Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Febroary
“Samy manana ny heviny momba ny Baiboly ny olona. Misy mino hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ny hafa indray mihevitra fa mitovy amin’ny boky rehetra ihany izy io. Ahoana ny hevitrao?” Avelao izy hamaly. Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Febroary. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary
“Betsaka ny tsindry hazo lena amin’izao fotoana izao. Mety hisy farany ihany ve izany? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity ampanantenain’ny Baiboly ity e! [Vakio ny Salamo 37:34. Sokafy ao amin’ny pejy 11 ilay gazety.] Hazavain’ity lahatsoratra ity hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny tsindry hazo lena.”
Mifohaza! Febroary
“Maro amintsika no mahita hoe hoatran’ny tsy ampy mba hahavitantsika zavatra izany mihitsy ny fotoana. Isika mihitsy ve no be atao loatra sa isika no mandanilany fotoana? [Avelao izy hamaly.] Olona maro no tsy mahafantatra fa misy torohevitra tsara afaka manampy antsika handamina fotoana ao amin’ny Baiboly. Intỳ misy ohatra. [Vakio ny Filipianina 1:10a.] Misy zavatra efatra nanampy olona maro hampiasa tsara ny fotoanany ato amin’ity gazety ity.”