Ezaka Manokana Ahitam-bokatra
Hanao ezaka manokana hanasana ny olona liana ao amin’ny faritaniny indray ny fiangonana, telo herinandro alohan’ny fivoriambeny. Misy antony tsara matoa atao io ezaka manokana io isan-taona. Matetika no mampitolagaga an’ireo vahiny nasaina ny lahateny ara-baiboly, ny fitondran-tena tsara sy ny firaisan-tsaina asehontsika, ary ireo sampan’asa voalamina tsara nefa mpiasa an-tsitrapo daholo no ao. (Sal. 110:3; 133:1; Isaia 65:13, 14) Ahitam-bokatra ve anefa ny ezaka manokana ataontsika, indrindra raha tsy maintsy manao dia lavitra ny olona liana mba hanatrehana fivoriambe?
Nahita taratasy fanasana teo am-baravarany ny vehivavy iray. Niafina foana izy hatramin’izay isaky ny nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminy. Izao anefa no nosoratany tany amin’ny biraon’ny sampana, taorian’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2011: “Nanana trano tsara tarehy aho ary mahafinaritra ny vadiko. Nihevitra aho hoe tokony hahasambatra ahy daholo izany. Mbola tsy sambatra ihany anefa aho ary hoatran’ny tsy nisy dikany ny fiainako. Nanao dia 320 kilaometatra àry aho mba hanatrehana ny fandaharana ny asabotsy.” Tena tiany ilay fivoriambe ka nitelefaonina ny vadiny izy ary nilaza fa mbola hijanona any mba hanatrika ny alahady. Hoy izy: “Nihaino ny lahateny rehetra aho, nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah maro, ary tsy tiako hifarana mihitsy izany.” Nianatra Baiboly izy rehefa nody, ary lasa mpitory tsy vita batisa, efa-bolana taorian’izay. Hoy izy: “Tena faly aho fa nahita an’iny fanasana iny teo am-baravarako satria tena misy dikany izao ny fiainako.”
Tena ho avy ny olona sasany mahazo fanasana. Mazotoa àry mizara an’io taratasy fanasana io. Ento daholo ny ambina fanasana any aminao rehefa hanatrika fivoriambe ianao, ary ampiasao hitoriana tsy ara-potoana izany.
[Efajoro, pejy 5]
Ahoana no Hizarana Ilay Fanasana?
Tokony ho fohy ny tenintsika mba hamitana ny faritany. Afaka miteny toy izao isika: “Manahoana! Zaraina eran-tany ity taratasy fanasana ity. Intỳ ny anjaranao. Ho hitanao ao ny tsipiriany momba an’ilay izy.” Aoka ianao hafana fo. Raha mety, dia tokony hanolotra gazety koa ny mpitory rehefa mizara taratasy fanasana, amin’ny faran’ny herinandro.