Aoka Ianao ho Falifaly Rehefa Manomana ny Fahatsiarovana!
1. Nahoana no miavaka ny Fahatsiarovana?
1 Amin’ny talata 26 Martsa ny Fahatsiarovana. Amin’io no fotoana tsara indrindra ahafahantsika mampiseho fa mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah mba hamonjena antsika isika. (Isaia 61:10) Ho vonona tsara hanatrika an’io fotoan-dehibe io isika raha miezaka ho falifaly dieny izao.
2. Inona no mahatonga antsika hanomana ny Fahatsiarovana?
2 Inona avy no mila omanina? Fankalazana tsotsotra ny Sakafo Harivan’ny Tompo, nefa manan-danja. Mila omanina mialoha àry ny zava-drehetra ilaina mba tsy ho lasa an-tsirambina ny sasany. (Ohab. 21:5) Mila fidina tsara ny fotoana sy toerana hanaovana azy io. Mila atao vonona sy madio koa ilay toerana. Tokony hokarakaraina mialoha ny mofo sy divay. Tokony hanomana tsara koa ny mpandahateny, ary homena toromarika ny mpanolotra ny mofo sy divay ary ny mpikarakara ny mpanatrika. Azo antoka fa efa voalamina ny ankamaroan’ireo amin’izao. Mankasitraka ny vidim-panavotana isika ka izany no mahatonga antsika hanomana tsara an’io fotoan-dehibe io.—1 Pet. 1:8, 9.
3. Ahoana no hanomanantsika ny fontsika?
3 Ahoana no hanomanana ny fo? Mila manomana ny fontsika koa isika mba ho takatsika ny maha zava-dehibe ny Fahatsiarovana. (Ezra 7:10) Tokony handinika ny andinin-teny ho an’ny Fahatsiarovana àry isika, ary hisaintsaina ny fotoana faramparany niainan’i Jesosy tetỳ an-tany. Lasa te hanahaka an’i Jesosy isika rehefa misaintsaina fa nahafoy tena ho antsika izy.—Gal. 2:20.
4. Iza amin’ireo soa azo avy amin’ny vidim-panavotana no tena mahafaly anao?
4 Ny nahafatesan’i Kristy no manaporofo fa i Jehovah irery no manan-jo hitondra. Izy io koa no manafaka amin’ny ota sy fahafatesana. (1 Jaona 2:2) Mahatonga antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra sy hahazo fiainana mandrakizay izy io. (Kol. 1:21, 22) Manampy antsika koa izy io mba ho tapa-kevitra hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika sy hanara-dia an’i Kristy foana. (Mat. 16:24) Enga anie isika ka ho faly foana rehefa manomana sy manatrika ny Fahatsiarovana!