Fomba Telo Hanatsaranao ny Fahaizanao Mampianatra
1. Nahoana isika no tokony hanatsara ny fahaizantsika mampianatra?
1 Mpampianatra daholo ny mpitory rehetra. Mampita fahalalana foana isika, na rehefa mitory, na miverina mitsidika, na mampianatra Baiboly. Tena miavaka ny fahalalana ampitaintsika. Manazava ny “Soratra Masina” mantsy isika, mba hahazoan’ny olona “famonjena.” (2 Tim. 3:15) Voninahitra tokoa izany! Ireto àry misy fomba telo hanatsarantsika ny fahaizantsika mampianatra.
2. Ahoana no tokony hataontsika mba ho tsotra ny fampianarantsika?
2 Ataovy tsotra ny fampianaranao: Raha efa fantatsika tsara ny foto-kevitra iray, dia mety hanadino isika hoe mety tsy ho hain’ny olona ampianarintsika ilay izy ka ho sarotra aminy. Aza totofana tsipiriany tsy ilaina àry ny mpianatra. Ny hevi-dehibe kosa asongadina. Tsy voatery hoe tsara akory ny fampianaranao, raha miteny be ianao. (Ohab. 10:19) Tena tsara raha ny andinin-teny fototra ihany no vakina. Izay hevitra mifandray amin’ilay foto-kevitra dinihina ihany asongadina, rehefa avy mamaky andinin-teny. Namela ohatra tsara i Jesosy. Tena lalina ny zavatra nampianariny tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ao amin’ny Matio toko faha-5-7. Nataony tsotra anefa ny fampianarany ary tsy niteny be izy.
3. Nahoana no tena ilaina ny fanoharana, ary fanoharana manao ahoana no tena tsara?
3 Mampiasà fanoharana: Mampisaintsaina, sy manohina ny fo, ary manampy amin’ny fitadidiana ny fanoharana. Tsy voatery hoe mahay tantara be ianao vao ho afaka hilaza fanoharana tsara. Matetika i Jesosy no nampiasa fanoharana fohy sy tsotra. (Mat. 7:3-5; 18:2-4) Tena manampy koa ny manao sary tsotsotra eo amin’ny taratasy. Ho afaka hamorona sary sy hahita fanoharana tsara ianao, raha misaintsaina kely mialoha.
4. Ahoana no hahaizantsika mampiasa fanontaniana?
4 Mampiasà fanontaniana: Mandrisika ny mpianatra hieritreritra ny fanontaniana. Manàna àry faharetana rehefa avy mametraka fanontaniana. Raha ianao ihany mantsy no manome ny valiny, dia tsy ho fantatrao hoe ahoana no tena fahazoan’ilay mpianatra an’ilay hevitra. Aza ahitsy izy raha diso ny valin-teniny, fa mametraha fanontaniana fanampiny mba hanampiana azy hahita ny valiny marina. (Mat. 17:24-27) Marina aloha fa tsy misy hoe mpampianatra tonga lafatra isika. Mampirisika antsika anefa ny Baiboly mba hitandrina ny fomba fampianarantsika. Raha manao izany isika, dia handray soa mandrakizay, ary tsy isika ihany fa ireo mihaino antsika koa.—1 Tim. 4:16.