Miresaha Foto-kevitra Iray fa Manolora Gazety Roa
Misy foto-kevitra mahaliana maro ao amin’ny gazetintsika. Tsara kokoa anefa raha loha hevitra iray isan-trano ihany no resahina. Raha mamaky tsara an’ireo gazety isika sady mahay mandinika, dia ho afaka hifidy hevitra mahaliana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Raha mahita kilalaon’ankizy, ohatra, isika dia mety ho afaka hanasongadina lahatsoratra momba ny fianakaviana. Raha lehilahy indray no mandray antsika, dia azontsika atao ny mifidy hevitra mety hahaliana ny ankamaroan’ny lehilahy, ohatra hoe fitondram-panjakana mahomby. Marina fa foto-kevitra iray ihany no resahintsika. Raha liana anefa ilay olona dia tokony homena azy ilay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!