 5]
Mpitory maro no mahay mitady hevitra ka afaka mitory tsy ara-potoana
[Efajoro, pejy 5]
Fomba hanombohan-dresaka
◼ Mivavaha mba ho sahy hanombo-dresaka
◼ Izay olona sariaka sy tsy maika hatonina
◼ Jereo izy ka itsikio, ary zavatra mahaliana ny rehetra resahina
◼ Mihainoa tsara
[Efajoro, pejy 6]
Ahitam-bokatra ny Fitoriana Tsy Ara-potoana!
• Namboarina tao amin’ny garazy ny fiaran’ny rahalahy iray. Nanararaotra nitory tamin’izay olona hitany tao izy, sady nanome azy ireo taratasy fanasana hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro amin’ny fivoriambe. Nisy rahalahy tsy fantany niarahaba azy tany amin’ny fivoriambe, herintaona taorian’izay. Hay izy io anisan’ireo nomeny fanasana tao amin’ilay garazy! Nandeha nihaino an’ilay lahateny izy, ary nangataka ny hampianarina Baiboly. Vita batisa izao izy sy ny vadiny!
• Fitoriana tsy ara-potoana no nahitan’ny anabavy iray ny fahamarinana. Ataony tanjona àry ny mitory amin’ny mpiray tanàna sy amin’ny ray aman-dreny hitany any an-tsekolin’ireo zanany telo mianadahy, na any amin’ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Milaza tsotra fotsiny izy aloha hoe tena manampy azy hitaiza tsara ny zanany ny Baiboly. Miresaka zavatra hafa izy avy eo. Mora aminy kokoa aorian’izay ny miresaka hevitra ara-baiboly amin’ilay olona. Nisy 12 ny olona nitoriany toy izany, ka natao batisa tatỳ aoriana.
• Nisy mpiasan’ny fiantohana tonga nitsidika ny anabavy iray. Nohararaotiny nitoriana ilay rangahy. Nanontaniany izy raha te homena antoka hoe ho salama tsara foana sy ho sambatra ary hiaina mandrakizay. Nilaza ilay rangahy hoe tiany izany, nefa nanontany koa hoe karazam-piantohana inona izany. Nasehon’ilay anabavy azy ny fampanantenan’ny Baiboly, sady nomeny boky izy. Voavakiny tao anatin’ny indray takariva fotsiny ilay boky. Nanaiky hianatra Baiboly izy, nanatrika fivoriana, ary natao batisa.
• Nitorian’ny anabavy iray ny vehivavy iray nipetraka teo akaikiny, tao anaty fiaramanidina. Nomen’ilay anabavy azy ny adiresiny sy ny nomeraon-telefaoniny rehefa tonga izy ireo, ka nampirisihiny izy hangataka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra Baiboly azy. Nisy Vavolombelona roa tokoa nitory tao aminy ny ampitson’iny. Nianatra Baiboly ilay ramatoa, nandroso haingana, natao batisa, ary tsy ela dia nampianatra olona telo.
• Mipetraka ao amin’ny trano fitaizana ny be antitra ny rahalahy iray 100 taona, ary matetika izy no milaza hoe: “Mila an’ilay Fanjakana isika.” Nanontany azy àry ny mpitsabo mpanampy sy ny zokiolona hafa hoe inona izany Fanjakana izany, ka afaka nanazava izy. Nanontany azy koa ny mpiasa iray ao hoe inona no hataony rehefa any amin’ny Paradisa. Hoy ilay rahalahy: “Ho afaka ny hahita sy handeha indray aho, ka hodorako ity sezako misy kodiarana ity.” Nasainy novakin’io mpiasa io taminy ny gazetintsika satria jamba izy. Nangatahin’ilay mpiasa tamin’ny zanak’ilay rahalahy ireo gazety ireo mba hoentiny any an-tranony. Hoy koa ny mpitsabo iray tamin’ilay zanany: “Lasa ambentin-dresakay ato ny hoe: ‘Mila an’ilay Fanjakana isika.’ ”
• Nilahatra tao amin’ny hotely fisakafoana ny anabavy iray, ary sendra reny niresaka politika ny zokiolona maromaro nipetraka teo akaikiny. Nilaza ny zokiolona iray fa tsy mahavaha olana ny fitondrana. Nieritreritra ilay anabavy tamin’izay hoe tokony hanararaotra hitory izy. Nanao vavaka fohy àry izy ary nanatona an’ireo zokiolona. Niarahaba azy ireo izy, ary nilaza fa hamaha ny olana rehetra eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Nomeny bokikely izy ireo avy eo. Tamin’izay indrindra no nanatona ny mpitantana an’ilay hotely. Nihevitra ilay anabavy fa hangataka azy hivoaka ilay rangahy. Hay nahare ny resak’izy ireo izy, ka te hahazo bokikely koa! Nahare an’ilay resaka koa ny mpiasa iray ka nanatona. Nitomany izy satria efa nianatra taloha, ary te hianatra indray.