FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/10 p. 4
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohana ireo mpitory maharitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Aoka isika hankasitraka ireo mpitory maharitra eo amintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Fampahatsiahivana ho An’ny Mpitan-tsoratra sy ny Mpiandraikitra ny Asa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mandray Fitahiana Ireo Manao ny Asan’ny Mpisava Lalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 11/10 p. 4

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Ahoana no azo anampiana ny mpisava lalana?

Efa ho 800 000 ny mpisava lalana maharitra sy manokana eran-tany tamin’ny taom-panompoana 2009. Mahafoy fotoana sy hery ary fananana ireny mpanompo manontolo andro ireny mba hampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Ohab. 3:9) Tena mahafaly an’i Jehovah tokoa ny ezaka ataon’izy ireny. Faly koa isika noho izany. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireny ho falifaly sy haharitra amin’io asa io?

Mety handrisika azy ireo hanohy ny asan’ny mpisava lalana isika, raha manao teny mampahery. (Ohab. 25:11) Afaka manamboatra fotoana ve ianao hiarahana manompo aminy? Raha mila mandeha bisy ianareo, nahoana raha miantoka ny saran-dalany? Afaka manampy azy ve isika mba hisahanany ny lany rehefa hamonjy fivoriambe? (1 Kor. 13:5; Fil. 2:4) Asehontsika fa tia sy manohana azy ireo isika, raha mampiantrano sy manasa azy hisakafo tsindraindray.—1 Pet. 4:8, 9.

Manome toky ny Baiboly fa hanome izay ilain’ireo mikatsaka aloha ny Fanjakany i Jehovah. (Sal. 37:25; Mat. 6:33) Mampiasa ny mpiara-manompo be fitiavana, ohatra, i Jehovah mba hanaovana izany. (1 Jaona 3:16-18) Mazava ho azy fa tsy tokony hanantena ny mpisava lalana hoe ny hafa no hiantoka ny vola ilainy. Mety tsy hilaza amin’ny hafa koa izy rehefa sahirana. Raha vonon-kanampy sy mahay mandinika anefa isika, dia afaka manampy an’ireo mpisava lalana tsy mivadika, ary “hameno izay tsy ampy eo amin’izy ireo.”—2 Kor. 8:14, 15.

Nankany Roma i Foiby, mpitory be zotom-po tao amin’ny fiangonana tany Kenkrea tamin’ny taonjato voalohany. Nampirisika an’ireo rahalahy tany Roma i Paoly tamin’izay hoe: ‘Raiso tsara izy ao amin’ny Tompo, araka izay mendrika handraisana ny olona masina, ary ampio izy amin’izay ilany anareo.’ (Rom. 16:1, 2) Misy mpisava lalana maharitra sy manokana koa tsy mitsahatra mitory ny vaovao tsara, eo anivon’ny fiangonantsika. Azontsika atao àry ny maneho fitiavana sy manampy azy ireny.—Asa. 5:42.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara