Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
1. Rahoviana isika no hanomboka hianatra an’ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?, ary inona avy ny soa horaisintsika amin’izany?
1 Ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? no hianarantsika amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka amin’ny herinandron’ny 28 Oktobra. Navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Arovy ny Fonao!” io bokikely io, ary natao hitarihana ny mpianatra Baiboly ho amin’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa mianatra an’io bokikely io isika, dia vao mainka ho tiantsika hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah isika, ary ho haintsika tsara ny hampiasa an’ilay izy eny amin’ny fanompoana.—Sal. 48:13.
2. Ahoana no fomba fianarana an’ilay bokikely any amin’ny fiangonana?
2 Ny fomba fianarana azy: Mila mahay mitsinjara fotoana ny mpitarika mba hitovy ny fotoana ianarana ny lesona tsirairay. Hovakiny aloha ny fanontaniana amin’ny lohateny, isaky ny hanomboka lesona iray. Hasainy hamaky ny fehintsoratra fampidirana avy eo ny mpamaky fehintsoratra, ary hapetrany izay fanontaniana efa nomaniny ho an’ilay fampidirana. Hovakina sy hodinihina tsirairay koa ireo fizarana kely manomboka amin’ny fehezanteny amin’ny sora-matevina, ary hanontanian’ny mpitarika ny mpanatrika hoe inona no ifandraisan’ilay fizarana amin’ilay lohateny. Betsaka koa ny sary azon’ny mpanatrika hazavaina. Tokony hovakina ny andinin-teny fototra raha ampy ny fotoana. Alohan’ny hidirana amin’ny lesona manaraka, dia haverin’ilay mpitarika hapetraka ny fanontaniana eny amin’ny faran’ny pejy. Raha misy efajoro hoe “Iezaho Atao Izao”, dia hasainy hamaky azy io ny mpamaky fehintsoratra. Asainy avy eo ny mpanatrika hilaza hoe inona ny soa horaisin’ny mpianatra Baiboly amin’ny soso-kevitra ao. Ho famaranana, dia azo ampiasaina hanaovana famerenana ireo lohateny rehetra miendrika fanontaniana, raha ampy ny fotoana. Tadidio fa tsy voatery ho toy izany no hatao rehefa mampianatra Baiboly.
3. Ahoana no andraisantsika soa feno amin’ny fianarana an’io bokikely io?
3 Omano tsara ny fianarana alohan’ny handehanana hivory, dia handray soa feno ianao. Miezaha hanome valin-teny. Mandritra an’ilay fianarana, dia eritrereto hoe nahoana no hahasoa ny mpianatra Baiboly ilay zavatra ianarana. Enga anie ka hahay hanampy ny hafa hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika rehefa mandinika an’io bokikely io, ary ho afaka hiaina mandrakizay koa izy ireo amin’ny hoavy.—1 Jaona 2:17.