FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/15 p. 4
  • Asao Foana ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asao Foana ny Olona
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanasana Manokana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Ezaka Manokana Ahitam-bokatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fivoriambe
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Hizara Fanasana Fahatsiarovana Isika Manomboka ny 2 Aprily
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
km 4/15 p. 4

Asao Foana ny Olona

1. Rahoviana isika no hanomboka hizara fanasana?

1 Eritrereto hoe nanomana sakafo tsara be ianao sady efa mba niezaka mafy erỳ nahandro azy. Tsy mba hafana fo ve ianao rehefa hanasa ny namanao sy ny fianakavianao hihinana an’ilay izy? Asa be koa vao voaomana ny sakafo ara-panahy homena antsika amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hanomboka hizara fanasana isika, telo herinandro alohan’ilay fivoriambe. Tombontsoa be izany satria i Jehovah mihitsy no maniraka antsika hanasa olona amin’io. Inona àry no hanampy antsika hafana fo rehefa hizara fanasana?

2. Inona no hanampy antsika hazoto hizara fanasana?

2 Hazoto hizara fanasana isika, raha mitadidy hoe tena tsara ny fampianarana omen’i Jehovah any amin’ireny fivoriambe ireny, ary mandray soa amin’izany mihitsy isika tsirairay. (Isaia 65:13, 14) Tadidio koa fa tena misy olona mandeha rehefa omena fanasana. (Jereo ilay efajoro hoe “Mandaitra Ilay Izy!”) Na ho tonga na tsy ho tonga anefa ny olona asaintsika, dia midera an’i Jehovah isika sady manahaka azy satria tia manao soa olona.—Sal. 145:3, 7; Apok. 22:17.

3. Ahoana no hizarana an’ilay fanasana?

3 Ny anti-panahy no hijery hoe ahoana no hizarana fanasana betsaka araka izay azo atao. Izy ireo no hanapa-kevitra hoe homena fanasana ve ireo tsy tratra an-trano, na hoe hozaraina mandritra ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona ve ilay izy. Raha mety, dia atolory miaraka amin’ny gazety ilay fanasana rehefa faran’ny herinandro. Rehefa vita ilay ezaka manokana, dia tena ho faly isika satria nazoto nandray anjara sady nanasa olona betsaka araka izay azo atao mba hanatrika an’ilay fanasambe ataon’i Jehovah!

Inona no holazaina?

Rehefa avy miarahaba an’ilay olona ianao dia afaka miteny hoe: “Misy ezaka manokana ataonay maneran-tany mba hanasana olona hanatrika fotoan-dehibe iray. Efa voalaza ato ny daty sy ny ora ary ny toerana hanaovana azy.”

Mandaitra Ilay Izy!

  • Nizara taratasy fanasana fivoriambe ny anabavy iray, taona vitsivitsy lasa izay. Tsy natoky anefa izy hoe hisy vokany ilay izy. Nieritreritra izy hoe: ‘Dia mba hisy hanatrika fivoriambe ve amin’itony olona asaina itony?’ Nahita lehilahy nanao satroka lamba fanaon’ny mpivavaka karàna izy ny asabotsy marainan’ilay fivoriambe. Niresaka tamin’ilay lehilahy àry izy, ka fantany fa hay nahazo fanasana ilay olona dia tonga. Nametraka fanontaniana be dia be ilay lehilahy, ary novalian’ilay anabavy daholo. Nilaza ilay olona hoe tsara ilay fandaharana, ary maotina sy tsara toetra ny mpanatrika. Niresaka tamina mpivady hafa koa ilay anabavy taorian’izay. Nahazo fanasana koa ry zareo, ary nandeha bisy nankany amin’ilay fivoriambe. Tena tian’izy ireo ilay fandaharana asabotsy, ka nilaza izy fa mbola hiverina ny alahady. Tsapan’ilay anabavy àry fa tena mandaitra ireny taratasy fanasana ireny!

  • Vao haingana koa izay, dia nisy mpivady mpisava lalana niresaka tamina mpivady efa be taona, tany amin’ny fivoriambe. Nilaza ilay mpivady efa lehibe fa vao sambany izy ireo no nanatrika fivoriambe. “Iza no nanasa anareo?”, hoy ireo mpisava lalana. Namaly izy ireo hoe: “Rehefa nody izahay indray andro, dia nahita fanasana teo am-baravarana.” Nojeren’izy ireo ilay fanasana, ary nofenoiny mihitsy ilay tapakila tao ambadika. Nisy Vavolombelona nanome sakafo azy ireo tany amin’ilay fivoriambe. Tena tian-dry zareo ny fandaharana, ka vonona hiverina koa izy ireo ny ampitso. Nisy Vavolombelona nasaina nitsidika azy ireo taorian’izay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara